· Jolay, 2011

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Jolay, 2011

Sao Tome sy Principe: Ho Famonjena Ny Kolotsaina Maro Sampana

  21 Jolay 2011

Ny fankalazan'i Sao Tome sy Principe ny faha-36 taonan'ny fahaleovantenany, ny 12 Jolay, dia nahitàna hetsika ara-kolotsaina sy ara-pomban-drazana natao nanerana ny firenena. Sampannan-dalàn'ny kolotsaina nandritra ny taonjato maro io firenenq io, nitelinq karazana fomban-drazana samihafa hanjary ho tokana. Manampy amin'ny fandraketana ireo dihy nentin-drazana sy bilaogera; sady maneho ny alahelony fa tsy ampy ny hetsika atao mba hitahirizana azy ireny ho an'ireo taranaka ho avy.

Filipina:Safo-drano Mahatsiravina Namely Ilay Tanàna “Tsy misy Typhoon”

  18 Jolay 2011

Filipiana maro no notampohan’ilay safo-drano goavana izay namely ny ilany atsimon’i Davao renivohitr'i Filipina. Malaza ratsy amin’ny fisiana safo-drano tselatra i Filipina, antony mahatonga izany ny fisiana rivo-doza maro mandalo amin’io firenena io avy any amin’ny ranomasimbe Pasifika. Nefa lazaina fa hoe miorina eo amin’ny faritra fandalovan’ny rivo-doza ny tanànan’i Davao. Ny alin’ny Alarobia 29 may 2011, tafakatra hatramin’ny 25 eo eo ny isan’ny maty niharan-boina ary 15 hafa mbola tsy hita hatramin’izao. Tsy vitan’izany ihany, anarivony ny fianakaviana nafindra toerana vokatr’ilay safo-drano ratsy indrindra teo amin'ny tantarany namely ny tanànan’i Davao.

Malezia: Fihaonamben'ny Bersih ao Amin'ny Valantserasera

  12 Jolay 2011

Maherin'ny 1400 ireo vahoaka nosamborin'ny polisy tamin'ny famoriam-bahoaka  Bersih 2.0 androany, izay natao mba hanafainganana ny fanovana momba ny fifidianana ao Malaysia. Nampiasa baomba mandatsa-dranomaso ny polisy, mba hanaparitahana ireo vahoaka izay mahatratra hatramin'ny 50,000  araka ny filazan'ny mpikarakara ny fihetsiketsehana. Midika hoe “madio” ny Berish amin'ny fiteny ao an-toerana....

Ejipta: Nahemotra ny Fitsarana Ireo Namono An'i Khaled Saeed

Khaled Saeed, tovolahy avy any Alexandria nambara fa maty teo am-pelatanan'ireo mpitandro filaminana tamin'ny volana Jona raha araka ny tatitra, dia lasa sary famantarana ny Revolisiona ao Ejipta. Nandrehitra ny tsy fahafaliana teo amin'ireo tanora Ejiptiana nandritra ireo herinandro lasa ny famonoana azy, nahatonga ny sarin'ny vatany voavely mafy hiodina be tao amin'ny aterineto nitondra nankamin'ny revolisiona. Niatrika fitsarana ireo mpitandro filaminana voampanga ho namono azy androany. Ireto manaraka ireto ny fihetseham-po vitsivitsy taorian'ny fanemorana ny raharaha ho amin'ny 24 Septambra.

Kioba: Fihaonana Voalohan'Ireo Mpampiasa Twitter, Nahafinaritra Loatra Tao Havana

  07 Jolay 2011

Ny fihaonana voalohany teo amin’ireo mpampiasa ny tambajotra sosialy Twitter dia nankalazaina ny 1 jolay tamin’ny 4 ora folakandro tao amin’ny distrika faha 23 sy ny faha12-n’i Vedado ary tao Pabellón Cuba. Olona 100 eo ho eo no tonga nanafàna an’ity hetsika ity, tanora mpianatra ho mpanao gazety ny ankamaroany , mpandraharaha, mpampianatra eny amin’ny Anjerimanontolo, mpanao gazety maro sy mpitoraka bilaogy, ankoatr'ireo maro hafa. Mandinika lalina sy manadihady ity hetsika miavaka ity ireo mponin'ny aterineto.