· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Jolay, 2010

Hong Kong: Mifanentana hiaro ny moron-dranomasin'i Tai Long Wan ny mponina

  24 Jolay 2010

Olona maro no mihevitra fa ala-tsimenitra no mandrafitra an'i Hong Kong noho ireo tranobe mijoalajoala ao aminy. Saigy ny zava-misy dia faritra tsy misy fivoarana ny 75 % n'ny velarantany amin'io tanàna io amin'ny ankapobeny. Endrika navelan'ny tantaran'ny fanjanahan-tany tsy niniana natao io, rehefa niezaka hampaharitra ny famatsiana rano tao an-tanàna...

Ginea: Eo am-piandrasana ny fihodinana faharoa amin'ireo fifidianana lazaina ho feno hosoka

  23 Jolay 2010

An-dàlana ny fifidianana ho filoham-pirenena hanan-tantara any Ginea raha efa akaiky hivoaka amin'ny fomba ofisialy ireo valim-pifidianana ofisialin'ny fiodinana voalohany . Nalamina ho amin'ny 1 Aogositra ny fihodinana faharoa [fr] noho ny fandinihana ireo lazaina ho hosoka ka nanisahana ny datin'ny 18 Jolay efa voalamina tany amboalohany. Toa milaza ny isam-bato tsy ofisialy tamin'ny fihodinana voalohany fa nanana vintana tsara hirosoana amin'ny fifidianana faharoa i Cellou Dalein Diallo sy i Alpha Condé . Na dia eo aza ireo fametrahana ahiahy maro mikasika ny fisiana hosoka eny an-tsefantsefany eny , ny fihetseham-po taratra amin'ny ankapobeny dia ny fahamaivanana sy ny fahafaham-po fa vita tsy nisy savorovoro ihany nony farany ny fanisam-bato, sy ny tahan'ny fandraisan'anjaran'ireo mpifidy marobe Tafiditra mavitrika amin'izany ihany koa ny tontolon'ny blaogy Gineana

Sina: Fijerim-bahiny ny Rantin'i Shanghai

  20 Jolay 2010

Nandia ny roa volana sahady amin'ny enim-bolana holalovany ny Ranty Manerantanin'i Shanghai . Tsy nipetrapetra-poana ny mpitoraka bilaogy mba hamantatra ny tanjon'ity fandaniam-bola goavana ity, sy hitantara ny fivoarana haingana dia haingana hita amin'ny moron-dalana izay vitsy dia vitsy no tsy tratran'ny fanomanana ity fotoan-dehibe ity. Ny fampirantiana , izay...

Togo: Manararaotra ny fivoaran'ny teknolojia ireo vehivavy sy ireo tanora

  18 Jolay 2010

Tamin'ny faha-17 Jona, nisokatra tany Ouagadougou, Burkina-Faso[fr] nyfihaonam-be panafrikana fahatelo mikasika ny fomba fampiasa tsara indrindra ny ICT [TIC amin'ny teny Frantsay; Teknolojian'ny Fampitambaovao sy ny Fifandraisana] any amin'ny tany miteny frantsay ao Afrika . Raha miompana kokoa amin'ireo ftetika hifehezana ny heloka bevava anaty Aterineto ny fihaonam-be, ireo tontolon'ny blaogy Togolezy kosa dia manararaotra sy miresaka ny tanjaky ny teknolojian'ny fampitam-baovao ho amin'ny fampandrosoana, indrindra fa ny vehivavy sy ny tanora