Tantara mikasika ny Tanora
‘Revolisiona Lohataona’ Myanmar any Etazonia
"Tena zava-dehibe ho an’ny fandresenay ny fanohanana faobe, ny hetsi-panoherana ary ny fanabeazana ara-politikan'ny vondrom-piarahamonina Birmana any ampitan-dranomasina ho an'ny Revolisiona Lohataona."
Senegaly: Bassirou Diomaye Faye no atolotry ny antoko mpanohitra ho amin'ny fifidianana filoham-pirenena 2024
Tsy mifaninana ho filoham-pirenena ao Sénégal intsony i Ousmane Sonko, kandidà voalohany an'ny mpanohitra, saingy nanondro an'i Bassirou Diomaye Faye, sekreteran'ny antokony ho kandidà.
Bosniaka mpamonjy voina an-tsitrapo: Herim-po, fitarihana ary firaisankina
Mijoro amim-pireharehana ho andry eo anivon'ny fiarahamonina ny Departemantan'ny Vonjy Voina ao Turbe, afovoan'i Bosnia sy Herzegovina. Manolo-tena am-pitiavana amin'ny fanavotana sy ny fiarovana ny mpiray firenena aminy ireo mpikambana 50 ao aminy, anisan'izany ny tanora mpirotsaka an-tsitrapo miisa 28.
Nanoratra hira rap mitaky ny rariny ho an'ny ray aman-dreniny novoina ilay mpikatroka manohitra ny fitondrana miaramila ao Myanmar
"Te hamorona sangan'asa haharitra aho ary mitaky ny rariny ho an'ny ray aman-dreniko, raha maty alohan'ny hahombiazan'ny revolisiona."
Ny fomba ataon'ireo tanora avy any ambanivohitr'i São Paulo hidirana amin'ny sehatra pôlitika
Tsy misy herintaona akory mialoha ny fifidianana ben'ny tanàna hatao amin'ny 2024 ao Brezila, maneho ny fitakian-dry zareo manokana ireo tanora avy any ambanivohitra, momba ny fandaharanasa pôlitikam-pitondràna ao anatiny sy ivelan'ireo antoko
Any Taiwan, mankalaza ny fahasamihafan'ny lahy sy ny vavy ny hetsika Diabem-pireharehan'ny Pelaka lehibe indrindra any Azia
Ity misy lahatsoratra an-tsary mampiseho ny hetsika Diabem-pireharehan'ny Pelaka faha-21 tao Taiwan, ao Taipei, fantatra ihany koa ho hetsika lehibe indrindra hita maso any Azia ho an'ny vondrom-piarahamonina LGBTQ+, ary nahitana mpandray anjara teo amin'ny 170.000 tamin'ity taona ity.
Fahafatesana mahatsiravin'i Mohbad : Ny rariny sy fanamelohana no takian'ireo Nizeriàna
Mihoatra ny 260.000 ireo olona nanao sonia ny fanangonantsonia iray ho fandraràna ny Marlian Music, marika fandraketan'ilay mpihira gadona Afrobeats
Miantso hisian'ny fampiatìna sy fiarovana bebe kokoa ireo vondrom-piarahamonina marefo ny fihaonana ara-toetrandro tao Singapaoro
"Mino izahay fa zava-dehibe ny hetsika iombonana — ny fihetsiketsehana sy ny famoriam-bahoaka manerana an'izao tontolo izao tahaka izao no nanampy hanosika ny governemanta hanao politika matanjaka kokoa momba ny toetrandro."
Ny fiantraikan'ny fikorontanan'ny toetrandro amin'ny ala, rano ary ranomasin'i Trinidad
Tsy isalasalana fa efa tsapa sahady any amin'ny Fanjakana Nosy Kely Andalam-pandrosoana toa an'i Karaiba ny fiovaovan'ny toetr'andro, amin'ny maripana mafàna miharihary kokoa sy ny fiantraikany ratsy tsy ampoizina amin'ny lamin'ny toetr'andro.
Mbola mamiratra sy manome aingam-panahy hatrany ireo taranaka nahazo medaly volamenan'ny mpanao ady tolona ao Kyrgyzstan
Mialoha ny Lalao Olaimpika fahavaratra 2024 any Paris, ankinina amin'izy ireo ny fanantenan'ny firenena handrombaka medaly volamena Olaimpika, izay mbola tsy azon'i Kyrgyzstan.