· Aogositra, 2012

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Aogositra, 2012

Québec : Fifidianana Solombavambahoaka Mafampàna Taorian'ny Lohataona “québécois”

  31 Aogositra 2012

Hatao amin'ny 4 Septambra 2012 izao ny fifidianana solombavam-bahoaka 2012 any Quebec. Hifidianana ireo solombavambahoaka andiany faha-40 ho ao amin'ny Antenimieram-pirenen'i Québec izy io. Ireo fitsapan-kevitra farany dia maneho fa ireo mpitaky fizakan-tena avy amin'ny antoko Parti Québécois (PQ) no mitarika. Ny adin'ny mpirahalahy eo amin'ny federalista sy ny mpitaky fizakan-tena no nandrafitra hatry ny fiainana ara-politikan'i Québec. Maneho hevitra momba ilay fitsapan-kevitra, herinandro vitsy mialoha ny fifidianana Ireo mpikirakira aterineto ao Québec.

Maoritania: Maneso Ny Filoha Amin'ny Fampiasana Twitter

Niseho tamin'ny fahitalavi-panjakana ny Jeneraly Mohamed Ould Abdel Aziz Filoha Maoritaniana, ny 6 Aogositra teo. Nidaroka mpanao gazety ny mpitandro ny filaminana raha nandrakotra fisamborana sy fampijaliana nihatra tamin'ny vahiny nasaina iray izy, vahiny izay niantso ny Jeneraly mba hiala. Nanaraka sy nanadihady io tranga io ara-potoana ireo Maoritaniana mpampiasa Twitter .

Maraoka: Manampy Ny Mpianatra Hitondra Fiovana ny Aterineto

Tamin’ny volana Jolay lasa teo, vondrona mpianatra Maraokana nampahafantra pejy Facebook antsoina hoe “Ny Firasain’ny Mpianatra Maraokana Mba Hanova ny Rafi-pampianarana” (Fanafohezan-teny amin’ny teny frantsay: UECSE). Fitambarana tanora Maraokana ny vondrona izay mikendry ny “hirotsaka an-tsehatra, sy hiadihevitra momba ny vahaolana mahomby ho fanatsarana ny rafi-pampianarana”. Tao anatin’ny iray volana latsaka,...

Lahatsary: Tsy Misy Dobo? Tsy Olana! Misy Ny Vahaolana Iadiana Amin'ny Hafanana

  14 Aogositra 2012

Manery ireo olona marobe hitady fomba ialàna amin'ny fiakaran'ny maripàna na hitady fomba hahazoana aina ny tonontaona mafàna ao amin'ny ilam-bolantany avaratra. Mampiseho ny fomba famoronana sy ny fomba tsotra nataon'ny ireo tanora sy lehibe hoentina hiadiana amin'ny hafanana  ireto sary sy lahatsary manaraka ireto. Miady amin'ny hafanana amin'ny alalan'ny...

Shily: Fisalasalàna Ny Amin'izay Loharano Nipoiran'ny Herisetra Tamin'ny Hetsi-Panoheran'ny Mpianatra

  12 Aogositra 2012

Tamin'ny Alarobia 8 Aogositra 2012 lasa teo, an'arvonyireo mpianatra nanandrana nidina an-dalambe tao amin'ny làlana Alameda ao afovoan-tananan'i Santiago tainà hetsika iray tsy nahazo alàlana izay niafara tamin'ny fandorana fiarabe fitateram-bahoaka niisa telo. Ireny fihetsika mahery setra ireny dia nitarika ny governemanta hiampanga [es] ireo mpianatra ho nanome vahana ny korontana tamin'ny hetsi-panoherana nataon-dry zareo, raha ny sasany amin'ny mpanao hetsi-panoherana kosa nanontany tena raha toa ka tetika efa tena voaomana marina ny nisian'ireny jiolahimboto ireny.

Manatanteraka Ny Nofinofy Olaimpikan'i Grenade i Kirani James

  12 Aogositra 2012

Tany ampiandohan'ity herinandro ity, norombahan'i Kirani James ny medaly volamena tamin'ny hazakazaka 400m lehilahy tamin'ny Lalao Olaimpika , tamin'ny ampaham-potoana 43.94, mametraka azy ho ny olona voalohany avy any Grenade sy ny Fikambanan'ireo Firenena Karibeana Tatsinanana nahazo medaly Olaimpika toy izany. Mankalaza ny faritra.

Mitady Fialofana any Jordania Ireo Syriana An'arivony

Mitarika ireo Syriana handao ny fireneny ny toe-draharaha ankehitriny ao Syria, ka maro ireo lasa namonjy ny firenena mpifanolo-bodirindrina, Jordania. Nanambara ny loharanom-baovao avy amin'ny governemanta  jordaniana fa efa miomana amin'izay mety ho fahatongavan'ireo mpitsoam-ponenena syriana an'arivony ny manampahefana. Nanome alalana an'i ONU hanangana toby fialofana miisa 22 ao avaratr'i Jordania ny governemanta...