Global Voices teny Malagasy » Tanora
Rosia: misaona ny fahafatesana tanora miady amin'ny fasisma
Tanora miady amin'ny fasisma anjatony no nivory tao ampovoan-tanànan'i Moskoa. Misaona ny namonoan'ny neo-nazi an'i Ivan Khutorskoy, mpikatroka ao amin'ny “Antifa,” hetsika rosiana manohitra ny fasisma ry zareo.  Nolazain'ny [ENG] mpamaham-bolongana chtodelat fa ity no vono nihatra aman'aina fahaenina tamin'ny mpikambana amin'ny “Antifa” tao Rosia tao anatin'ny taona vitsivitsy. Azonao jerena ato [RUS] ny saripikan'izany fivoriana izany izay nalain'i lj-user ottenki_serogo.
Alexey Sidorenko
Malawi: Fanatanjahan-tena sy Kamkwanba, ilay tovolahy namokatra angovo avy amin'ny rivotra
Na dia mangina aza ny tontolon'ny bilaogy amin'ny ankapobeny dia nisy zava-niseho maro tany Malawi tato anatin'ny herinandro vitsivitsy izay.
Vao tamin'ny faran'ny herinandro teo dia nanao ady sahala tamin'ny Elefantan'i Côte d'Ivoire i Malawi ary anisan'ny mpilalao tamin'izany i Didier Drogba, mpilalao avy any Chelsea. Tao amin'ny kianjan'ny Kamuzu no natao ny lalao. Buckaro Thandi no nanoratra mikasika ny ady mafy natrehan'i Malawi nanoloana ny Elefanta:
Hoy izy nanoratra fohy:
Arahabaina fa nanao ady sahala tamin'i Cote d'Ivoire. Tena nahafinaritra. Horakoraka be!
Any amin'ny lahatsoratra nataony taloha no nilazany ny alahelony noho ny tsy fahampian'ny herinaratra vokarin'ny ESCOM any Malawi. Tsy nino izy hoe 2% ny mponina any an-toerana ihany no mahazo herinaratra (ny tena marina dia 8%). Noho izany dia nahafinaritra azy ny tantaran'ilay tovolahy antsoina hoe William Kamwamba, 21 taona,  izay efa ho 7 taona izao no nanamboatra milina famokarana angovo avy amin'ny rivotra ary vao nivoaka boky vao haingana.
Ny lohatenin'ny boky dia hoe “Ilay tovolahy nitrandraka rivotra “
Ahafahana mamokatra herinaratra hampirehetana takamoa maromaro sy hihainoana vata fandraisam-peo any an-tokantrano ity milina ity. Lasa fanta-daza i William tato anatin'ny 3 taona izay raha narahan'ny mpanao gazetin'ny Daily Times ny tantarany tany Kasungu  tokony ho 150 km miala ny renivohitra Malawi. Ankehitriny ilay mpianatra ao amin'ny anjerimanontolon'ny Africa Leadership Academy, hireharehan'i Malawi tokoa i William ary lasa olo-malaza atao loohatenin-gazety sy firesaka ao amin'ny aterineto.
Ndagha no mitantara ny fifandraisany manokana amin'ity tovolahy:
Rehefa mifandray aminy, dia mahatsapa ny fitiavany hampivoatra ny lafiny elektronika any Malawi sy ny any ivelany aza. Mpirona kokoa any amin'ireo sahirana izy satria ny tantarany manokana dia mitovy amin'ny fanamby atrehin'ny fianakaviany sy ireo teratany Malawita maro hafa koa. Tovolahy tapa-kevitra amin'ny fanovana tiany hatao izy. Heveriko fa arakaraky ny maha eo azy dia mitombo hatrany ny hetezerany manoloana ny lafiny angovo any Malawi. Rehefa tonga ny fotoana mahamety azy, dia azoko antoka fa mbola hahavita zavatra goavana izy.
Noho izany na dia mangina aza ny tontolon'ny bilaogy dia misy ihany ny zavatra miseho sady resahan'izao tontolo izao.
Victor Kaonga
Nanintona ny mpankafy TIC avy any amin'ny faritra ny Barcamp tao Phnom Penh
Nanomanana Barcamp fanao isan-taona tao amin'ny Anjerimanontolon'i Paññasastra ao Kambôdja tamin'ny fiandohan'ity volana ity.
Ireo nisoratra anarana hanatontosa ny Barcamp Phnom Penh Barcamp. Ity no taona faharoa nanatontosana Barcamp tao Phnom Penh. Efa nanao vovonana ny mpamaham-bolongana Kambôjiana tamin'ny 2007.
Tsy misy lisitry ny handray fitenenana, na manampahefana hikabary, amin'izany Barcamp izany. Afa-miteny avokoa izay manatrika barcamp rehetra.
Mpanatrika Barcamp mieritreritra izay lohahevitra hataony.
Ny hany ataonao dia ny mametaka lohahevitrao eo amin'ny solaitraben'ny [fafana] fandaharam-potoana sy ny manangona olona maromaro handray anjara amin'ny anjara fotoananao.
Ireo handray fitenenana eo ampikarakarana ny halahany rehefa nametraka ny lohahevitra hodinihiny eo amin'ny solaitrabe.
Mihamalaza tahaka ny any amin'ny faritra hafa ihany koa izany Barcamp izany any Azia Atsimo Atsinanana. Manintsona ny olona ny hetsika tsy misy antanatohatra, ary asaina avokoa ny rehetra hizara ny fahalalany.
Ireo mpandray anjara mijery izay lohahevitra hatrehiny.
Kambôjiana eo ampanolorana fifampizarana tsara fehy.
Sajal avy any Thailand miresaka ny fanatsarana atao amin'ny vohikala vaovao mba ho mora hita kokoa ao amin'ny Google.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="480" height="385" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/Ty0iHmGPiJY&hl=en&fs=1&rel=0" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="480" height="385" src="http://www.youtube.com/v/Ty0iHmGPiJY&hl=en&fs=1&rel=0" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Fotoana amin'ny teny Khmer
Fahamaroan'isan'ny vahiny ivelan'ny firenena be indrindra nanatrika ny barcamp tao Phnom Penh.
Navitrika dia navitrika tamin'ny fitadiavana namana hiray donak'afo aminy  tamin'ny alalan'ny aterineto ny mpamaham-bolongna sy ny mpiasan'ny teknolojia Kambojiana. Tsy miambàkavaka amin'ny teny anglisy ny tanora Kambôjiana ary mampiasa matetika amin'ny teny anglisy, izany no ahazoany olona maro kokoa avy any amin'ny firenenkafa.
Maro tokoa ireo fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana any Kambodja no mitrandraka ny fomba fampiasana ny aterineto sy ny teknolojia amin'ny fampandrosoana sy ny fahasalamana. Fotoana nanararaotana ny hijerena ny asan'izy ireny ny Barcamp any Kambodja.
Mitsiky eo anelanela'ny takelaka dokambarotra i Pagna angasy nananana sy vy nahitana tamin'ny fanatontosana ny Barcamp tao Phnom Penh.
