Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Desambra, 2007
Tanzania : Nandramanareo ve ny loha-trondro maina ?
Ny mpiblaogy Pernille dia manoratra momba ny “chakula” (sakafo amin'ny fiteny Swahili) any Tanzania : « Rice, beans and ugali – after three months I've concluded that these are the most important Tanzanian food ingredients – and that it might never ever change. Well, sometimes there are small alterations: This...
Malayzia : Sarin'ny tondra-drano
Ny blaogy Kickedefella dia manapariaka sarin'ny tondra-drano any Kampung Gelang Mas – Nosy any amin'ny faritra Atsinan'i Malayzia : « According to one villager, this particular area has never been flooded before. However, what happened today was due to the damage at one of the dam in Southern Thailand. The...
Môzambika : Ravon'ny Inhambane sy ny mponina ao aminy
Ny mpiblaogy Jorge Rosmaninho dia manapariaka sary maro sy tatitra mikasika ny famangiany an'ny Inhambane, izay tanàna faran'ny meva indrindra sady tsara karakara any Môzambika raha araky ny filazany : « Gente simples que, nos intervalos da desgraça que é, por vezes, a vida de africano, apara relvados, planta roseiras,...
Oganda : Tsy ny iantsoana an-telefaonina ihany no ampiasana ny finday
Ny mpiblaogy Kenny dia mizara sary izay ahitana fa tsy ny iantsoana an-telefaonina ihany no ampiasana ny finday any Oganda: « Taken in Uganda last week, a great example of adaptive product development. In other words, giving customers what they want. » « [sary] nalaina tany Oganda tamin'ny herinandro lasa teo, ohatra goavana...
Shina : Haitao-trano hafa kely
Ny mpiblaogy Kenneth Tan dia mitatitra ao amin'ny blaogy Shanghaiist sarina haitao-trano hafa kely, miendrika : « You seriously have to give it to architects in Shanghai for coming up with something that catches your eye. It may not work all the time, but it will be at least different...
Shina : Rotaka teo amin'ny mpizahatany sy ny Pôlisy tany Makaô
Nisy rotaka nitranga tamin'ny Pôlisy any Makaô sy ny mpizahatany avy tamin'ny “tanibe” [Shina]. (Tamin'ny fanambarana farany, nolavin'ny mpitondra any Makaô ny fisian'izay rotaka tamin'ny Pôlisy, ambaran-dry zareo fa fanazaran-tena tsy lavitra teo no antom-pisian'ireo Pôlisy tany). Notaterina fa vondrona ahitana mpizahatany mihoatry ny 100 no nifanolana tamin'ireo tompon-tany mpitarika fizahantany [guide] momba famangiana ny...
Nizeria : Manja ireo solosaina-findainay
Ny mpiblaogy Sokari dia manapariaka sarina mpianatra maro mirongo solosaina any Nizeria [ireo solosaina-finday maitso mora vidy (100$) izay novokarina manokana ahafahan'ireo ankizy mpianatra any amin'ny faritra ambanivohitra any amin'ny firenena andalam-pandrosoana mampiasa Aterineto] : « We love our green laptops » « Tena manja ireto solosaina-findainay maitso ireto »...
Kyrgyzstana : Tanteraka ilay hetsika tselatra ho fahatsiarovana ilay mpanao gazety nisy namono
Ho fahatsiarovana ny faha-40 andro namonoanan'ny sasany ny mpanao gazety Alisher Saipov tany Osh, ny blaogy Timurrs dia manapariaka ireo sary nalaina nandritra ny hetsika notanterahina tany Bishkek, Kyrgyzstana. Tsahivina fa i Alisher Saipov, Ozbeka dia sangany tamin'ireo mpanao gazety any an-toerana. [Ity dia mbola tohin’ilay lahantsoratra efa notaterina teto...