The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Sary

RSS ho an i Sary

2009-10-27

Tao amin'ny fetiben'ny mpamaham-bolongana indonezianaSary postVideo post

Nitsidika ny fetiben'ny mpamaham-bolongana indoneziana na PestaBlogger 2009 izahay. Ity no fanintelony nanaovana ity fihaonana isan-taona ity. Avy any amin'ny vazantany efatra ao amin'ity firenena lehibe iray ity ny mpamaham-bolongana ka namonjy an'i Jakarta renivohitra, hankalaza, hiady hevitra ary hanala azy [hivory].

2009-10-25

Porto Rico: Fanadiovan-tsolika nipoakaSary postVideo post

Nirefotra tanteraka tamin'ny zoma 23 oktobra teo tamin'ny 12 sy sasany atoandro ny fanadiovan-tsolika an'i Gulf Oil (Caribbean Petroleum Company-CAPECO) ao Bayamón, Porto Rico. Saika ny fitoeran-tsolika 20 no nipoaka avokoa, mbola misy afo mirehitra hatrany na dia efa voafehy aza, ary tsy nitsahatra nandrakotra ny lanitra ny andriafo. ...

2009-10-13

Nanintona ny mpankafy TIC avy any amin'ny faritra ny Barcamp tao Phnom PenhSary postVideo post

Nandray ny Barcamp Phnom Penh ny tontolo teknolojika Kambôjiana tamin'ny fiandohan'ity volana ity. Ankoatra ny fahamaroan'ny mpanatrika avy ao an-toerana, dia nanintona mpandray anjara avy amin'ny firenena manodidina ihany koa ity Barcamp ity. Niresaka momba ny teknolojia sy ny hevitra hampiasana ny fitaovam-piseraserana avo lenta isan-karazany ho fampandrosoana ny mpandray anjara. Atolotra ho fahafinaretan'ny maso ho anao ny sary sy ny lahatsary tamin'io fotoana io.

2009-10-05

Filipina: tondra-drano namoa-doza indrindra tanatin'ny 40 taonaSary postVideo post

Olona 50 mahery no maty nandritra ny fandalovan'ny rivo-doza "Ondoy" (Kestana) nahazo ny faritra any Manille sy ny manodidina azy rehetra. Niteraka tondra-drano mbola tsy nisy toa azy tato aantin'ny 40 taona ity rivo-doza ity ary olona 280 000 no nafindra toerana tany Manille sy ny faritra 5 hafa, olona ...

2009-09-17

Iran: Miomana hihetsika mafimafy kokoa amin'ny andron'ny QudsSary postVideo post

Mbola mihaika ny fitondrana islamika amin'ny fomba maro samihafa ihany ny hetsi-panoherana ao Iran, hatramin'ny fiantsoana ‘Allaho Akbar' (Lehibe Andriamanitra) hatreny an-tampon-trano amin'ny alina (fifampiarahabana hatramin'ny fotoanan'ny fanoherana) mandra-pahatongan'ny fihetsiketsehana amin'ny Andron'i Quds (Jerosalema). Ny andron'i Quds, voambolana Arabo milaza an'i Jerosalema — dia hotontosaina ny 18 septambra amin'ity ...

2009-08-31

Afganistana: Androm-pifidianana an-tsarySary post

Amin'izao fifidianana faharoa ho an'ny firenena izao, ireo mpitoraka blaogy an-tsary dia nizara sarin'ireo fifidianana mampiseho ny fisian'ny miaramila sy ny fahavitrihan'ny mpifidy.

2009-07-15

Iran: Mitohy indray ny fanoherana ny Fanjakana IslamistaSary postVideo post

Ny alakamisy lasa teo dia nihorakoraka tao Téhéran ny mpanao fihetsiketsehana anarivony nanao hoe: "aoka izay ny didy jadona" sy ny hoe "lehibe Andriamanitra", mihantsy ny fanambarana navoakan'ny fitondrana fa tsy azo ekena ny fihetsiketsehana manodidina ny voka-pifidianana filoham-pirenena natao ny 12 jona lasa teo. Natao hahatsiarovana ny fahafolo taonan'ny fihetsiketsehana ...

2009-05-30

Sina sy Hong Kong: sary amin'ny T-shirt ho fahatsiarovana ny hetsika 4 Jona.Sary post

Isan-taona, mialoha ny fahatsiarovana ny 4 Jona( Kianjan'i Tianamen , 1989), no tian'ny mponina ao Hong Kong hanaovana fihetsiketsehana hitadiavana ny rariny. Amin’ity taona ity dia ny andron’ny 31 May no anaovana ny fihaonambe ho fahatsiarovana ny faha-20 taonan’izany. Ankoatra izany dia hisy ny fitondrana labozia amin'ny alin’ny 4 Jona izay hiarahan’ny vahoaka ...