Ny tena mampiavaka ny fihetsiketsehana miresaka teknika any Kambodja dia ny fahamaroan'isan'ny vehivavy mpandray anjara. Tsy vitan'ny mandray anjara tsotra fotsiny izy ireo fa mikarakara sy manolotra lohahevitra ihany koa.
Thomas, mpamaham-bolongana sy mpandray feo avy any Alemaina, miresaka momba ny MindMapping [manao endrika an-tsarintany ny eritreritra?]. Tsy mianona amin'ny resaka teknolojia ihany ny fandaharam-potoana. Eo ihany koa ireo miresaka ny fanolorantena, serasera sosialy, fanabeazana ary ny lalao.
Ny mpanatrika Thai-Japoney 31o5 miresaka momba ny tetika [systeme] iray ahafahan'ny tsirairay mampiditra ny nofinofiny sy manadihady azy ireny [na mametraka ny nofiny sy mandinika izay lazainy].
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="480" height="385" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/M5ZFg6mHzhA&hl=en&fs=1&rel=0" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="480" height="385" src="http://www.youtube.com/v/M5ZFg6mHzhA&hl=en&fs=1&rel=0" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Ny mpandray anjara Vietnamiana Hung miresaka ny momba ny serasera sosialy any Vietnam
Tamin'ny fomba ahoana moa no nahazoan'i Kambodja olona avy amin'ny firenena manodidina hanatrika ny fotoana? Ankoatra ny fahaiza-manaon'ny tanora, dia singa iray lehibe ihany koa ny fitomboan'ny tetibola ho an'ny fifamoioizana an-habakabaka izay mahatonga ny fivezivezena ho mora. Be ihany koa ny hofantrano [na hofana trano fandraisam-bahiny] any Kambodja. Samy mandoa ny laniny amin'ny diany sy ny fivahiniany ny tsirairay, izany toe-javatra ara-toe-karena izany no mampazoto ny olona ho any.
Mpikarakara sasany eo ampialana sasatra vetivety. Araka ny hitanao dia tanora Kambojiana tia ny haitao ny akamaroan'izy ireo. Eo ampitondrana ny revolisiona [sy politika] teknolojika sy fampahalalam-baovao tokoa ny tanora any Kambodja ary mavitrika amin'ny fampiasana Facebook, Twitter ary ny fitaovan'ny bolongana.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="480" height="385" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/XnK7oYstrqE&hl=en&fs=1&rel=0" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="480" height="385" src="http://www.youtube.com/v/XnK7oYstrqE&hl=en&fs=1&rel=0" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Pagna (Kambojiana) miresaka amin'i SK (Thailandey) amin'ny antony mahatonga ny tanora Kambojiana ho mailaka kokoa noho ny Thailandey. Efa hatramin'ny taona maro ny tany Thailand no efa vita amin'ny tenindreniny ny fanovozam-pahalalana resaka solosaina. Ny ankamaroan'ny Kambojiana kosa indray dia tamin'ny teny anglisy no nanaovany dingana voalohany ny fahalalana sy ny fampiasana ny solosaina.
Manana olam-pifandraisana noho ny fiadiana ny ho tompon'ny tempoly iray i Thailand sy i Kambodja. Nahafinaritra ery ny nahita ny tanoran'ny roa tonta miara-mipetraka sy miady hevitra ary mifampianatra.
Miresaka momba ny camp teknolojika sy fampahalalam-baovao [mety hataony] any amin'ny faritra antsoina hoe Camp TIC Mekong ny mpanatrika Thailandey ary maka hevitraamin'izay atrehiny.
Tamas, mpandray anjara Hongroà-Thai miresaka momba ny fototry ny fitoriana fototry ny aterineto sy ny teknolojia.
Tapitra teo ny Barcamp Phnom Penh ary manantena ny hihaona aminao indray amin'ny herintaona.
Jereo koa: Tharum Bun's account of Barcamp Phnom Penh 2009
Preetam Rai
Abidjan Blog Camps: Ny atrikasa voalohany
Nikarakara ny fandaharam-pampiofanana ny fampitam-baovaon'olo-tsotra  voalohany tamin'ity volana ity (septambra) ny Abidjan Blog Camps izay tetikasa vatsian'ny Rising Voices.
Roger Kassé no manome fanampim-baovao momba ny atrikasa notontosaina ny 3 Septambra 2009:
Noho ny fandraisana andraikitry ny sendikàn'ny mpanao  gazety ao Côte d'Ivoire (UNJCI), sy ny niarahany niasa tamin'ny Fikambanana I3C, dia nisy seminera fampiofanana momba ny ‘Fanaovan-gazety sy ny fitoraham-blaogy' notontosaina tao amin'ny Tranoben'ny fanaovan-gazety tao Abidjan. Natrehana mpanao gazety folo avy amina fampahalalam-baovao Ivoriana isan-karazany izany fampiofanana izany.
Nanao fampidirana fahalalana ireo karazam-pitaovana fampiasan'olo-tsotra tamin'ny mpandray anjara sy nampianatra azy ireo hitoraka blaogy [edit: mmaham-bolongana]i Théophile Kouamouo (mpanao gazety mpitoraka blaogy) sy i Manasseh Dehé (injenieran'ny solosaina). Ankoatra ny fianarana an-tsoratra dia mandray anjara amin'ireo asa fampiharana koa ireo mpitoraka blaogy vaovao.
Manoratra [fr] momba ilay atrikasa i Théophile Kouamouo :
Fantatr'izy ireo - indrindra ireo tanora - fa mivoatra ny asan-dry zareo. Efa namorona blaogy roa ry zareo, ny iray an'i Roger sy Cynthia, manampy ny an'i Prosper, izay efa nisy. Kaonty Twitter maromaro koa no noforonina.
Tena singa mpanova tokoa fa lasa evanjelisitry fitoraham-blaogy  ireo mpanao gazety izay nanatrika ny fiofanana. Navoaka tao amin'ny Le Nouveau Réveil, L'Expression, Fraternité-Matin, AIP, etc. … ireo lahatsoratr'izy ireo. Nahazo fotoana niresahana momba ny media an-tserasera sy ny blaogy izahay tao amin'ny Radio Côte d'Ivoire sy Radio Jam. (dika teny nataon'ny masinina)
Nampahalala ny vaovao momba ilay raharaha fakom-poizina nararaka tamin'ny 2006 avy tamin'ilay sambo Probo Koala i Roger Kassé.
Nanoratra tatitra mahaliana momba ireo mpanambaka amin'ny aterineto, antsoina koa hoe “mpihinam-bilona” koa i Roger:
Matetika ry zareo no manao sarim-bavy na miray tsikombakomba amin'ireo vehivavy manam-pahaizana amin'ny fanaovam-pitaka amin'ny aterineto. Ny mipetraka any Eoropa no kendren'izy ireo hofitahina. Tao anatin'ny folo taona dia lasa ivotoeran'ny fanaovana heloka bevava an-tserasera i Abidjan noho ireny “mpihinam-bilona” ireny. Ao anatin'ilay tambajotra lehibe avy any Nizeria ireo mpamitaka amin'ny aterineto ireny. Tsotra ny fanaon-dry zareo. Akorontan-dry zareo ny tontolon'ny aterineto any Abidjan. Ireo tambajotra sosialy tahaka an-dry Facebook na vohikala fikarajiana [chat] no tena tian-dry zareo. (dika teny nataon'ny masinina)
Manazava i Cinthia R Aka fa mitady ny fomba rehetra ny mpanao haivarotra hisarihana mpanjifa:
Tsy lany hevitra mihitsy ireo mpivarotra akanjo, kojakoja fikarakaram-batana ary sakafo ao an-tsenantsika rehefa hisarika olona hividy ny entan'izy ireo.
