· Febroary, 2011

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Febroary, 2011

Frantsa:Fihetsiketsehana tao Parisy Manohitra ny Fitondrana Jadona ao Gabon

  28 Febroary 2011

Manodidina ny 7000 ireo olona nifamory teny an-dalambe tao Parisy renivohitra Frantsay mba haneho hevitra ho fanoherana ireo mpitondra jadona Afrikana sy ny governemanta Frantsay nampangaina ho niray tsikombakomba tamin'ireo fiondrana jadona Afrikana. ny -Sabotsy 26 Febroary 2011. Nanindahindra sora-baventy teo ivelan'ny tanànan'ny Filohan'i Gabon, izay mitentina 140 tapitrisa Euro ireo mpanao fihetsiketsehana.

Tonizia: Ny Fitsimbadihan'ny Hetsika Am-pilaminana Mankany Amin'ny Herisetra Mahery Vaika

Mitohy ireo hetsi-panoherana miantso fanovàna ara-politika tonga dia vavany sy fametraham-pialàn'ny priminisitra Mohammed Ghannoushi any Tonizia. Raha ny fahitàna azy, ny fionganan'ny filoha teo aloha Ben Ali dia tsy ampy ho an'ny ampahany maro amin-dry zareo Toniziana izay mitady ny hanilihana manontolo ireo mpitondra ary hanapahana izay mety ho fifandrohizana amin'ny omaly.

Libya: Fahafatesana mialoha ny Fahafahana (Lahatsary)

Ity lahatsoratra ity dia anisan'ny fitantarana manokana ataonay momba ny Fitroarana 2011 any Libya. Ao anatin'ny toe-draharaha mampidi-doza sady miova haingana dia haingana ao an-toerana – sy amin'ny alalan'ny serasera nomerika tsy dia tsara loatra – no anombohan'ny mponina any Libya mamoaka saripika sy lahatsarin'ny fitroarana manohitra an'i Muammar Al...

Gabon: Ny tolona tsy hita maso loatra

  21 Febroary 2011

Tsy nahombiazana tamin'ny lazany ny fanoherana tany Gabon teo amin'ny sehatry ny vaovao iraisam-pirenena fa mbola variana nitodika tany amin'ny krizin'i Ejipta ny olon-drehetra. Nanontany tena i Mohamed Keita ao amin'ny Komity hoan'ny Fiarovana ny mpanao gazety (CPJ) hoe “tsy maneho an-tsary ny tena sivana ny vaovao tsy marina” any...

Tanzania: Maneho hevitra momba ny fipoahana baomba tany amin'ny toby miaramila ny mpampiasa aterineto

  20 Febroary 2011

Olona 30 fara-fahakeliny no maty tamin'ny fipoahana baomba maromaro taorian'ny loza tamin'ny Alakamisy vao mangiran-dratsy tany amin'ny toby miaramilan'ny Gongo la Mboto any Dar es Salaam, Tanzania. 22 fara-fahakeliny ny olona maty tamin'ny 2009 taorian'ny fipoahana baomba mahatsiravina tany amin'ny toerana fametrahana ny fitaovam-piadiana tany amin'ny toby miaramila any Mbagala any Dar es Salaam. Ity dia fanatsongàna fanehoan-kevitra avy amin'ny tontolon'ny blaogy sy twitter.

Bahrain: Mipongatra ny Fanoherana Ao Amin'ny Hopitalin'i Salmaniya

Tonga hatrany amin'ny hopitalim-bahoaka lehibe indrindra eto amin'ny firenena ny sakoroka, taorian'ilay fanafihana niharo halozàna talohan'ny andro miposaka tamin'ny Alakamisy 17 Febroary natao an'ireo mpanao fihetsiketsehana tao amin'ny rond-point Lulu. Nanao hetsika ireo mpitsabo mba ho afaka manome fitsaboana maika ho an'ireo maratra ireo. Vakio raha te hahita ny zava-mitranga any.