Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Oktobra, 2013
Manambany Ilay Lehiben'ny Google Teo Aloha Tao Shina, Lee Kaifu Ny Lahatsoratry ny Antoko Shinoa
Any amin'ny toe-pahasalamany indray no hamelezan'ny sasany ireo malaza eo amin'ny sehatry ny serasra ao Shina ao.
IIay Zazavavy Miozolomana Sy Ilay Nanao Vy Very Ny Ainy Any Volgograd
Tamin'ny fotoana nisian'ny baomba nipoaka tao anaty bus iray tanaty Volgograd, nisy zazavavy Miozolomana iray nanoratra tamin'ny bilaogera tsy fantatra anarana hardingush. Nifidy ny handika izany manontolo izahay.
Ny Fandisoan'ny Guardian Ny Fironan'ny Japoney Amin'ny Firaisana Ara-nofo
"Toa mihalefy ny fahalinan'ireo latsaky ny 40 taona ao Japana amin'ny fiarahana araka ny fomban-drazana," hoy ny Guardian. "An-tapitrisany ireo.... tsy manan'olon-tiana, ary mitombo ireo tsy azo helingelenina amin'ny firaisana ara-nofo." Aoka kely aloha", hoy ireo mpampiasa aterineto Japoney.
Fironana Tampoka Amin'ny Fampianarana Tohana any Singapore
Niroborobo ny Tohana manokana sy ireo ivon-toeram-panohanana any Singapore noho ny fanohizan'ireo ray aman-dreny mandany vola hanatsarana ny fanabeazana ny zanany. Tsara izany sa ratsy?
Libido, Horan-tsary Fanadihadiana Nisarika Ny Ejiptiana Hiresaka Momba ny Firaisana Ara-nofo
Libido dia horonan-tsary fohy iray miresaka momba ny ara-pananahana ao Ejypta. Ankoatran'ny hetsika tao amin'ny aterineto, dia nanao famotopotorana akaiky sy resaka tamin'ny mpanatontosa horonan-tsary Youssef Aliman i Ahmed Awadalla avy ao amin'ny Global Voices Online.
Tafatafa Niarahana Tamin'ilay Tompon-dakan'ny Ady Totohondry Tao Ginea Lasa Belza Mpanao Politika
Tsy moramora mihitsy ny fampivadiana ny tontolon'ny fanatanjahantena avo lenta sy ny poliika. Mbola sarotra kokoa noho izany rehefa firenena roa samy hafa no voakasika. Manazava ny zotrany mendrika ho deraina i Bea Diallo.
Oktoberfest(Fetin'ny Labiera) Ao Lomé, Togo
Ny volana oktobra mazàna dia fankalazana ny fetin'ny Labiera any Alemana. Ary efa miha lasa fomba fanaon'ny mponina ao Togo tsikelikely koa izany.
Zaza iray Amin'ny Telo Maneran-tany No Tsy Manana Soram-piankohonana
Ny tsy fisian'ny kopia nahaterahana dia mety midika fa ny zaza dia tsy afaka hisoratra anarana any an-tsekoly na mahazo fitsaboana. Tafatafa niaraka tamin'i Evelina Martelli, lehibe mpitantana ny BRAVO!, tetikasa mamporisika ny fanaovana kopia nahaterahana.
Tokony Hosazian'i Brunei Ve Ireo Nahazo Vatsim-pianarana ‘Nandositra’?
Manenjika ireo mpianatra mpikaroka nahavita fianarana any ivelany kanefa tsy nody an-tanindrazana ny governemanta Brunei. Niteraka adihevitra momba ny vatsim-pianarana ao amin'ny firenena izany olana izany.
Tokony Hamaky ity Tantara An-tsarin'ny Olona iray Avotra Nandritra Ny Daroka Baomba Atomika Tany Hiroshima ity Ve Ny Zanak'i Japana?
Nahatonga resabe any Japana momba ny tokony hanehoana ny zava-nitranga ny ezaky ny tanàna iray hametra ny famakiana ny "Barefoot Gen", tantara an-tsary mizarazara ho boky maro momba ny fandarohana baomba an'i Hiroshima.