Manasseh Deheer indray manoratra momba ny fivorian'ny mpandraharaha hiresaka momba  “Ireo fitaovana vaovao any amin'ny aterineto ho enti-manatsara ny  fahafantarana olona (identité) amin'ny fomba nomerika (manokana / arak'asa).”
Mampafantatra Yoro fa ny vadin'i Théophile, Nadine Kouamouo, mpikambana ao amin'ity tetik'asa ity no nahazo ny lokan'ny “vehivavy mitati-baovao momba ny TIC mendrika indrindra” tao amin'ny Highway Africa Conference.
Nanoratra momba ny habetsahan'ireo teny filamatra momba ny fanafotsiana hoditra ampiasaina hivarotana ireo vokatra fikarakaram-batana any Abidjan i Nadine.
Manantena izahay ny hahita zavatra hafa hovakiana avy amin'ireo mpandray anjara amin'ny Abidjan Blog Camp.
Rezwan
Singapaoro: Mampiady hevitra ny faripahaizan'ilay Oliravina
Voahosotra ho Oliravina manerantany Singapaoro 2009 ao Singapaoro ny mpianatra 19 taona Ris Low, mpianatra, 19 taona tamin'ny zoma 31 jolay 2009.
Fotoana fohy tato aoriana, nalaina sary sy feo izy ary rehefa nivoaka tamin'ny aterineto izany rakitsary sy feo izany dia azo nitarafana ny fifehezany teny anglisy. Niteraka adihevitra, na tany amin'ny vavahadin- tsarimihetsika, na tany amin'ny bilaogy, na tamin'ny fampahalalam-baovao, eny fa na dia teny an-dalam-be rehetra teny aza ny valinteniny.
Misy amin'izy ireny no manakiana :
Mihevitra i Sometimesjean fa tokony hahatafavoaka zavatra tsaratsara kokoa ankoatra ny hatsaran-tarehiny izy:
Satria fisoloan-tena an'i Singapaoro ny Oliravina Manerantany Singapaoro dia heveriko fa ankoatra ny hatsaran-tarehy dia tokony homena izay olona mahay miteny tsara sady manam-pahaizana ny voninahitra, izany hoe tokony mba farafaharatsiny manana fahaizana antonony raha tsy efa hoe mpianatra amin'ny ambaratonga ambony mihitsy aza. Voninahi-pirenena no arovana ka tokony ho mailo tsara.
Tanat kosa mitsipaka ny fifidianana izay ho mpandresy:
Raha araka ny hevitro manokana dia tsy tokony ho Ris Low no voafidy ho Miss Singapore World 2009 (Oliravina Manerantany Singapaoro 2009). Inona moa no miova raha hoe vao sitrana tamin'ny tazo izy andro vitsivitsy nialoha ny fifidianana! Heveriko fa noho ny fahaizany namitaka ny mpitsara nihevitra fa mety ny namaliany ny fanontaniana hoe “Mahavidy fahefana ny vola” no antom-pandreseny.
Na izany aza dia misy ireo midera an'i Miss Low noho ny nanànany herin-tsaina hiditra ao amin'ny fifaninanana.
Singkengloon dia mihevitra fa tsy misy ny lavorary:
Ny marina dia iharan'ny fitenenana hoe ny teny maro tsy ilaozan'ota maro amintsika. Tsy misy afaka milaza isika na dia iray aza fa tonga lafatra ny fahaizantsika teny anglisy. Ary mitovy hevitra amin'ny mpifaninana taminy aho fa mbola tanora izy ary mbola afaka manatsara zavatra betsaka.
Raha mila ny fanohanantsika ny Oliravintsika dia eso no avalintsika azy. Dia ahoana àry no hananan'ny tovovavintsika herin-tsaina hampamirapiratra an'i Singapaoro?
Mihevitra i Sam  fa mariky ny tsy fahatokisan-tena mihevitra ny fanakianana be loatra:
Ohatry ny menatra amina Singapaoriana karazany hafa isika. Te hanadio ny tsy fahaizantsika miteny anglisy any ambany karipetra isika. Tiantsika ho tovovavy metisy sinoa, na metisy maley, na metisy karana, na metisy vazaha no hisolo tena antsika, fa tsy ny milaza azy ho “Ah Lian”. Nahoana? Satria tsy mahazo aina isika amin'ny fahitantsika ny “tsy fetezana” eo amin'ny fiaraha-monina misy antsika - “Ah Lian” hita be eo amin'ny lafiny kolontsaina sy fahatsarana, ny tsy fahaizana miteny anglisy sy ny hafa koa.
Na izany na tsy izany dia niteraka adihevitra indrindra noho ny tamin'ny fifaninanana taloha ity fifaninanana Oliravina Manerantany Singapaoro ity avy amin'ny fankasitrahana na ny fitsikerana azy ka nanjary nahabe mpanaraka ny fandaharana.
Marina Noordin
Porto Rico: Adihevitra momba ny sivana
Peta-drindrina manohitra ny sivana, navoakan'i Andréia tao amin'ny Flickr
Ny Ministeran'ny Fampianaran'ny governemantan'i Porto Rico dia nanala boky dimy amin'ny fandaharam-pianaran'ny taona faha-11 ao amin'ny rafi-pampianaran'ny sekolim-panjakana: Antología personal, nosoratan'i José Luis González; El entierro de Cortijo, nosoratan'i Edgardo Rodríguez Juliá; Mejor te lo cuento: antología personal, nosoratan'i Juan Antonio Ramos; Reunión de espejos, fantina fanadramana navoakan'i José Luis Vega (Puerto Rican ireo mpanoratra rehetra); ary Aura, nosoratan'i Carlos Fuentes avy any Meksika. Nentin'ny masoivohom-panjakana ho fanamarinana ity hetsika nataony ity ny filazana fa hoe “nahitana fomba fiteny sy voambolana tsy azo ekena, izay tena manompa sy tsy mahalala fomba” ireo boky.
Ny governoran'i Porto Rico, Luis Fortuño, dia nanohana ilay fanapahan-kevitra: “Mieritreritra aho fa nazava tsara ny teniko, ary ireo ray aman-dreny rehetra dia mahazo tsara fa ireo boky azo vakian'ny olona feno 18 taona dia tsy tokony hovakian'ny olona 12 taona.” Maro ireo mpanoratra sy mpanakanto any Porto Rico no  naneho ankarihary ireo olan-dry zareo ary nitsara ny fanapahan-kevitry ny governemanta ho sivana. Manameloka ilay fanapahan-kevitra koa ny Federasionan'ny mpampianatra ary milaza fa “mampiseho ny tsy fahalalana momba ny zava-misy ara-tsosialy iainan'ireo mpianatsika izany, sy fijery ambany ny literatiora maoderina ho ampahany amin'ny lamin'asa akademika.” Taorian'ny tsindry hazolena natao ny vahoaka tahaka izany dia niteny ny Ministeran'ny Fampianarana fa boky iray monja no notsoahin-dry zareo mandritra ny fotoana maharitra, fa mbola dinihana kosa ny amin'ireo ambiny.
