· Desambra, 2010

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Desambra, 2010

Syria: Avelao hirotsaka ny ranomandry!

Toetrandro tsy nahazatra loatra narahan-tafiotra no nanamarika ny herinandro lasa teo tany amin'ny faritra maro tany Levant, raha nirotsaka ny orana efa nandrasana ela sy ny ranomandry tsy nampoizina nandrakotra izay rehetra taka-maso. Tao an-drenivohitra Siriana, sambany rakotra ranomandry indray ny arabe rehetra raha tsy nisy izany an-taona maro. Tao Damas, na dia misy ranomandry tsindraindray ihany aza, tsy dia mijanona ela eo ambonin'ny tany ireny.

Maraoka: Manara-maso ny fiantraikan'ny tondra-drano ireo mpitoraka bilaogy

Tamin'ny herinandro lasa, ireo orambe nivatravatra nanerana an'i Maraoka dia naha dobo rano faritra maro tao amin'ny firenena, nanapaka ny fifamoivoizana sy ny fifandraisana ary namoizana aina 30 raha kely indrindra, ka 24 tamin'ireo no maty raha nofaohan'ny ranobe ny fiara mpitatitra nitondra azy ireo tao Bouznika, atsimon'i Rabat renivohitra. Mizara ny tantaran'izy ireo mikasika ny orambe mivatravatra eto ireo mpitoraka bilaogy.