· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Aogositra, 2011

Costa Rica: Diabe Fanehoan-kevitry Ny Vehivavy tsy Maoty, Foto-pinoana ary Zon'ny vehivavy

  29 Aogositra 2011

Ny Alahady lasa teo , 14 Aogositra 2011, no nisy ny Diabe Fanehoan-kevitry Ny Vehivavy tsy Maoty tao San Jose renivohitra nahatonga fanoherana mahery vaika avy amin'ny filazam-baovao sy ara-pinoana noho ireo hira sy seho an-tsehatra mahery setra lazaina ho manohitra ny fiangonana. Ilay adihevitra nafana dia samy nandrakotra ny filazam-baovaom-bahoaka sy ny haino aman-jery avokoa satria ny mponina dia naneho hevitra tao amin'ilay dikanteny Costa Ricain amin'ity hetsi-panoherana nalaza eran-tany ity.

Repoblika Dominikana: Rita Indiana, “Ny Tetikasa Toy Ny Ahy Dia Nandray Betsaka Tamin'ny Tambajotra Sosialy sy ny Aterineto”

  24 Aogositra 2011

Tanaty tafatafa tanteraka noho ny fiaraha-miasan'ny tambajotranà bilaogera sy namana, ilay Dominikana mpanoratra tononkira , mpihira, mpanoratra, ary mpiseho an-tsehatra Rita Indiana dia miresaka momba ny maha-izy azy manokana amin'ny lafiny hira, ny tontolon-javakantony maro sosona, ny tetikasany amin'ny hoavy, ary ny fifandraisany amin'ny fampitam-baovaon'olon-tsotra na ny Media sosialy sy ny Aterineto, ankaotr'ireo lohahevitra hafa

Tonizia: Mitohy Ny Hetsi-Panoherana, Mitohy Koa Ny Herisetran'ny Polisy

Nirotsaka an-dalambe ireo mpanao fihetsiketsehana tao Tunis ny Alatsinainy teo (15 Aogositra). Tafiditra ho anisan'ny anton'ny fitakian-dry zareo ny fananganana fitsaràna tsy momba ny atsy na ny aroa afaka hitsara ireo manampahefana mpanao kolikoly sy ny namono ireo “Mahery fon'ny Revolisiona”. Mamintina ny fanehoan-kevitra avy amin'ireo fampahalalàm-baovaon'olon-tsotra i Afef Abrougui ato anatin'ity lahatsoratra ity.

Espana : Mpanao Gazety Nosamborina Ary Fihetsiketsehana Voasakantsakana

  14 Aogositra 2011

Ny hetsi-panoherana Espanola 15 m izay nahangona olona an'arivony teny an-dalambe hangataka rafitra ara-demokratika kokoa dia tonga tamin'ny dingana iray vaovao. Nanapa-kevitra ny manampahefana ny 2 Aogositra fa handràra ny fihetsiketsehana rehetra ary nampitandrina ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hivorivory. Rakotra fanehoan-kevitra sy fampitam-baovao avy amin'ny mponina ny tambajotram-piarahamonina.

Togo : Miampànga Ny Fanitsakitsahana Ny Fahalalahan'ny Asa Fanaovana Gazety Ireo Togole Mpanao Gazety

  08 Aogositra 2011

Nivelively ny rarivato natao ho làlana ireo togole mpanao gazety tamin'ny Sabotsy 06 Aogositra mba hanoherana ny fandrahonana ho faty mahazo ny sasany amin'ny naman'izy ireo. Tamin'ny Alarobia 03 Aogositra no nalefan'ny fikambanana "SOS Journaliste en danger"(Vonjeo ny mpanao gazety fa tandindonin-doza) ny antso, tao Lomé. Ireny fandrahonana ireny dia avy amin'ny Masoivohom-pitsikilovanam-pirenena na "Agence nationale de renseignement (ANR)" ary drafitra ikendrena mihitsy ny «hanohintohinana ara-batana ireo mpanao gazety, indrindra amin'ny famoronana loza sarintsariny, ny fanapoizinana, ary ny famoronana antontan-taratasy isan-karazany etsy sy eroa». Sylvio Chombey no manazava:

Korea Atsimo : 41 No Maty Tao Anatin'ny Tondra-drano Mahery Vaika Sy Fihotsahan'ny Tany

  07 Aogositra 2011

Oram-batravatra be no namely an'i Korea Atsimo nandritra ny andro maro nifanesy, nahatonga firotsahana tany, tondra-drano ary fahatapahan-jiro. Farafahakeliny 41 ny olona maty ary 12 no mbola tsy hita hatramin'izao. Nandritra ilay loza voajanahary, Koreana Tatsimo maro no nizara fanavaozam-baovao, sary maro ary toro-hevitra mahasoa ho an'ireo tra-doza tamin'ny alalan'ny Twitter.

Koety: Mampanidina “Balônin'ny Fahafahana” ny Bidun

Iray volana lasa izay, nanatontosa telo andro fanentanana "amadihana ny sarintavan ao amin'ny Twitter" hanairana ny famoaham-baovao sy hampisongadina ny momba azy ireo eo anatrehan'izao tontolo izao ny vondron'olona tsy manana zom-pirenena na inona na inona. Tamin'ity zoma ity dia hetsika hafa indray no nataony nampanidina balônina ho eny amin'ny rivotra, ary miantso azy ireo ho ny "balônin'ny fahafahana". Mizara amintsika ny tantara i Mona Kareem.