Ny Fikambanan'ny Mpanao Gazety ao Porto Rico dia nanome tànana an'ireo mpanoratra, mpampianatra ary mpanakanto amin'ny fanoherana nanoloana ny Ministeran'ny Fampianarana tany Hato Rey, toerana izay namakian-dry zareo ampahany amin'ireo boky notsoahina. Nisy horonantsarin'ny fanehoana ny fanoherana ilay fanatsoahana boky amin'ny rafi-pampianarana ho an'ny sekolim-panjakana navoaka tamin'ny YouTube.
Nanao tsikera mamaivay koa ireo mpitoraka blaogy. Niteny ilay mpanoratra Mayra Santos Febres ao amin'ny Lugarmanigua [ES]:
Temo a la censura. Sobretodo le temo cuando se utiliza “la formación integral de nuestros niños y jóvenes” como excusa para privarlos del contacto con experiencias y sobretodo con libros que los ayuden a desarrollar herramientas para pensar. La reflexión tiene que hacerse en un contexto amplio, sin verjas ni “no pases”. Es imposible pensar: es decir, “sopesar ideas”, cuando estas ideas diferentes, divergentes son sacadas de en medio desde un principio. Cierto es que la educación debe tener en consideración la capacidad de jóvenes y niños para asimilar y digerir información. No vas a servirle churrasco a un bebé de cuatro meses que no tiene dientes. Pero los muchachos de undécimo grado que configuran el estudiantado de Escuelas Públicas de nuestro país, a su edad, ya tienen dientes. Tienen dientes, uñas y garras. Algunos ya tienen bebés de cuatro meses. Ya pueden comer churrasco.
Matahotra ny sivana aho, indrindra rehefa ny “fampiofanana feno ireo zanatsika sy tanorantsika” no atao fialan-tsiny mba hibahanana azy ireo tsy hanam-pifandraisana sy traikefa, dia ireo boky izay mety hanampy azy ireo hampitombo ny fahaiza-mandalin-javatra. Tokony anatina foto-dresaka misokatra no atao ny dinika, tsy asiana vavahady vy na “tsy azo idirana”. Sarotra ny mieritreritra fa izany no fandanjalanjan-kevitra, raha hatramin'ny voalohany dia efa fafàna ireo hevitra samihafa. Marina fa ny fanabeazana dia mila mijery ny fahafahan'ny tanora sy ny ankizy mahazo sy mitsakosako ny vaovao azony. Tsy ndeha hanome hena mendy amina zaza efa-bolana mbola tsy misy nify ianao. Nefa amin'ny taonan'ny ankizy any amin'ny taona faha-11 any amin'ny sekolim-panjakanan'ny firenentsika, efa maro ny nifin'izy ireny. Manana nify izy, hoho, ary fandrangotana. Ny sasany amin'izy ireny aza dia efa manan-janaka efa-bolana. Afaka mihinana hena nendasina ry zareo.
Ilay mpitsara lasa mpitoraka blaogy tsy ela akory izao, Dora Nevares-Muñiz dia nandinika ny fifanoherana amina fomba fijery araka ny lalàna:
La censura de textos literarios de parte del Departamento de Educación es inconstitucional y viola derechos de los estudiantes… La censura, aparte de coartar el libre flujo de las ideas y la libertad de expresión atesorada en nuestra Constitución, constituye un acto de violencia de parte del Ejecutivo hacia unos estudiantes que tienen el derecho a recibir una educación que propenda al pleno desarrollo de su personalidad y al reconocimiento de los derechos y libertades fundamentales. El acto de censurar es de por sí un atentado a la libertad de pensamiento y expresión, típico de sociedades intolerantes y totalitarias…La censura no debe tener espacio en el sistema educativo. Una de las metas del sistema escolar debe ser que el estudiante internalice actitudes de tolerancia y respeto ante la diversidad y las personas que tienen ideas discrepantes. Este es uno de los primeros pasos para prevenir la violencia. Los libros censurados se leían en grado undécimo. Se trata de obras reconocidas en Puerto Rico y en el extranjero por su calidad literaria. Un estudiante de Escuela Superior debe tener desarrolladas las destrezas de pensamiento crítico y análisis lógico necesarias para analizar esos libros.
Ny fanalàn'ny Ministeran'ny Fampianarana ireo lahatsoratra  (literatiora) dia tsy manaraka ny lalàmpanorenana ary mandika ny zon'ny mpianatra izany… Tsy vitan'ny mangeja ny fahalalahan'ny fanehoan-kevitra sy ny fahalalahana miteny voasoratra ao anatin'ny lalam-panorenantsika ny sivana, fa sady herisetra ataon'ny fahefana mpanatanteraka amin'ireo mpianatra izay manan-jo hahazo fanabeazana feno izay hitondra azy ireo any amin'ny fahafahan'izy ireo maneho ny maha-izy azy sy ny fahafantarana ireo zo sy fahalalahan'izy ireo. Ny fanaovana sivana dia manohitra ny fahalalahana miteny sy maneho hevitra, izay fahita any amin'ireo fitondràna tsy mahay mandefitra (jadona) sy tsy refesi-mandidy.
Tsy tokony hanana toerana eo amin'ny rafi-pampianarana ny sivana. Tokony ho iray amin'ireo tanjon'ny rafi-pampianarana ny fananan'ireo mpianatra fandeferana sy fanajàna manoloana ny fahasamihafana sy ireo olona tsy mitovy hevitra aminy. Izany dia iray amin'ireo dingana voalohany hisorohana ny herisetra. Boky efa famakin'ireo taona faha-11 ireo nitsoahina. Izy ireo koa dia boky malaza any Porto Rico sy ireo firenen-kafa noho ny kalitaon'izy ireo ara-literatiora. Tokony hanana ny fahaiza-mandinika sy fahaiza-misaina ilaina ny mpianatra any amin'ny lisea (lyçée) iray vao afaka mandinika ireo boky ireo.
Ao amin'ny blaoginy Lecturas urbanas [ES], Javier Valentín Feliciano dia mahatsiahy ny zava-niainany tamin'ny rafi-pampianaran'ny sekolim-panjakana tany Porto Rico:
Cuando cursé mis doce años de estudios en la escuela pública nunca conocí a ninguna de estas autoras puertorriqueñas, tampoco conocí a escritores hispanoamericanos que estaban en todo su auge como Gabriel García Márquez, el propio Carlos Fuentes, Mario Vargas Llosa, Luisa Valenzuela, la lista es inmensa. Tuve que esperar muchísimos años para poderme reconocer como hispanoamericano con estos autores. En la escuela pública no los leí, nunca los asignaron. Quién sabe y nunca los hubiera descubierto.
