· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Jona, 2011

Espana: Olona an-jatony Manao Fihetsiketsehana Manohitra Ny Fitondràna Siriana

  30 Jona 2011

Anjatony maro ireo olona nanao fihetsiketsehana tao Madrid ny Alahady teo ho fanehoana fanohanana ny vahoaka Siriana. Nanofàna fiara vaventy fitateram-bahoaka mba hitondràna ireo olona avy any amin'ny tanana Espaniola hafa mihitsy, toa an'i Valencia sy Granada. Nangatahan-dry zareo ny hampodiana ny masoivoho Siriana ao Espana, ny ny hamaizan'ny governemanta Espaniola ny governemanta Siriana, tompon'antoky ny fanampenam-bava lehibe indrindra mahazo ireo mafàna fo Siriana nandritra ny taompolo maro.

Ukraine: Fahatsiarovana sy sarin'i Chernobyl tamin'ny volana Aogositra 1986

Nigadona tany amin'ny Orinasa Famokarana Angovo nokleary any Chernobyl ny mpampiasa LJ av-strannik , i Aleksandr Strannik , monina any Mosko, tamin'ny tapaky ny volana Aogositra 1986, efa-bolana teo ho eo taorian'ny fipoahan'ny fitaovana fampandehanana #4 ny 26 Aprily, hanatrika ny ezaka fanadiovana amin'ny maha injeniora amin'ny fitsofana azy. Dimy amby roapolo taona taty aoriana, mizara ireo fahatsiarovany sy ny sary tamin'izany fotoana izany izy

Zeorzia: Governemanta 2.0

Amin'ny fananana mpisera Facebook 621.640 ao amin'ny firenena, Zeorzia no tafiditra lalina indrindra amin'ity valantserasera ity eo amin'ny faritra. Miezaka ny hahazo ny olona an-tserasera ankehitriny ny sampandraharaham-panjakana sy ny manam-pahefana.

Kiobà: Sambany hifampihaona ny mpisera Twitter

  21 Jona 2011

Nataon'i @leunamrguez (Leunam Rodríguez) ny fanambarana fisian'ny fihaonana voalohany eo amin'ny mpisera Twitter Kiobàna izay hotanterahina amin'ny voalohany volana jolay amin'ny efatra ora folakandro eo amin'ny fihaonan-dalana faha-23 sy faha-12 ao La Havanne. Andrasana fatratra na ao Kiobà na ety ivelany moa ity fihaonana ity.

Espana: Mivoatra ny Hetsi-Panoherana, Saingy Mbola Mitohy Mafàna Ny Raharaha

  14 Jona 2011

Ireo fanentanana nanomboka tamin'ny 15 May tao Espana dia nivadika niandàlana ho famoriam-bahoaka tao an-toerana, fivorivoriana ary karazana fandraisan'andraikitra maro samihafa nanerana ny firenena. Saingy mbola avo dia avo ny maripàna eny an-dalambe eny. Tamin'ny 11 Jona, tao Madrid renivohitra, niafara tamin'ny firotsahana an-tsehatry ny polisy namely ireo mpanao hetsi-panoherana ny fitorevahana iray.

Koety: Mpampiasa Twitter Shiita Voasambotra

Nasser Abul , tovolahy Shiita, avy ao Koety, nosamborina, araka ny fantatra, noho ny nandefany Tweet tao amin'ny vohikala fitorahana bilaogy kiritika, Twitter. Ity no fihazonana mpampiasa Twitter voalohany noho ny tweet nalefany teto amin'ny firenena. Nahatonga fisavorovorona tao amin'ny Twitter izany fisamborana izany, ka betsaka ireo nitaky ny famotsorana Azy.

Etazonia: Bilaogy Handinihana Indray Ny Tontolo Hispanika

  02 Jona 2011

Ao New York, ny tanàna tena Latino-Amerikana kokoa amin'ireo rehetra any Amerika, [es] araka ny fanambaran'i Claudio Iván Remeseira, dia tsapa ny firoborobon'ny kolotsaina sy zavakanto Espaniola". Tafaresaka tamin'io mpanao gazety fanta-daza sy mpitsikera ara-kolotsaina io ny Global Voices tao amin'ny bilaoginy Tetikasa Hipanika ao New York: (Tetikasa Tontolo miteny Espaniola) taratra iray mampiseho ny tena fijery ankapobeny izay mampanan-karena an'i New York sy ny firenena.