· Novambra, 2007

Tantara mikasika ny Sary tamin'ny Novambra, 2007

Marôka : Any Medinà i Leonardo Di Caprio

  29 Novambra 2007

Ny mpiblaogy Marôkana Adliski dia mitatitra sy mampita sary tamin'ny nahitany ny mpilalao sarimihetsika Amerikana Leonardo Di Caprio mandakadaka baolina teny amorontsiraka sy mandehadeha mizaha-tany any amin'ny ivon-tanàna antitr'i Medinà. I Leonardo Di Caprio dia eo am-pitifirana ny sarimihetsika « Body of Lies » izay tontosain'i Ridley Scott any Marôka ankehitriny. Zendana ny mpametraka hafatra mahita...

Iran : Ny Miaramila Amerikana sy ny ankizy

  27 Novambra 2007

Ny blaogy Razeno any Iran dia mametraka sary maromaro izay ahitana miaramila Amerikana mikarakara ankizy any Irak. Araky ny ambaran'ity mpiblaogy ity dia tsy mba fahita amin'ny fampahalalam-baovao Iraniana na oviana na oviana ny sary toy izao. Tsy lavina hoy Razeno ho fanampiny, fa tantara matroka no sarihin'ny ady, anefa tsindraindray dia mba ahitana...

Japàna : Lalao fifanintonana kilaoty

  21 Novambra 2007

Ny mpiblaogy Lee dia manoratra ao amin'ny blaogy Tokyo Times momba ny lalao Japoney ifanintonana kilaoty : « The grace of the geisha or traditional tea ceremony’s gentle movements are famous facets of Japanese culture, but for the tourist after a true insight into this beguiling country, then attending a...

Fanjakana Mitambatra (UK) : Omeo rariny itompokolahy Jean Charles de Menezes

  20 Novambra 2007

Ny mpiblaogy Joty dia mitatitra fa hivory ny Alakamisy 22 Novambra 2007 izao ny Sampandraharaha mikasika ny Polisy an-tanan-dehibe Anglisy [MPA | Metropolitan Police Authority] handray fanapahan-kevitra momba izay hanamelohana na tsia an'i Ian Blair, Polisy Anglisy nitifitra an-doha sy namono an'i Jean Charles de Menezes, tsy manan-keloka Breziliana, tamin'ny taona 2005  :...

Sierra Leôna : Mandro ao anaty sô

  13 Novambra 2007

Ny mpiblaogy Sandra monina any Freetown, dia mitatitra mikasika ny fandroana ao anaty sô fahita any Sierra Leôna : « In my last post, I mentioned having to take a bucket shower. To some this may sound strange. But for most people in Sierra Leone, this is daily routine. »...

Arabia Saodìta : Varotra akanjo jefijefy

  09 Novambra 2007

Ao ambanin'ny voaly matevina sy ambadik'ireo vavahady vy tsara ambina, misy amin'ireo vehivavy Saodiana no tsy misalasala ny ho jefijefy [sexy] rehefa mifidy izay iakanjoany ao amin'ny manginginan'ny trano fandriana. Arahiny porofo an-tsary dia ambaran'ny mpiblaogy Nzingha amintsika, fa mba jefijefy koa na dia ny vehivavy any amin'izay firenena faran'izay...

Emirà Arabo Mitambatra : Nilatsaka ny orana tany Dobay !

  07 Novambra 2007

Ny mpiblaogy Seabee izay monina any Dobay dia tsindrian-daona be ihany mitatitra sy mametraka sary satria nilatsaka ny orana [erikerika] tany Dobay : « I can't remember the last time we had rain – sometime last winter obviously – but we had a little bit today.  » « Tsy tsaroako intsony izay...