Tsy mbola namaky na iray aza tamin'ny bokin'ireny mpanoratra Porto Rican ireny aho nandritra ny 12 taona nianarako tamin'ny rafi-mpampianaran'ny sekolim-panjakana. Tsy mbola namaky bokin'ireo mpanoratra hispano-amerikana miteny espaniola avy any Amerika izay tonga teny amin'ny fara-tampony aho, toa an-dry Gabriel García Márquez, Carlos Fuentes [iray amin'ireo mpanoratra notsoahina], Mario Vargas Llosa, Luis Valenzuela; lava ny lisitra. Nila niandry an-taonany maro aho izay vao afaka nandray ny tenako ho hispano-amerikana miaraka amin'ireo mpanoratra ireo. Tsy mbola namaky azy ireo mihitsy aho fony tany am-pianarana; tsy tafiditra mihitsy izy ireny. Iza no mahalala na mety tsy nahita azy ireny mihitsy aho?
*Ireo lahatsoratry ny mpitoraka blaogy dia nanaovan'ny mpanoratra dikateny. Ny sary dia avy amin'ny rakitsarin'i Andréia's ao amin'ny Flickr ary navoaka mampiasa ny Creative Commons licence.
Shina: Mpianatra ao Beijing manohitra ny hanao famerenana mitabe
Satria moa efa mihamanakaiky ny 1 Oktobra hankalazana ny faha-60 taonan'ny Repoblika entim-bahoakan'i Shina, dia netsehina hanao  mitabe ho amin'izany fotoan-dehibe izany ny mpianatra avy amin'ny lisea sy ny Anjerimanontolo mihoatra ny iray hetsy ao Beijing. Misy ny mpianatra tsy faly loatra satria tsy maintsy manao mitabe avokoa ny mpianatra rehetra.
Notaterin'ny gazety Apple Daily, avy ao Hong Kong, tamin'ny 18 Septambra 2009 fa misy ny mpianatra sasantsasany no leo noho ny tsy maintsy hanaovana famerenana hatrany ity mitabe ity efa hatramin'ny vakansin'ny fahavaratra [ilabolantany avaratra] teo. Satria moa manelingelina ny fotoam-pianaran'ny mpianatra taorian'ny fidiran'ny taom-pianarana vaovao dia nisy ireo nanao hetsika fanoherana ny fandaminana tsy mitombina loatra ity:
有北京大學生不滿當局的安排，在網上發起罷練行動的同時，公然焚燒訓練服抵制演練。事件引起當局極度緊張，除封鎖消息外，還派人嚴控大專院校及嚴懲涉事學生。
Misy ny mpianatra amin'ny anjerimanontolo ao Beijing no tsy faly amin'ny fitondrana. Natombony tamin'ny alalan'ny fanentanana hitokona tsy hanao famerenana an-tserasera izany aloha. Nisy aza moa ny nandoro ampahibemaso ny akanjony fanaovany mitabe. Tsy nataon'ny fitondrana ho kivazivazy mihitsy izany fihetsiky ny mpianatra izany. Ankoatra ny nanakanana ny fitateram-baovao tsy hivoaka dia nalefa ny solontena hanaramaso sy hanafay ny mpianatra nanao izany fihetsika izany.
Koa satria moa voarara ny miady hevitra sy ny mitatitra ireny hetsi-panoherana ireny any amin'ny Tanibe ao Shina, dia any ampitan-dranomasina sy any Hong Kong no mandeha ny resaka.
Toy izao no hita ao amin'ny dinika ao amin'ny vavahadin-tserasera ho an'ny Shinoa Kanadiana:
waves 2009-09-18 12:30: 學生真可憐，思想被奴化，肉體也被奴役，怪不得那麼多人爭破頭也要出國留學。
Hoy i Waves : Mahantra loatra ny mpianatra. Tsy ara-tsaina intsony ny fanandevozana fa ara-batana ihany koa. Tsy isalasalana raha maro ny te-hianatra ampitandranomasina.
食量就是力量 2009-09-18 16:25: 就不明白, 為什麼不低調點, 悄悄過了就算了, 現在花了那麼多錢, 勞了那麼多民, 簡直就是壹場煙火, 看過了就算。
Hoy i 食量就是力量 : Tsy azoko hoe fa maninona raha somary kobokobonina kokoa ny fankalazana. Be loatra ny fandaniana sy ny fanelingelenana ny olo-tsotra. Nefa ho ana afomanga fotsiny izany rehetra izany, ho an'ny fahafinaretan'ny maso.
Ao amin'ny One-forum any Hong Kong:
qingqing 2009-09-18 03:22: 讀大學了，還可以任由校外的“上級指示”的，到底是不是大學生呢？讀大學了，還要被迫去玩這樣的小兒科遊戲，不是侮辱了你作為大學生的尊嚴嗎？這樣也不敢 抗議，杯葛，到時不合作演出，故意破壞演出，故意出錯，你們還是大學生嗎？
Hoy i Qingqing: Raha mankatò tsy afa-mampiasa ny sainy ny baikon'ny mpitondra ny mpianatra, moa ve tena mpianatry ny Anjerimanontolo tokoa izany? Raha terena handray anjara amin'ity karazana kisangisangy ity ny mpianatra amin'ny Anjerimanontolo, moa tsy fanivaivana azy ireny ve izany ? Raha tsy manohitra, mitokona, na tsy mety miara-mientana na minia manao fahadisoana ry zareo dia tsy mendrika ny atao hoe mpianatry ny Anjerimanontolo.
Any amin'ny dinika hafa avy ao Hong Kong, Civilian Gunner:
louisli 2009-09-18 10:57: 係唔係要練到同北韓睇齊？
Manontany i Louisli: Fa te-haka tahaka ny Koreana Tavaratra angaha isika?
seamoncheng 2009-09-18 19:33: 大陸到而家都重係死要面…成班官都係無腦架..係到勞民傷財
Miteny i Seamoncheng: Mbola manjaka any amin'ny tanibe ny [fisehosehoana ivelany] hita maso… Adala ny mpitondra… mampandany vola sy hery olo-tsotra
Andy 2009-09-18 19:38: 佢地先有腦, 搞埋呢D面子工程, 攞正牌搵銀
Manebaka i Andy: Tena mahay mihitsy ny mpitondra fanjakana ka… ny karazana hetsika tahaka itony ange no tena fanararaotra hampidiram-bola  be e!
[Saripika notsongoina tao amin'ny Apple Daily]
Andy Yee
Maraoka: Fampianarana ny teny “Berbery” any an-tsekoly
Tifinagh in use
Niteraka resa-be tao amin'ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny lahatsoratry ny BBC News iray momba ny fampianarana ny “teny Berbery” any Maraoka. Ilay lahatsoratra, izay manasongadina ireo safidim-mpampianarana hianarana sy handalinana ilay fiteny, sy manome fanazavana momba ny fivoaran'ny alfabeta Tifinagh, dia niteraka karazan-dahatsoratra maro.  The View from Fez, blaogina mpila ravinahitra, dia nametraka ny fanontaniana hoe “ mety hisolo ny Arabo ve ny  Berbery, ho  tenim-pirenena ofisialy Maraokana? ”  Ny valiny nomen'ilay mpitoraka blaogy?
