· Desambra, 2008

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Desambra, 2008

RD Kongo: Krismasy nampahonena

  26 Desambra 2008

Cedric Kalonji no manoratra ny noely ("ny noelinay ry zareo" an'Ny Nanahary) mampahonena nianany tao Kinshasa (miaraka amin'ny sary). Amin'izao fotoanan'ny krizy izao dia tahaka ny tsy mieritreritra te-hifety izany ny Kinois (mponina ao Kinshasa).

Brezila: Fanafody nahafaty trondro 80T tany Rio de Janerio

  13 Desambra 2008

Nisy fanafody pesta mahafaty niraraka tamin'ny reniranon'i Pirapetinga ka nahafaty 80 taonina trondro, lambondrano, sokatra, vorona ary biby hafa ihany koa. Ny tena naharatsy ny voina dia tao anatin'ny fotoanan'ny fitomboan'ny biby ahiana ho lany taranaka indrindra (fanatodizana sy fiterahana) no nisian'ity loza nataon'olombelona ity. 20 andro taty aorian'ny fampiatoana vao namintimpitina ny toe-draharaha ny orinasa tompon'antoka tamin'ity raharaha ity. Sary sy ny filazan'ny mpamaham-bolongana.

Isiraely: Vondrom-bavaka hiavian'ny orana

  13 Desambra 2008

Nirotsaka ihany tamin'ity herinandro ity ny oram-batravatran'ny ririnina taorian'ny fiandrasana azy am-bolana maro lasa izay ka nahatonga an'i Isiraely hisento. Niombom-bavaka hahatongavan'ny orana tokoa manko ny Jiosy, Miozolomana ary Kristiana hoy ny tatitry Maya Norton.

Gresy: Ilay gidragidran'ny tanora sy ny pôlisy tany an-toerana

  13 Desambra 2008

Nisy fihetsiketsehana sy gidragidra nahery vaika nataon'ny olona an'arivony nidina an-dalambe tao an-drenivohitry Gresy, Athena, nandritra ny telo andro, ho fanoherana ny fitifirana nataon'ny pôlisy nahafaty zatovolahy 15 taonaantsoina hoe Alexandros Grigoropoulos tao Athena faritry Exarchia tamin'ny 6 Desambra 2008 lasa teo. Niitatra vetivety hatrany Thesalonikia, tanàna lehibe faharoa any Gresy sy tany amin'ny tanàna hafa any an-toerana ny korontana. Ary nisy fifanandrinana hatrany Shipra aza. Araho an-tsary sy an-dahatsary ato ary izany.

Palestina: Saribakoly Mpampihorohoro

  11 Desambra 2008

"Inona ny kilalao mety hahafinaritra ny zanakao indrindra amin'ity taona ity noho ny kilalalo mitovy amin'ny mpampihorohoro Al-Qaeda?" hoy ny mpamaham-bolongana palestiniana Amerikana Nawal avy amin'ny Bloggin ' Banat. Notsehan'i Maya ny tantaran'ity saribakoly, novolavolaina araka ny fanaon'ny Lego, ary niteny hoe nahoana moa no tsy ho tonga eny ampelatanantsika izy ity.

Paragoay: Ny 100 andro voalohany nitondran'ny filoha Lugos

  09 Desambra 2008

Nandalo ny 100 andro voalohany nitondran'ny filoha Paragoaiana voafidy Fernando Lugo hatramin'ny nandraisany ny fitondrana tamin'ny volana aogositra lasa teo. Nangetaheta fanovana ny Paragoaiana, fanovana izany nantenaina be avy amin'ny Filoha vaovao, izay mpitondra fivavahana teo aloha, sy avy amin'ny governemantany. Nisy ary ny mpamaham-bolongana vitsivitsy naka fotoana hanoratana ny andro 100 voalohany nitondran'ny Filoha LUgo.

Madagasikara: Famakiam-boky mandehandeha hampirisihana vakinteny

  05 Desambra 2008

Tahina, mamaham-bolongana ao amin'ny Madagasikara tsy ilay sarimihetsika, no mamoaka sary vitsivitsy  ny “bibliobus”, famakiam-boky iray anaty fiarakodia mandehandeha, tetikasa iray entina hampiroboroboana ny famakianteny eto Antananarivo (en). Nohazavainy ary fa nahitana fahombiazana tanteraka ity tetikasa ity ho an'ny manodidina azy. ” Raha toa tsy afaka mankany amin'ny famakiam-boky ny...

Korea Avaratra any amin'ny bolongana

  02 Desambra 2008

Sarotra ny mahazo vaovao avy any Korea avaratra. Raha misy ny olona liana amin'io tanàna io dia tsy maintsy any amin'ny bolongana na dinika napetrak'ireo nitsidika farany io firenena io no todihiny ahafahany mihevitra momba ny toe-javamisy farany any amin'io firenena io. Hitsidika ny tanànan'i Kaesong isika amin'ity lahatsoratra ity, hanadihady ny anjerimanontolo vaovaon'i Pyongyang ary hanamarika ny hafatratry ny fitiavan'ny koreana tavaratra ny marika sarimpamantarana (pins) ny mpitondra ao aminy, eny fa na dia efa ivelan'ny fireneny aza izy.