· Mey, 2013

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Mey, 2013

Tranonkala Sosialy Shinoa Miaro Ny Filoha Lefitra Amerikana Amin'ireo Fanehoan-kevitra Mikasika An'i Shina

  29 Mey 2013

Niatrika tsikera mamaivay avy amin'ny mpianatra iraisam-pirenena Shinoa ny Filoha Lefitry ny Firenena Amerikana Joe Biden taorian'ny niantsoany an'i Shina ho firenena tsy afaka "mieritreritra zavatra hafa" na "mifoka rivotra malalaka" nandritra ny kabariny fanokafana tao amin'ny Anjerimanontolon'i Pennsylvania.. Saingy namaly bontana ireo Shinoa mpisehatra amin'ny Aterineto, nitsikera ireo mpianatra any ivelany mikasika ny fitondrantenany sy ny fiarovany ny kabarin'i Biden ho mendrika hosaintsainina tsara

Mandrara Ny Lohahevitra ‘Tsy-Lazaina Fito’ Ny Governemanta Shinoa

  22 Mey 2013

Nisy mpampianatra anjerimanontolo shinoa iray namoaka vao tsy ela tao amin'ny bilaogy bitika shinoa malaza mitovy amin'ny Twitter antsoina hoe Sina Weibo fa nandidy tsy hampianaran'ny mpampianatra anjerimanontolo lohahevitra fito ny fitondrana, ka tafiditra ao anatin'ireo tsy azo ampianarina ny fahalalahan'ny fanaovan-gazety, ny fahadisoana nataon'ny antoko komonista taloha ary ny...

SARY: Tetikasa “Inside Out” Ao Japana

  21 Mey 2013

Tamin'ny volana Novambra 2012, nisy kamiao iray niainga tao an-tanàna avaratra andrefan'i Japana, Kesennuma ho any Fukushima. Ahitana ila-maso ngezabe isaky ny zoron'ilay kamiao, ary zavatra misokatra tahaka ny boaty paostaly kosa no hita afaran'ilay kamiao. Mitondra fakàntsary hakàna sary ny ao amin'ilay kamiao, ary koa milina fanaovana printy lehibe....

Yemen : Tsindrim-peo mikasika ny fampianarana!

Amin’ny firenena iray izay manakaiky ny 40 isan-jato ny tahan’ny tsy fahaiza-mamaky teny sy manoratra eo amin’ny lahy sy vavy (15 taona no miakatra), ny fampianarana sy ny fandrisihana ireo vehivavy sy ny tanora dia tsy maintsy ilaina mba hisian’ny fampandrosoana mivaingana ao Yemen. Milaza ireo mpikatroka mafàna fo ny amin’ny antony tokony haha-zo fa tsy tombontsoa ny fampianarana.