N y valiny tsotra  dia tsia, tsy hisolo toerana ny Arabo na oviana na oviana ny Amazigh, nefa izany tsy manakana ny olona haniry ny hitrangan'izany. Tao amina fanadihadian'i BBC vao haingana, Abullah Aourik, mpanakanto sy mpamoaka gazetiboky iray amin'ny Amazigh, dia niteny fa te-hahita ny Berbery hisolo ny  teny Arabo ho tenim-pirenena ofisialy any an-toerana.
Nanamarika anefa ilay mpitoraka blaogy fa efa noraisina ho isan'ny tenim-pirenena ofisialin'ireo firenena maro mpiray vodirindrina sasany ny Amazigh, isan'izany i Alzeria.
Nalaky dia nalaky ny Reading Morocco, blaogy mifantoka amin'ny literatiora, vaovao ary blaogy Maraokana, tamin'ny fitsikerana ilay lahatsoratra:
Manana olana vitsivitsy aho amin'ny votoatin'ity lahatsoratra ity (toy ny mahazatra). Tsy dia kinga loatra amin'ny fampitahana ny  Berbery sy ny Arabo aho raha efa raiki-tampisaka anatin'ny tantara Maraokana ny fifangaroan'ireo ” identities” roa ireo, ary tsapako koa fa ny laika sy ny misionary Kristiana dia (izy roa samy mirona amin'ny fankahalana silamo) tia mametraka ny dian-tànan'izy ireo ao anatin'io “fivakisana” ara-kolontsaina sy ara-pinoana io.
Mitsikera toy izany koa ny valin'i ‘Aqoul's :
Voalohany, raha nisy kasinga sy faniriana marina hanana fomba fanoratana ny teny Bebery izay hampidina ny tahan'ny olona tsy mahay mamaky teny sy manoratra  sy ny fiantraikany marina eo amina avarapianarana na  mafana fo ara-kolotsaina vitsivitsy, mety nifidy na ny alfabeta latina izy ireo, na raha te-hizotra amin'ny fametrahana tantara tsara fototra izy ireo, dia nifidy ny fomba fanoratra Arabo nampiasain'ireo mponina tamin'ny vanim-potoana faha-mpanjaka sy ny vanimpotoana nampiasana ny teny Chleuh (Tachelhite) nanoratana  ireo  Chleuh Berbery.
Kal, iray nitsikera ilay  lahatsoratra (ary mpitoraka ilay blaogy The Moor Next Door), dia nizara ‘anecdotes' heno tany ambanivohitr'i Maraoka momba ny fomba fampianarana ny Tifinagh:
Raha misy iray miresaka amin'ireny ankizy avy amina tanàna tsy mahay mamaky teny sy manoratra any an-tendrombohitra sy atsimo, tsapako fa somary ketraka ry zareo amin'ny faniriana ofisialy hampianatra azy ireo amin'ny Tamazight; fa maninona raha ampianarina mamaky teny sy manoratra amina teny azony ampiasaina aloha ry zareo, toy izay hampien-danja azy ireo amina teny tsy hitondra azy ireo lavitra noho ny efa misy azy izao? Naheno olona maro avy any Sousse aho nanoritsoritra ny ezaka fampianarana Tamazight sy mankalaza be ny Tifinagh toy ny “tsikombakomba” hitazonana ireo fiaraha-monina Berbery amin'izao toerana mifotetaka efa misy azy izao. Na ahoana na ahoana ny mahamety na tsia an'izany,  misy malailay fonosana amin'ny fampitovian-drafitra ihany koa,  izay midika famelana ny tenindreny sy ny fiainana andavanandro manoloana tanjona iray tsy mbola hita fiafarana sy mampiahiahy.
Ho an'ireo izay liana, vakiteny iray mahavariana momba izany nosoratan'i Katherine E. Hoffman, Mizara rindrina izahay: Teny, Tany, ary ny Miralenta ao anatin'i Maraoka Berbery (We Share Walls: Language, Land, and Gender in Berber Morocco. )
Maraoka: niseho masoandro ny fampiasana zaza
Zineb Chtit any amin'ny hopitaly
Misy zazavavy tsaboina noho ny ratra sy daroka nahazo azy ao amin'ny hopitaly. Tsy mahalala endri-piainana hafa ankoatra izay iainany ankehitriny i Zineb Chtit rehefa nalefa hiasa ho mpanampy an-trano tamin'ny faha-10 taonany, miasa amina mpanankarena sady midaroka no tsy manome hanina.  Hoy ny nosoratan'i A Moroccan About the World Around Him (Maraokana iray miresaka momba ny tontolo manodidina azy) momba ny voina mahazo azy ao amin'ny lahatsorany iray:
Zainab looked emaciated. Her body was bruised and bleeding from beatings. She was branded on her lips with a red-hot iron. She was burned with boiling oil on her chest and private areas. She was illiterate. She never experienced the joy of playing with friends. Her future was decided for her: trudge around the mill till the day she dies. And a few days ago, she almost did.
Hita ho kaozatra i Zainab. Feno fariparitra sy dian-daroka ny tenany. Mena mivaivain'ny vy ny molony. Nodorana ny menaka ny tratrany sy ny faritra saro-pady. Tsy mahay mamaky teny sy manoratra izy. Tsy mba niainany veliely izany miara-milalao amina namana izany. Efa voafaritra ny ho aviny: mihaodihaody manodidina ny laona mandra-pahafatiny. Ary efa saiky lasana tokoa izy.
Indrisy fa tsy tranga manokana ny mahazo an'i Zineb.  Mahatratra 177 000  ny isan'ny zaza latsaky ny 15 taona miasa any Maraoka, ka ny 66 000 dia mpanampy an-trano.  Eny fa na dia efa nanasonia ny Dinan'ny Firenena Mikambana momba ny Zon'ny kilonga aza i Maraoka, mametra ho 12 taona  raha kely indrindra vao mahazo alefa hiasa ny olona, fetra farany ambany ao an-toerana.  Maro ny tatitra momba ny fampijaliana mpanampy an-trano, tahaka ity iray izay nosoratan'i Tingis tonian'i Anouar Majid ity.  Nefa dia mbola mivarotra ny zanany vavy amin'izay mahasahy ambony indrindra ihany ny fianakaviana maro fa entin'ny fahantrana, ampiasaina ho mpanampy an-trano izay indraindray miasa tontolo andro sy tontolo alina.  Mitantara ny mpanjò ny ankamaroan'ny mpanampy an-trano ny mpamaham-bolongana Sarah Alaoui:
Noho ny fahantrana mianjady dia tsy manan-tsafidy hamelomana ny ankohonany sy ny zanany ankoatra ny mandeha ho mpanampy an-trano  any amin'ny mpanankarena ireo vehivavy tsy nandia fianarana any ambanivohitr'i Maraoka. Mbola asongadin'ny karazan'asa ataony - mpanampy an-trano  natao ho hita fa tsy natao horenesina-  ny holatry ny fahantrana efa naraikitra taminy teo am-piterahana. Miasa any ambadiky ny sehatra tahaka ireo mpanompo an-trano fitantaran'i J.K. Rowling any amin'ny boky tantara foroniny izy ireny.
