· Avrily, 2011

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Avrily, 2011

Pôrtô Rikô: Mitohy ny Adihevitra Momba ny Herisetra ao An-tokantrano

  28 Avrily 2011

Ao Portô Rikô, nangotraka ny adihevitra mikasika ny herisetra ao an-tokantrano. Bilaogy roa no nanaraka ny didy navoakan'ny Fitsarana an-tampony fa ireo iharan'ny herisetra ao anatin'ny fiarahana tsy ara-dalàna dia tsy voaaron'ny Lalàna 54 manohitra ny herisetra ao an-tokantrano. Ary vao haingana, ny fitsarana ambony ao San Juan (renivohitry ny firenena) no nanapa-kevitra fa tsy voaaron'ny Lalàna 54 ny vehivavy hafa niharan'ny herisetra tao an-tokantrano satria tsy ara-dalàna ny fiarahany tamin'ny olona nanao herisetra azy fa filàna ara-nofo fotsiny.

Ejipta: Mitolona Ho An'i Siria

Maro ireo Ejiptiana niaraka tamin'ireo mpianatra Siriana izay nitangorona nanoloana ny masoivoho Siriana tao Caire ho fanoherana ny famonoana mpitolona, ary niantso ho an'ny fiongananan'ny fitondràna Siriana entin'i Bashar Al Assad. Nihirahira ho firaisankina amin'ireo mpanao fihetsiketsehana Siriana ny mpitolona ary nivavaka ihany koa ho an'ireo namoy ny ainy nandritra ny tolona.

Rosia: Saripikan'i Moskoa, nanodidina ny taona 1931

Mpisera LJ nikolas11 no mizara [ru] sary vitsy mpanana ahitana an'i Moskoa nanodidina ny taona 1931 nopihan'i Branson DeCou, Mpivezivezin'ny taonjato XX sy mpaka sary. Sary nolokoina tanana mamelatra ny renivohitra Rosiana roa taona taorian'ny “Fiolahana Lehibe” ary nialoha ny nandravan'ny Bolshevika ny fiangonana maro tao Moskoa.

Azerbaijan: Novruz Bayramı

  22 Avrily 2011

Nomarihina indray ny Novruz, fialan-tsasatra hankalazaina any Iran, Afghanistan sy any amin'ireo firenena hafa, tany Azerbaijan ny 21 Martsa na dia nanomboka herinandro mialoha aza ny lanonana. Tsy niavaka akory ity taona ity, ary mbola nanakiana ny fotoana indray ny mpilatsaka an-tsitrapo avy amin'ny Corps de la Paix(PCV) avy ao amin'ny repoblika Soviet teo aloha .

Cote d'Ivoire : Mbola mitohy ny herisetra na dia efa voasambotra aza i Gbagbo

  16 Avrily 2011

Taorian'ny fisamborana azy ny 11 aprily 2011 lasa teo, niparitaka tamin'ny aterineto sy ny gazety iraisam-pirenena ny sarin'ny Filohan'i Cote d'Ivoire teo aloha Laurent Gbagbo sy ny vadiny ary ny manodidina azy. Sary iray manokana no niteraka fihetseham-po mahery vaika: ilay mpanao gazety Israël Yoroba, izay miasa ao amin'ny TV5 any Abidjan,...

Qatar: Fankafizana rotsak'orana

Tsy misy zavatra mahatonga ny olona hiresaka ankoatra ny fioan'ny toetr'andro, ary amin'ny firenena anjakan'ny tanihay, inona moa no hanaitaitra ankoatra ny orana? Nahazo sombin'orana kely ny mponina ao Qatar. Hatairana, tahotra, fikorontanan-tsaina ary faniriana mba hisiany bebe kokoa no tora-po nifangaro hita tao amin'ny Twitter.

Syria: Mofo dipaina sy Propagandy

Raha niditra amin'nyherinandro fahatelo ny fanoherana any Syria, dia nisy fileferana nataon'ny governemanta Assad mba hampitonena ny mpanao fihetsiketsehana. Androany dia nanakatona casino vaovao ao amin'ny fireneny ny fitondrana mba hahazoany sitraka amin'ny miozolomana mpitahiry nentin-drazana.

India: An-davitrisa ireo Nankalaza Ny Fandresena Azo Tamin'ny Fiadiana Ny Ho Tompondaka Erantany Amin'ny Cricket

  05 Avrily 2011

Ny Sabotsy 2 Aprily 2011, nanoratra ny tantara ireo "lehilahy mitafy manga" any India tao amin'ny toeram-pilalaovan'i Wankhede ao Mumbai rehefa resin-dry zareo tamina wickets enina i Sri Lanka ary nanandratra avo toy ny fomban'ny mpandresy ny Amboaran'ny Tompondaka Erantany amin'ny Cricket. Mitondra sary ho anareo izahay anehoana ny fihetseham-pon'ny tarika sy ny mpanohana azy ireo.