The Global Voices Lingua project hopes to bring GV content to new linguistic audiences - Details

Also in:

Asongadina

RSS ho an i Asongadina

2009-11-03

Fampidirana ny Threatened Voices [feo voarahona]

Anio, namoaka vohikala vaovao antsoina hoe Threatened Voices [Feo voarahona] ny Global Voices Advocacy [Global Voices mpisolovava] ho entina manaramaso ny fanapenam-bava an-tserasera. Mampiseho ny sarintanin'izao tontolo izao sy ny fivoarana misy ka hanampy amin'ny fitopaza-maso ny trangam-pandrahonana sy fisamborana mety hahazo ny mpamaham-bolongana manerantany izy io, ary ho ivon-tsehatra fanangonam-baovao avy aminn'y fikambanana sy mpikatroka tena mavitrika.

Irana: Afaho i Hossein Derakhshan

Ao anatin'ny faha-herintaonan'ny namonjàna ilay Iraniana mpitoraka blaogy naha-be resaka, Hossein Derakshan, dia mandefa fanentanana ireo mpiray tanindrazana aminy mba hitazonana ny saina tsy hatoritory momba ity famonjàna azy ity.

2009-10-26

Fitondrana vohoka sy ny fonja: Ny fahasalamana sy ny zon'ny vehivavy voafonjaVideo post

Conversations for a Better World
Mbola tolona hatramin'izao ny hiantohana ny zon'ny vehivavy bevohoka manerantany, ary raha tarafina aza, dia voaramaso [ara-pahasalamana?] tafahoatra matetika ny vehivavy bevohoka voafonja. Inona avy moa ny dingana efa vita hanamarihana fa voakarakara tsara izy ireo, miaraka amin'ny [menaky ny] aina entin'izy ireo?

2009-10-21

Blog action day 2009: Miresaka momba ny fiovaovan'ny toetr'andro ireo tetikasa vatsian'ny Rising Voices

Rising Voices
Androany [15 oktobra] no Blog Action Day ary kendren'ity hetsika isan-taona ity ny hanambarana ny mpamaham-bolongana manerantany hanoratra lohahevitra tokana mba hampahafantarana sy hanentanana izao tontolo izao hiresaka ilay lohahevitra. Misy amin'ireo mpikambana ao amin'ny Rising Voices ary no nandray anjara tamin'ity hetsika ity ka entinay aminareo etoana ny fantina ...

2009-10-18

Porto Rico: Vonona ho amin'ilay fitokonana nasionalyVideo post

Mivonona ho amin'ny fitokonanana nasionaly hatao amin'ny Alakamisy 15 Oktobra, izay mikendry ny hampikatso ny firenena mandritra ny andro iray i Porto Rico sy ny mpitoraka blaogy ao aminy.

2009-10-15

Sina: Fibahànana ireo rindrambaiko natao ho an'ny sarambabe ao amin'ny Twitter

Tanatin'ny andro maromaro izao, nitatitra ireo Sinoa mpampiasa twitter fa nobahanan'ny sivana Sinoa ny ankamaroan'ireo rindrambaiko natao ho an'ny sarambabe ao amin'ny  Twitter. Hatrany amin'ny fiandohan'ity taona ity izay nandidiana ny hanakatonana ny Fanfou, vohikala Sinoa fitorahana bolongana, maro tamin'ireo mpitoraka blaogy no nikisaka nankany amin'ny  Twitter mba hanapariaka ny heviny. ...

2009-10-11

Mbola tolona mafotaka ny an'ny mpamaham-bolongan'i Gabon

Nandeha nankany Gabon hanampy amin'ny fitateram-baovao amin'ny alalan'ny Twitter, facebook ary ny bolongana samihafa ny mpandika teny ao amin'ny Global Voices teny malagasy Adriankoto Harinjaka Ratozamanana fa tandindonin-doza ny mpanao gazety ao. INdro ary ny fitantarany.

2009-10-04

Indonezia: Horohorontany goavana nahazo an'i Sumatra Andrefana

Simban'ny horohorontany indray Sumatra Andrefana, morotsirak'i Padang.