Maro ny ankohonana any Maraoka no miezaka ny manome  trano fialofana ho an'ny mpanampy an-tranony fa tsy toera-mpiasana ihany. Nanara-maso ny zanaky mpanampy an-tranony hatrany ny renibeko  mba hahazoan'izy ireny fitaizana sy fampianarana tahaka ny an'ny zanany sy ny zafikeliny— Iray sekoly amin'ny anadahiko (cousin) i Naima, raha niasa tao amin'ny renibeko ny reniny. Saingy indrisy moa aleo tsorina fa tsy mitovy fikarakarana ny mpanampy an-tranony tahaka izany ny ankapoben'ny mpampiasa eto amin'ny firenena.
Ao amin'ny fitateram-baovaon'ny [FR] La Vie éco dia samy voampanga ho nanao heloka bevava avokoa na rangahy na ramatoa mpampiasa an'i Zineb, fa araka ny tolo-kevitry ny mpamaham-bolongana Reda Chraibi, dia tokony hisy haingana dia haingana ny fiovana. Namelabelatra [FR] soso-kevitra maro hisorohana ny fandefasana ny ankizivavy hiasa mbola kely ny mpamaham-bolongana.  Santionan'ny tolo-keviny:
Accorder des aides sociales aux familles les plus pauvres afin qu’elles ne soient pas contraintes de faire travailler les enfants au lieu des le envoyer à l’école. La scolarité pour cette catégorie de la société devrait être totalement gratuite tant pour l’enseignement que pour l’équipement scolaire. A ce propos, l’opération de distribution de cartables équipés est une bonne initiative qui devrait être étendue dans tout le Royaume.
Donner à l’Association « Touche pas à mon enfant » (touche pas à mes enfants) ou à une institution publique le droit de recenser et de contrôler le travail des enfants servantes, le droit d’entrer dans les maisons pour discuter avec elles et vérifier si elles sont traitées dignement. Encourager leur éducation et leur alphabétisation. Ouvrir et faire connaitre un centre d’accueil pour les enfants servantes qui veulent fuir d’urgence le foyer dans lequel elles travaillent, afin que plus aucune Zineb Chtet n’èrre dans la rue dans le sang en demandant l’aide d’inconnus…
Manome fanampiana ara-tsosialy ny fianakaviana tena mahantra mba tsy hahatery azy ireny handefa ny zanany hiasa fa tsy hianatra. Tokony ho maimaim-poana na ny fampianarana na ny kojakojam-pianarana ho an'ireny sarangam-piaraha-monina ireny. Eo amin'izay indrindra dia tokony hatao manerana ny fanjakana ny fanapahan-kevitra mety hizarana kitapo efa misy kojakoja ao anatiny [FR]. Manome alalana ny fikambanana “Touche pas à mon enfant” (Aokanao ny zanako) na sampan-draharaham-panjakana hafa hanisa sy hanara-maso ireo zaza miasa tsy fidiny, manan-jò hiditra any an-trano hiresaka amin'ireny kilonga ireny hanamarinana raha voakarakara ny mahaolombelona azy. Handrisihana ny fitaizana sy fampianarana azy ireny hahay mamaky teny sy manoratra. Manokatra sy mampahafantatra ny fisian'ny toerana fandraisana ireo zaza te-handositra ny trano iasany, mba tsy hisy intsony Zineb Chtets feno ratra mirenireny eny an'arabe mitady fanampian'olon-tsy fantatra….
Nofehezin'i A Moroccan About the World Around Him (Maraokana iray miresaka momba ny tontolo manodidina azy) toy izao moa ny lahatsorany:
I am reminded of a speech Mr. Eliezer “Elie” Wiesel gave at the White House in 1999 “The political prisoner in his cell, the hungry children, the homeless refugees — not to respond to their plight, not to relieve their solitude by offering them a spark of hope is to exile them from human memory. And in denying their humanity, we betray our own.”
Tsaroako ny kabarin'Atoa Eliezer “Elie” Wiesel tao amin'ny Trano Fotsy tamin'ny 1999 nanao hoe “Ny gadra politika ao amin'ny efi-pamonjana azy, ny ankizy noana, ny tsy manan-kialofana - manoka-monina azy ireny ho tafala amin'ny tsiaron'olombelona ny tsy mamaly ny hetahetany, na tsy manome tara-panantenana ho azy ireny. Raha mandà ny maha-olombelona azy ireny isika dia mamadika ny maha-antsika antsika.
Jillian C. York
USA: “Ho roahina hody aho amin'ny Alarobia”
Vaovao farany:   Raha nampanantsoin'ireo manampahefana i Herta ny 19 Aogsitra dia nambara taminy fa afaka mijanona ihany izy hatramin'ny 9 Novambra. Nolazainy [Herta] fa antontan-taratasy avy amin'ireo mpanohana  mirefy efa ho 30 sentimetatra [9-inch]  ny haavony no nangatahan'ny mpisolovava miaro azy hampiarahana amin'ireo antontan-taratasy rehetra momba azy. Mitohy ny hetsika.
Herta Llusho dia mpianatra vao  19 taona mety ho voaroaka hiala an'i Etazonia hody any Albania amin'ny Alarobia 19 Aogositra.
Mpitoraka blaogy maro ao amin'ny  DreamActivist.org sy blaogy maro hafa ho an'ny zon'ny mpifindra monina  no miantso ny Amerikana mba hanampy amin'ny fanemorana ny fandroahana azy mandram-pandàny  ny lalàna vaovao izay hahazoany alàlana hijanona.
Ary dia namoaka lisitra lavabe ry zareo  ahitàna ireo fomba rehetra azon'ny olona anampiana, isan'izany: fiantsoana ireo loholona sy mpikambana ao amin'ny kaongresy, fiarahana amin'ireo vondrona sy fikambanana na mitoraka blaogy tsotra fotsiny izao momba ny tantarany.
Ny tantaran'i Herta
Herta Llusho dia  freshman iray ao amin'nyAnjerimanontolon'i  Detroit Mercy, mandranto fahaizana manokana momba ny génie électrique.
Valo taona lasa izay, fony mbola zaza, Herta Llusho dia tonga teto Etazonia avy any Albania niaraka tamin'ny reniny, hanenjika ny ‘Nofinofy Amerikana'. Nandia ireo ambaratonga fototra sy ny ambaratonga faharoa tamim-pahamendrehana izy.
Llusho (fahatelo avy any ankavia) miaraka amin'ireo namany nandritry ny lanonana fanolorana diplaoma ambaratonga faharoa ho azy.
Ara-pamaritana, Herta dia  “mpifindra monina tsy manana taratasy ara-dalàna” nefa ny fianakaviany efa niezaka foana ny haha-ara-dalàna azy hatrany amin'ny taona voalohany nandiavany an'i Etazonia. Ny 19 Aogositra, mety hirodana ny fanantenan'izy ireo ny hoavin-dratovovavy. Izany dia nony naminavina ny hamerina azy any Albania ny  U.S. Department of Homeland Security (DHS).
