· Mey, 2010

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Mey, 2010

Rosia: Sarin'ny tondra-drano tany Môskoa

Alexey Yushenkov dia manapariaka andian-tsary nalainy nandritra ny tondra-drano izay nitranga tany amin'ireo lalambe izay isan'ny ivon-tananan'i Môskoa. Mizàra sary sahala saingy tamin'ny taona 2006 koa izy. Misy sary hafa mitatitra izany tondra-drano izany azo jerena ato sy ato.

Rosìa: Sary tany amin'ny “Zombie Mob”

Rà sandoka raofina aman-taonina,  ratra maro tsy ampoizina sy maty-mitsangana miriaria  ary biby mampivarahotsana samihafa no indray nameno ny araben'i Moskòa. Sary nalaina nandritra ny hetsika “Zombie Mob” [fifamotoan'ireo miakanjo sy maka-tahaka ireo mpilalao sarimihetsika mampatahotra] dia azo jerena ato, sy ato ary ato.

Fanambarana ireo mpandresy tamin'ny “Breaking Borders”

15 Mey 2010

Mba ho fankasitrahana ireo nampandroso ny fahalalahana maneho hevitra amin'ny internet, ny Google sy Global Voices dia namoaka ny anaran'ireo voalohany tamin'ny fifaninana Breaking Borders (Azerao ny sisintany). Ny fankasitrahana, notohanan'i Thomson Reuters, dia omena ho fankasitrahana ireo web nahafinaritra indrindra nataon'ny olontsotra na fikambanana niasa tamin-joto, nahery ary nahay niara-niasa hanadratana...

Orogoay: Tatitra an-tsary fanatanterahana sarinjatovo

  06 Mey 2010

Ny blaogy Con la Cámara en el Bolsillo [miaraka amin'ny saripika ao am-paosiko] dia mitatitra sy manapariaka sary avy any amin'ny faritry ny tanànan'ny Montevideo, (renivohitry) Orogoay. Vao tsy ela i Fonzi no nanapariaka tatitra an-tsary fanatanterahana sarinjatovo amin'ny rindrina iray [es].

Japàna: Karnavaly Cosplay

  06 Mey 2010

The Englishman [Ilay rahangahy Anglisy] dia manapariaka andian-tsary maromaron'ny Karnavaly Cosplay [fiakanjoana sy fakan-tahaka ireo mpilalao tantara sariitatra] any Ozaka, Japàna.