· Marsa, 2010

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Marsa, 2010

Dubai: Fahatsiarovana ny mpitoraka blaogy Iraniana Omid Reza Mirsayafi

  23 Marsa 2010

Teo amin'ny tanora 40 avy any amin'ny tendron-tany efatra no niaraka tao amina "cafe" iray any Dubai ho fahatsiarovana ny tsingerin-taona voalohan'ny nahafatesan'ilay mpitoraka blaogy Iraniana Omid Reza Mirsayafi, mpitoraka blaogy voalohany maty tany am-ponja. Nandray anjara tamin'ny alalana zava-kanto teny amin'ny kianjan'ny Hetsika 18 Marsa, OR318, ihany koa io fihaonana io.

Madagasikara: Hiatrika sazy ny mpitondra herintaona aty aoriana

  15 Marsa 2010

Eo ampanatonan'ny fitsingerenan'ny fanonganam-panjakana tamin'ny 17 marsa  2009  teto Madagasikara, iny dia efa mananontanona ihany koa ny  fanasaziana hampiharina amin'ny olona tsirairay amin'ireo mpitondra an'i Madagasikara amin'izao fotoana izao noho ny tsy fanajan'izy ireo ny fifanarahan'i Maputo izay efa nifaneken'ny mpandray anjara rehetra.  Tonga moa izao fanapahan-kevitra izao taorian'ny fampitandremana...