Tanaty imailaka iray nalefa ho an'ireo misoratra ao amin'ny Dreamactivist.org , manoratra i Hersha hoe:
“Na teo aza ny ezaka tsara nataonay, ny 19 Aogositra, dia halain'ny  Department of Homeland Security (DHS) hiala amin'ny toerana tokana hany mba fonenako aho. Halefa hiverina any amin'ny firenena iray izay efa nanjary toy ny toerana vahiny amiko. Efa tsy dia mahay miteny tsara intsony ny Albaney aho.”
Nijanona any Albania ny rain'i Herta, raha ny reniny sy ireo iraitampo aminy kosa nitsaka niampita ny Ranomasimbe Atlantika.
“Nitondra ahy ho aty Etazonia ny raiamandreniko satria nino ny fampanantenana ny amin'izay azon'ity firenena ity atolotra ry zareo. Ho azy ireo dia tanin'ny fahafaha-manao rehetra, ny soatoavina sy ny idealy ny eto. Nifikitra mafy tamin'ny finoana ilay Nofinofy Amerikana ry zareo, izay midika fa ny ezaka mafy, ny fandrantoana fahalalana, ny toetra tsara mety ho vitan'ireo taranany no hahatanteraka izay mba nirian'izy ireo.”
Ao anatin'ity  video ity, natao niaraka tamin'i  Kyle de Beausset avy ao amin'ny Citizen Orange, dia azavain'i Herta ny zavatra miandry azy.
<object classid="clsid:d27cdb6e-ae6d-11cf-96b8-444553540000" width="425" height="344" codebase="http://download.macromedia.com/pub/shockwave/cabs/flash/swflash.cab#version=6,0,40,0"><param name="allowFullScreen" value="true" /><param name="allowscriptaccess" value="always" /><param name="src" value="http://www.youtube.com/v/kMU_DZofuWQ&hl=en&fs=1&" /><param name="allowfullscreen" value="true" /><embed type="application/x-shockwave-flash" width="425" height="344" src="http://www.youtube.com/v/kMU_DZofuWQ&hl=en&fs=1&" allowscriptaccess="always" allowfullscreen="true"></embed></object>
Mitoraka blaogy ho an'i Llusho
Mpitoraka blaogy maro no nanoratra ny momba an'i Herta ary mandrisika ireo mpamaky mba hiady ho amin'ny mahazo azy, isan'ireny ny  American Humanity, B-Listed, Documenting Me, Nuestra Voice ary ny Standing FIRM.
Change.org dia nampiantrano fanangonan-tsonia eto amin'ny aterineto [online petition]  ho fanampiana an'i  Herta, ary ny  SEIU (Service Employees International Union) dia nanamora ny antso an-tarobia mankany amin'ireo loholona avy ao amin'ny vohikalan-dry zareo. Ao amin'ny Facebook , ny zava-mahazo an'i Herta dia nahasintona mpanohana efa mihoatra ny  2000.
Kyle avy amin'ny Citizen Orange dia nanoratra momba ny fihaonana tamin'i Herta sy ny anadahiny zokiny indrindra  Lirjon, izay manana taratasy maha-mpianatra azy  [student visa].
“Lirjon sy Herta dia olona mahatalanjona. Manana tombony manokana i  Herta amin'ny fananana anadahy toa an'i Lirjon izay tsy sasatry ny nanohana azy hatrany. Na dia nandritry ny fotoana fohy monja nampahafantaran'i  Lirjon sy  Herta ny momba azy ireo tamin'ny fianakaviako aza, dia nisy fiantraikany mafonja. Fotoana niavaka ho ahy koa izy iny. Zatra ny mahita ahy mitendry foana eo amin'ny solosaina ny fianakaviako. Ity no fotoana voalohany nifanatrehany vatana tamin'ireo olona izay nanohina ahy ny fiainany.
Tohizany:
“Angamba tsy mila ahy akory i Herta hamariparitra azy ity toy izao, saingy Etazonia dia nandrora teny amin'ny tavany nefa fitiavana fotsiny ihany no nasetriny izany. Izay fitiavana lalina, marina, sy mahatehotia izay manoloana ny endrika  tsy rariny, rehefa ataon'olona na dia iray monja aza, dia mahavita be lavitra ho an'ny tontolo noho izay vitan'ny fanehoan-kery ataon'olona an-tapitrisa maro tezitra. Amin'ny fitolomany mba hijanona any Etazonia, i Herta dia mandray anjara amin'ilay ambaran'i  Gandhi hoe “satyagraha”, izay nadikan'i  Dr. Rev. Martin Luther King, Jr. matetika hoe  “herin'ny-fahamarinana” na “herin'ny-fitiavana.” Ireo rehetra manohana an'i  Herta dia mandray anjara koa amin'ilay satyagraha.”
“Manohy mino aho…”
Miaraka amin'ny fanohanan'ny DreamActivist, Citizen Orange, ary maro hafa koa  - nozarain'i  Herta tamin'izao tontolo izao ny tantarany. Ny fanantenan-dry zareo dia ny mba hahalàny ilay volavolan-dalàna antsoina hoe The DREAM Act ato ho ato. Izy io dia hahafahan'ireo mpianatra tsy manana taratasy ara-dalàna, toa an'i  Herta, ho tonga mpiorina ara-dalàna rehefa ialohavana fepetra isan-karazany, toy ny taona nahatongavana sy ny fe-taona handratoana fahalalàna.
Na dia nolavin'ireo mpanao lalàna federaly aza ilay tolo-dalàna tamin'ny taona 2007  tamin'ny voalohany, dia naverina nampidirina indray ilay izy miaraka amina fanitsiana vitsivitsy tamin'ny Martsa 2009 ary  ireo mpanohana dia manantena fa hahazo ny fanohànana sahaza azy izy io  mba ho lany  amin'izao maha eo an-toerana ny Filoha Barack Obama izao. Tsy maintsy tafita io, vinavinaina ho manodidina ny 65.000 ireo mpianatra tsy manana taratasy ara-dalàna niditra an'i Etazonia tamin'ny androm-pahazazan'izy ireo no mety hahazo alàlana hipetraka.
Manantena i Herta fa ny fiainany dia mety handray kihon-dàlana mitovy amin'ny an'ny mpianatra mpifindra monina iray hafa 18 taona tsy manana taratasy, Taha ao New Jersey. Taha, dia toa hoe voaroaka hody any amin'ny tanin'ireo razany any  Bangladesh –  kanefa, taorian'ny tohana avy amin'ny loholona roa sy Amerikana maro hafa – Homeland Security dia nanemotra ny fandroahana azy.
Amin'izao fotoana izao, mangataka ny toy izay koa i Llusho.
“Ampio aho hanemotra ny fandroahana ahy mandram-pahavitan'ny fianarako any amin'ny Kolejy na mandram-pandaniana ny  DREAM Act. Ampio mba hanavao ilay fampanantenan'ny Nofinofy Amerikana [American Dream] ho ahy, amin'izay isika miaraka no afaka miara-miasa hanavao ny  fampanantenan'ny Nofinofy Amerikana ho an'ny isam-batan'olona”