· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Febroary, 2012

Etazonia: Asiana Indray Ny Kolontsain'ny Mpifindra Monina

  24 Febroary 2012

Niteraka fahatafintohinana ny fanapahan-kevitra hanaisotra ny tetikasa fampianarana Meksikana-Amerikana, izay efa napetraka tao  amin'ny sekolim-panjakana ao an-tanànan'i Tucson, ao Arizona, tamin'ny taona 1998. Ho an'ny maro an'isa, ny fanesorana ny tetikasa sy ny fandraofana an-keriny ireo boky toy izao dia mampiseho mazava ny  fomba konservativa tafahoatra, izay manohintohina ny harena ara-kolotsaina sy...

Espaina: Herisetran'ny Polisy Manoloana Ny Mpianatra Ao Valencia

  23 Febroary 2012

Nanao hetsim-panoherana ireo mpianatra tao amin'ny sekoly ambaratonga faharoa IES (Instituto de Educación Secundaria) Luis Vives ao Valencia (#IESLluisVives) noho ny fampihenana ny fandaniana hampiharin'ny Minisitera ny fampianarana, satria voatery hitondra bodofotsy ao an-tsekoly izy ireo noho ny tsy fisian'ny hafanana na ny fahatapahan'ny milina famanàna.  Araka izany, maro ireo trangana fifanandrinana niseho tao...

Syria: Noafahana i Razan Ghazzawi sy ireo Vehivavy Mpiara-miasa Aminy

Noafahana niaraka tamin'ireo vehivavy mpiara-miasa aminy ilay mpamahana bolongana Syriana sy mpitolona ho amin'ny fanehoan-kevitra an-kalalahana, Razan Ghazzawi tamin'ny Asabotsy teo. Avy amin'ny rahavavin'i Razan izany vaovao izany, izay ni-tweet tamin'ny hariva: @NadineGhazzawi: Ato an-trano ny rahavaviko:) saingy tsy afaka mandao ny firenena intsony izy…tsy navelan'izy ireo izy. Amin'izao fotoana anoratana...

Maraoka: Voasazy Noho Ny Famoahana Sariitatry Ny Mpanjaka Tao Amin'ny Facebook

Tamin'ny 7 Febroary 2012, niatrika fitsarana tao Rabat, renivohitr'i Maraoka,  i Walid Bahoman. Voampanga ho “nanala baraka ny hasin'i Maraoka”  ity lehilahy 18-taona ity tamin'ny alalan'ny fandefasana sary sy lahatsary manevateva ny mpanjaka Maraokana Mohammed IV tao amin'ny Facebook. Tsy vao voalohany no nisy mpiserasera Maraokana niatrika fitsarana noho ny fiampangana...

Venezoela: Niteraka Adihevitra Be ny Sarin'ireo Ankizy Milanja Fitaovam-piadiana

  09 Febroary 2012

Nipoaka ny adihevitra tao amin'ny valantserasra Venezoeliana taorian'ny fivoahan'ilay sarina vondron'ankizy mpianatra miaraka amin'ny basy tao amin'ny fari-bohitra iray be olona  indrindra ao Caracas, nivadika tanteraka ny Barrio 23 de Enero. Niparitaka haingana dia haingana ny sary nalaina sy navoakan'ny fikambanana “La Piedrita” tao amin'ny  pejiny Facebook ary niteraka fanehoan-kevitra marobe, ka nanjaka ny fanoherana...