· Jona, 2012

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Jona, 2012

Rosia: Tetikasanà Crowdsourcing Hikarohana Ireo Ankizy Tsy Hita

Niforona ny ekipa mpikaroka sy mpamonjy aina Liza Alert taorian'ny nanjavonan'i Liza Fomkina tany amin'ny vohitr'iOrekhovo-Zuevo (manodidina ny 50 miles atsinanan'i Môskoa). Ho setrin'ny hetsika nahitana lesoky avy amin'ny governemanta, nanapa-kevitra ny hiombona ireo mpirotsaka an-tsitra-po mba hahazoana toky fa tsy hisy zavatra tahaka izany intsony hitranga.

Angola : Ny Mozikan'ny Fanoherana, Androny Tahaka Ny Omaly

  18 Jona 2012

Ireo fikambanana mpiaro n y zon'olombelona sy ireo bilaogera dia samy niteny faholo fa tandindonin-doza ny fahalalahana miteny ao Angola, amin'ny alàlan'ireo mafàna fo mpiangaly mozika. Mandritra izany fotoana izany dia natao tao Lisbonne ny fanomezam-bohinahitra ho an'ny mozikam-panoherana angoley izay ny tarika N'Gola Ritmos tamin'ny taona 50 sy 60. Fitetezana ny lasa izay mahatonga ny tena hisaina ny an,kehitriny ara-politikan'i Angola, nefa miha-manakaiky hatrany ny fifidianana.

Meksika: Niteraka Adihevitra Ny Hetsiky Ny Tanora #YoSoy132

  10 Jona 2012

NIteraka fanontaniana sy hevitra teo amin'ny tranonkalan'ny tambajotra sosialy ny atao hoe hetsika #YoSoy132 tsy miandany ara-politika. Iray volana eo ho eo sisa mialoha ny fifidianana Meksikana, andeha ho jerena ireo sasany amin'ny hevitra mifanohitra anatin'ireo bilaogy samihafa sy amin'ny alalan'ny feo.

Meksika: #YoSoy132, Fiandohan'ny Lohataona Meksikana?

  03 Jona 2012

Nanamarika ny fitsidihana nataon'ny kandida ho filoham-pirenena Enrique Peña Nieto tany amin'ny Anjerimanontolon'i Iberoamericana ny hetsi-panoherana nataon'ny mpianatra izay efa imbetsaka no nitsipaka ilay kandida. Izy ity, niaraka tamin'ny vaovao mitanila navoakan'ny haino aman-jeriy tamin'izany fotoana, no nanjary fangaronà vanja mipoaka, izay nivoaka voalohany tao amin'ny haino aman-jery sosialy, ary ankehitriny maka ny heriny eny an-dalambe any amin'ireo tanàna lehibe Meksikana.