· Novambra, 2012

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Novambra, 2012

Bolgaria: Revolisiona Voatabia

  28 Novambra 2012

Nanao famoriam-bahoaka teo anoloan'ny Antenimiera Bolgariana ny vahoaka tamin'ny 24 Novambra, ary nampahafantatra tamin'ny fomba ofisialy ilay fantatra amin'ny anarana hoe” Revolisiona Voatabia”. Mandrahona ny Antenimiera ny voatabia Tamin'ny 9 Novambra, namoaka ny sarin’ [bg] ny lapan'ny Antenimiera feno saosy voatabia ny fampahalalam-baovao tsy miankina OFFNews. Tsy fantatra izay olona nanao izany sy...

Revon'ny ‘Daidougei'n'i Japana – Zava-kanto An-Dàlambe

  28 Novambra 2012

Voasodokan'ny “Daidougei”, karazana fampisehoana an-dàlambe, nandany taona maro naka sary ny bikan'ilay Kanto ny olon-tsotra iray mpaka sary. Izao no lohatenin'ny bilaoginy “ Tsy nitifitra afa-tsy ny sarin'ny Daidougei aho, izaho aza tsy mahalala hoe nahoana.” Andao hijery ity sangan'asa ity isika.

Trinidad & Tobago: Rahona Mainty, Medaly Volamena

  27 Novambra 2012

Nilona tao anatin'ny riaka mahery vaika sy tondradrano omaly maraina i Trinidad sy Tobago. Nihoatra ny moron'ny reniranon'i Diego Martin sy Maraval vokatry ny rivo-doza. Fa somary nihiratra kely ny sain'ny vahoaka tao amin'ny firenena - eny na dia fotoana monja fotsiny aza izany - satria nandrombaka ny medaly volamena io firenena io tamin'ny lalao Olympique ary faharoa izao teo amin'ny tantara izay isaorana manokana an'i Keshorn Walcott nohon'ny ezaka nataony teo amin'ny fanipazana lefona.

Manohitra Ny Kolikoly Ny Tanora Ao Amerika Latina

  27 Novambra 2012

Mizara lahatsary iray i Andrea Arzaba izay hanadihadiany ireo tetikasa tarihan’ireo tanoran’i Amerika Latina ho amin’ny mangarahara sy ny fandraisana andraikitra. Nandray anjara tamin’ilay Sehatra Fiadian-kevitry ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly Andiany Fahatelo,nokarakarain’ny Tambajotran’ny Tanora Eran-tany Manohitra Ny Kolikoly (GYAC) any Brasilia, Brezila ny 5 sy 6 Novambra teo.

Made in Libya / Vita Avy any Libia: Bilaogera Ahmed Ben Wafaa

Mpampianatra Siansa i Ahmed Ben Wafaa, izay nanomboka nibilaogy tamin'ny 2000 mba hahafahany milaza amin'ny fombany ny toe-javatra misy ao amin'ny fireneny, ary tamin'ny alalan'ny biloaginy "Made in Libya", na ny Vita avy ao Libya [ar] dia vitany ny tonga tamin'ny toerana maha-loharanom-baovao azy nandritra ny revolisiona Libiana. Nitafatafa taminy i Ahmed Ben Jeddou mba hahalalàna misimisy kokoa mikasika ny fitorahana bilaogy sy ny famoahalalam-baovaon'olon-tsotra ao Libya taloha sy taorian'ny revolisiona

Mpanakanto Toniziana Roa Niatrika Fitsarana Noho Ny Graffiti Nataony

Tamin'ny 3 Novambra, nosamborin'ny polisy ireo mpanakanto mpanao sariitatra, Oussama Bouagila sy Chahine Berriche satria nanao sarisary tamin'ny rindrina tao Gabes, ao Atsimo-Atsinanan'i Tonizia. Mpikambana ao amin'ny Zwewla [ar] [ “ny mahantra” amin'ny fitenim-paritra Toniziana] i Bouagila sy Berriche, fikambanana haikanto eny an-dalambe izay malaza amin'ny fanaovana sarisary eny amin'ny rindrina...

Filipina: Ny Fomba Nivadihan'ny “I’m a Liar?” Ho Lasa Tenifototra #amalayer

  20 Novambra 2012

Mpianatra eny amin'ny Kolejy, nitrerona ilay vehivavy iray mpiambina tao amin'ny tobim-piarandalamby ao Manila sady niampanga ity farany ho nivatravatra. Voarakitra anaty lahatsary ny hatezerany ary nisy nampakatra aty anaty aterineto. Ireo Filipiana mpikirakira aterineto nahita ilay lahatsary dia samy nanatsiny ilay mpianatra avokoa ho be dehaka sy tsy ampy fanajàna. Nampiasain-dry zareo ny tenifototra #amalayer ho enti-manondro ny fomba fanonon'ilay mpianatra ny teny hoe ‘I'm a liar’.

Nampidinina ho 16 taona ny taona fahafaha-mifidy tao Arzantina

  18 Novambra 2012

Ny 1 Novambra,2012, nankatoavin’ ireo Mpanao lalàna arzantina, ny lalàna momba ny taona hahafaha-mifidy ho 16, na dia izany aza anefa ny fifidianana dia tsy maintsy atao ho an'ny olona mihoatra ny 18 taona. Namoaka ireo fiovàna hita ao amin'ny lalàna 26774 mikasika ny maha-olompirenena arzantina izay manitatra ity fahafaha-mifidy ity ilay...

Fikononana Nanerana Ny Faritra Atsimon'i Eoropa

  18 Novambra 2012

Ny 14 Novambra 2012 no andro nahitàna fitokonana voalohany amin'ny karazany toy izao, nahitàna ireo firenena Eoropeana Tatsimo rehetra izay tena iantraikàn'ny olan'ny fitsitsiana sy ara-bola. Notaterin'ireo olon-tsotra mivantana avy eny an'arabe ny hetsika, hatramin'ireo fanehoana firaisankina, fahaiza-mamorona sy tatitra momba ny habibian'ny polisy.