· Desambra, 2012

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Desambra, 2012

Voatafika ny Diaben'ny Fiainana Faharoa Tao Yemen

Na dia nahahongana ny filoha tsy refesi-mandidy Ali Abdullah Saleh teo amin'ny fitondrana aza ny revolisiona Yemenita ary nanantena fa ho afaka amin'ny herisetrany ireo  mpanao fihetsiketsehana milamina, mbola naparitaky ny polisin'ny filoha Abd Rabbuh misahana ny rotaka tamin-kery indray ny Diaben'ny Fiainana Faharoa tamin'ny fampiasana baomba mandatsa-dranomaso sy kibay ka vokatr'izany naratra...

Goiana: Mitady Ny Rariny Ho An'ilay Vao 17 Taona Monja Tra-doza Noho ny TIfitra Nataon'ny Polisy

  29 Desambra 2012

Androany [18 Septambra, 2012] no manamarika ny herinandro hatramin'ny nahafatesan'i Sahquille "Georgie" Grant, 17 taona, noho ny tifitra nataon'ny polisy teo amin'ny alokaloky ny Third Street, Agricola. Nanamafy ny polisy fa nisy nitifitra ka dia namaly tifitra tsotra fotsiny ry zareo - nefa ity fanambarana mikasika ny zava-nisy ity dia notoherin'ny vavolombelona iray tsy mitonona anarana.

Espaina: Saina Sahisahy Eo Amin'ireo Tanora Mpifindra-monina

  17 Desambra 2012

Andro vitsy lasa izay, anisan'ireo lohahevitra malaza indrindra tao amin'ny Twitter i « Marina del Corral ». Del Corral, tompon'andraikitra ambony ao amin'ny Ministeran'ny Asa sy Ny Fiahiana Ara-tsosialy, na ny marimarina kokoa, Sekretera Jeneralin'ny Fifindram-ponenana sy ny Fifindra-monina, nanjary malaza izy noho ilay fanambarany niteraka fahatezerana tao amin'ny tambajotra sosialy. Nanambara ity...

Manelingelina Ny Fahazotoana Politika An-tserasera Ny Lalam-Pifidianana

  17 Desambra 2012

Raha mianoka tanteraka ny fahalalahana amin'ny aterineto ny Japoney, dia miova kely izany toe-draharaha izany amin'ny fotoam-pifidianana. Ny Lalam-pifidianam-panjakana ao amin'ny firenena no mandrara ny ny kandidà ara-politika tsy hamoaka tahirin-kevitra na sary sy mandrara ny olo-tsotra hanohana olo-malaza ara-politika – izany hoe raha ampiharina ny lalàna dia mihatra amin'ny famahanam-bilaogy, fisiahana ary...

Mandrehitra Ny Resaka Momba Ny Fanavakavahana Ny Raharaha “Kuku” Any Portiogaly

  13 Desambra 2012

Nandrehitra ny resaka fanavakavahana sy ireo vondrom-piarahamonina atao an-jorom-bala any Portiogaly ny fanambaràna famotsorana ho anà polisy portiogey iray namono nahafaty an'i Kuku, ankizilahy kely, 14 taona, tao amin'ny tànana iray be mponina ao Grand Lisbonne tamin'ny 2009, niteraka fanehoankevitra maro samihafa nanakiana ny fitsaràna portiogey tety anaty tambajotr sosialy.

Marary i Taiwan : Hoy Ireo Mpianatra Manao Hetsi-Panoherana Mantsy Ny Minisitry Ny Fanabeazana

  10 Desambra 2012

Satria ilay vondrona media ao Hong Kong , Next Media Ltd., nanambàra ny fanapahan-keviny hisintaka ny tsena ao Taiwan, dia lasa tena faran'izay mampatahotra ny ampihimamba atao amin'ny media ao Taiwan. Mino ireo mpianatra sady mafàna fo fa marary i Taiwan ary efa miha-lò ny fototry ny fahalalahany ka dia miantso tsy misy hatak'andro ny fanaovana lalàna mandràra ny fanaovana ampihimamba amin'ny media ry zareo.

Fuleco, Biby Famantarana Fifaninanan-Dalao Mampisara-tSaina an'i Brezila

  03 Desambra 2012

Hantsoina hoe Fuleco ilay biby famantarana ny fiadiana ho tompon-daka manerantany hatao any Brezila. Safidy nampalahelo satria amin'ny tenin-jatovo breziliana dia mety hidika hoe "lava-pitombenana" io na hoe olona kamo na mpandainga. Nilaza ny tsy fahafaliany manerana ny tambajotra sosialy ny mpiserasera breziliana. Efa nisy ny fanangonan-tsonia nahavoriana sonia mihoatra ny 39 000.