· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Janoary, 2011

Frantsa: Filaharam-pireharehana Toniziana tany Parisy

  24 Janoary 2011

Anio, 15 Janoary, no manamarika ny "iray andro taoriana"sy ny andro voalohany naha-afaka an'i Tonizia tamin'i Ben Alia. Na eo aza ny ahiahiny momba ny herisetra tsy miato any Tonizia, ny havany ary ny hoavy, nampanantena tena ireo Toniziana 600 000 any Frantsa faindray andro any dia hifaly, hankalaza ary hizara fihetseham-po mahafinaritra iraisana. Ireto misy sary vitsivitsy avy amin'ny fampisehoana fireharehana Toniziana tany Parisy.

Sodana: Ny Fitsapan-kevibahoaka any atsimon'i Sodana, an-tsary

  10 Janoary 2011

Misy fitsapan-kevibahoaka iray mandeha amin'izao fotoana izao any Atsimon'i Sodana, ny 9 Janoary ka hatramin'ny 15 Janoary 2011 mba hijerena na hijanona ho isan'ny Sodana ihany ny tapany atsimo na tsia, na ho firenena iray mahaleotena. Ireto sary ireto dia mandrakitra ho tantara ny fitsapan-kevibahoaka any atsimon'i Sodana. Jereo ny...

Tonizia: “Azafady mba ambarao an'izao tontolo izao fa miala aina i Kasserine!”

Miasa andro aman'alina ireo Toniziana mponin'ny aterineto mba hampiseho amin'izao tontolo izao ny vonomoka mitranga ao amin'ny firenen-dry zareo. Ny zavatra izay nanonboka tamin'ny endrika fanoherana ny tsy fisian'asa raha nandoro ny tenany ny Toniziana iray vao 26 taona tao Sidi Bouzid tamin'ny volana lasa dia nandrehitra sy nampihanaka onjam-panoherana nanerana ny firenena iray manontolo. Ireto manaraka ireo ny fanehon-kevitra sasantsasany vao maraina be androany.

Velona indray ny Baolina kitra ao Indonezia

  04 Janoary 2011

Na dia resy tany Malezia tamin'ny famaranana ny fiadiana ny Amboaran'ny Federasionan'ny Baolina Kitra ASEAN aza, mbola manana nyh antony tokonyhanaovany fankalazana ihany ny ekipam-pirenen'i Indonezia. Noho ireo fandreseny tao anatin'ny fifaninanana, ny fitiavany ny an'ny tena sady velona indray ny fireharehana ny amin'ny baolina kitra eo amin'ny firenena.