· Avrily, 2013

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Avrily, 2013

Hobitsihana, Halefa Mailaka sy Bilaogy Ny Fifidianana Ho Manaraka Eo Ao Japana

  26 Avrily 2013

Nankato ny volavolan-dalàna izay hahafahan'ny mpanao politika milatsaka ho fidiana mampiasa Twitter sy bilaogy i Japana ary mamoaka dokambarotra mampiasa aterineto mandritra ny fampielazan-kevitra ataony. Hatramin'ny herinandro lasa, ireo Japoney mpilatsaka ho fidiana dia tsy maintsy nitandrina fatratra tamin'ny fitetezana ny pejy Facebook-ny, ny kaonty Twitter sy ireo bilaogy mba hialana amin'ny fandikan-dalàna hentitra mikasika ny fifidinana eo amin'ny firenena izay mandràra ny hetsika ara-politika eny anaty aterineto.

Torolalana Ara-dalàna Momba Ny Fiarovana Nomerika Ho An'ny Mpikatroky Ny Zon'Olombelona Arabo

Namoaka "torolalana ara-dalàna ho fiarovana ara-nomerika" ho an'ny mpanentana sy ny mpikatroky ny zon'olombelona ary ny mpisolovava liana amin'ny fahalalaha-miteny nomerika sy ny tsiambaratelom-pifandraisana sy ny antontan-kevitra voatahiry ao amin'ny finday, solosaina na zavatra hafa ampiasaina hitehirizana sy izarana vaovao ny Fikambanana Miaro ny Fahalalaham-Pitenenana sy Fieritreretana ao Ejipta.

Voaolana? Raiso Ny Vola, Dia Mangina! Hoy Ny Polisy Indiana

  22 Avrily 2013

Nanome vola mangingina 38 dolara ho an'ny rain'ilay zazavavy 5 taona lasibatry ny fanolanana sy fakàna an-keriny ny polisy ao andrenivohitra Delhi mba hanadinoina ity herisetra mahery vaika ity, niteraka fahatezerana manerana ny firenena izay miady amin'ny fitomboan'ny tranga fanolanana izany. Niharan'ny fanolanana narahina herisetra ity ankizivavy 5 taona ity nandritra ny...

Hetsi-panoherana Sy “Faritra Mamanàla” Ny Tao Brooklyn Taorian'ny Namonoana An'i Kimani Gray

  16 Avrily 2013

Maty teny am-pelatanan'ny polisy roa tao an-tanànan'i New York i Kimani Gray, tovolahy amerikana 16 taona manam-pihaviana Afrikana, tamin'ny Sabotsy 16 Martsa. Nisy korontana tao nandritra ny efatra andro nisesy tao Brooklyn ary nambaran'ny polisy fa "faritra mamanàla" ireo tany amin'ity faritra manodidina an'i New York ity. Niparitaka be teny anivon'ny tambajotra sosialy ny vaovao mikasika ity zava-doza ity noho ny tsy fahampian'ny tatitra avy amin'ireo fampahalalam-baovao mahazatra.

Niverina Ety Anaty Aterineto Ary Mihaza Mpianatra Ny Tafika Menan'i Shina

  15 Avrily 2013

Manara-maso ny resadresaky ny mpianatra ety anaty aterineto ny Anjerimanontolo eo amin'ny tanàna iray any amin'ny faritanin'i Guangdong Atsimon'i Shina, ary nanara-maso ny fihetseham-po miiba nandritra ny telo taona izao. Niteraka hatezerana tamin'ny aterineto ity vaovao ity; maro no mihevitra fa nandika ny zo amin'ny fiainana manokan'ny mpianatra ny anjerimanonolo ary mangataka azy izy ireo hanajanona ilay rafitra.

Mpanao Sariitatra Toniziana Voasazy Handoa Onitra, Notsipahana Ny Ankamaroan'ireo Fiampangana Goavana Natao Azy

Nosazian'ny fitsarana Toniziana ao Gabes, Atsimo-atsinanan'i Tonizia handoa onitra 100 Toniziana Dinars [sahabo eo amin'ny 63 USD] eo ireo mpanao sariitatra roa Oussama Bouagila sy Chahine Berriche androany [10 Aprily 2013], satria “nanoratra graffiti tamin'ny fananam-bahoaka izay tsy nahazoan-dalana”. Na dia izany aza, notsipahan'ny fitsarana ireo fiampangana lehibe hitoriana azy ireo...