· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Avrily, 2012

Sénégal : Ry Zareo Senegaly Sy Ny toerana Misy Ny Demaokrasiany

  30 Avrily 2012

Raha toa mbola variana mitehaka an'ila Filoha teo aloha Abdoulaye Wade sy ny Demaokrasia Senegaly izao tontolo izao, ny tontolon'ny bilaogy senegaly kosa dia feno fanakianana ny tomban'asan'ilay filoha voahilika, A. Wade. Ampahatsiahiviny indrindra indrindra ireo niharan-doza nialoha ny fifidianana, ireo fanitsakitsahana ny zon'ny fanaovana gazety ary ireo ohatra mikasika ny faharatsiam-pitantanana.

Bahrain: Mihetsiketsika Samirery Ravehivavy!

Hatramin'ny niandohan'ny fitroarana manerana ny tontolo Arabo, efa lasa mahazatra antsika ny mahita sarin'olona an'arivony manao fihetsiketsehana eny an-kianja na eny an'arabe. Nampidirina tao amin'ny rakibolana ny fehezanteny toy ny  hoe Million Man March ( Diaben'ny Lehilahy An-tapitrasany, ary nanjary mariky  ny “Lohataona Arabo” ny sary tahaka ity ambany ity. Na...

Tonizia: Fifandonan'ny Mpitandro Filaminana Tamin'Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Tsy An'asa Tao Radès

Ny 13 Aprily, nifandona ny mpitandro filaminana sy ny vondronà tanora mpanao fihetsiketsehana avy any amin'ny Cité El Mallaha tany amin'ny seranan-tsambon'i Radès, atsimon'ny renivohitr'i Tunis ary raisina ho toy ny ambanivohitrany. Nanatanteraka fitorevahana ireo mpanao fihetsiketsehana ireo, nitaky ny hizaràna ny asa sasany izay vao noforonina tao amin'ny seranan-tsambon'i Radès, akaiky ny Cité El Mallaha.

Sénégal : #Sunu2012, Fomba Iray Hitan'ny Afrikana Hanaraha-maso Ny Fifidianana

  23 Avrily 2012

Ny harivan'ny fihodinana faharoa amin'ny fifidianana izay ho filoham-pirenana senegaly, tamin'ny 9 ora alina i Pape Alé Niang mpanao gazetin'ny 2stv dia efa afaka nanome sahady ny fironana mavesatra avy amin'ireo vokatra. Ireo vokatra sy vinavinan'ny #Sunu2012 no navoakan'ny fahitalavitra senegaly ary avy amin'izy ireny no azo antoka fa nahafahana voalohany indrindra namoaka vokatra dieny vao tamin'ny 9 ora alina fotsiny.Sunu2012 dia tetikasa iray nosainina sy novokarn'i Cheikh Fall tamin'ny 2008. Ity no hahafantarana bebe kokoa momba io tetikasa io :

Bahrain: Entona Mandatsa-dranomaso, Herisetra MAnodidina Ny Hazakazaka Grand Prix F1

Nampiantrano ny Formula One Grand Prix i Bahrain ny 22 Aprily, saingy fihetsiketsehana goavana iray no nialoha làlana ny hetsika fanokafana ilay fifaninanana hazakazaka. Tanatin'ireo fifandonana dia nandefa entona mandatsa-dranomaso sy grenady mankarenin-tsofina ny polisy, ka i Salah Abbas Habib, iray tamin'ireo mpanao hetsi-panoherana no hita namoy ny ainy..

Iran: Herinandron'ny Graffiti-n'Adala Ho An'ny Gadra Politika

Niantso ny rehetra hampiasa stansily ho fanomezam-boninahitra ny gadra politika Iraniana ny vondrona Facebook antsoina hoe  Mad Graffiti Week Iran [Herinandron'ny Graffiti-n'Adala ao Iran] ny voalohany ka hatramin'ny fahafito Avrily. Mametraka ny diampeniny eny amin'ny akanjony, fefy, tranony ary izay itafiany ny olona. Nakana hevitra sy tohanan'ny “Mad Graffiti Week” Ejipsiana ity hetsika...

Ejypta: Lavo, Tafarina Ary Lavo Indray i Omar Suleiman

Ny 6 Avrily, nanambara ny firotsahany hofidiana ho filoha i Omar Suleiman, filoha lefitr'i Ejipta teo aloha sady lehiben'ny sampam-pitsikilovana. Nisy ny fihetsiketsehana nataon'olona an'aliny teo amin'ny kianja Tahrir tamin'ny 13 Avrily ho fanoherana ny fampielezankevitr'i Suleiman. Nisy fivadihan-draharaha tampoka taorian'izay, izany hoe ny 14 Avrily tamin'ny filazana fa anisan'ny kandidà folo tsy afaka mifaninana amin'i fifidianana i Suleiman noho ny toa hoe tsy fahampian'ny sonia manohana ny firotsahany hofidiana.