· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Aogositra, 2011

Lahatsary: Vehivavy Manova Ny Fiarahamonina

  29 Aogositra 2011

Ny Voices of Women Worldwide (Feon'ny Vehivavy Manerantany) dia managona ireo olona manerana izao tontolo izao ka liana amin'ny fanaovana izay hahenoana ny feon'ireo vehivavy tsy mba nisy mpihaino, ireo tovovavy sy ankizy mampiasa ny karazana media rehetra azony raisina: lahatsoratra am-bilaogy, feo, lahatsary ary fampitam-baovao amin'ny haino aman-jery.

Afghanistan: Feon'ny Tanora Afghan Ao Amin'ny Lanonamben'ny Fampitam-baovao Marolafy

  29 Aogositra 2011

Ao Afganistana, nikofokofoka tokoa ny tambazotra Internews mba hanazatra sy hanetsiketsika ireo tanora Afghan hizara ny fomba fijeriny amin'izay lohahevitra mahaliana azy ireo ao amin'ny Afghan Youth Voices Festival na Lanonamben'ny Tanora Afghan manandram-peo sy ny lasim-pampitam-baovao.   Ny Afghan Youth Voices Festival  dia sehatra iray ahafahan'ny tanora Afghan maneho ny heviny, na...

Shily : Voasakan'ny Mpianatra Ireo Mpanao Fihetsiketsehana Mihoa-pefy

  16 Aogositra 2011

Nihetsika mangataka fanavaozana ny rafi-pampianarana ireo Shiliana mpianatra nanomboka tamin'ny Aprily. Anaty lahatsary tsy ela akory izay, azo atao ny mahita tranga tanaty fihetsiketsehana iray, ka nandritra izany dia nifampiraharaha ry zareo ka nahavita nandresy lahatra andian-jiolahim-boto nisaron-tava handao ny toerana. Maneho ny fanohanan-dry zareo ny mpianatra ireo Shiliana any anaty tambajotra sosialy any, amin'ny alalan'ny fivelesana vilany rehefa amin'ny 9 ora alina.

Grande Bretagne (UK): May i Londres (Lahatsary)

  16 Aogositra 2011

Nivadika korontana sy fandrobana teo amin'ireo tanora ao an-tanàn'i Londres sy ao an-tanàna hafa ao Royaume Uni  ny fahatezerana noho ny famonoana nataon'ny polisy taminà rangahy iray 29 taona tao Tottenham, avaratr'i Londres tamin'ny 4 aogositra 2011. Tao amin'ny Twitter, ampiasana tsy ankiato ny tenifototra #LondonRiots, misy hatrany ny fanehoan-kevitra, tsaho sy...

Mpitoraka Bilaogy Ao Amin'ny Global Voices Manoro Hevitra Ireo Tanora Mafàna Fo Avy Aminà Firenena Miisa 10

  14 Aogositra 2011

Anio dia ambaranay ny anaran'ireo mpitoraka bilaogy miisa 10 ao amin'ny Global Voices sy ireo "Activista" miisa 11 izay hiara-hiasa amin'ny alalan'ny aterineto mandritry ny volana ho avy rehetra. Izy io dia ampahany amin'ny eritreritra vaovao ho fanoroana hevitra izay novokarin'ny Global Voices sy ny Activista, tambajotran'ny tanora ao amin'ny fikambanana iraisam-pirenena mikatsaka ny fandrosoana, ActionAid.

Rosia: Mitantara Ny Kolikoly Ao Amin'ny Sampam-Pampianarana Ny Asa Fanaovan-gazety Ao Mosko Ireo Mpitoraka Bilaogy

Akon  14 Aogositra 2011

Tantarana mpitoraka bilaogy iray izay nahavita namaky bantsilana ny kolikoly ao amin'ny sampam-pampianarana ny asa fanaovan-gazety ao amin'ny anjerimanontolom-panjakana ao Mosko (MGU) izy ity. Toa tsy mampino sy tsy hisy mihitsy izany, manodidina ny fanadinana fidirana ho ao amin'ilay anjerimanontolo tena matanjaka sy malaza ho tsara indrindra ao Rosia izy ity, na dia hoe mety ho izany ihany koa aza angamba no singa tena itrangan'ny kolikoly indrindra eo amin'ny rafitry ny fampianarana ambony ao amin'ny firenena.

Norvezy: Fitantaran'ny Nanatri-maso Ny Vono Olona Tany Utøya

  13 Aogositra 2011

Mitoraka bilaogy ny hitany maso sy ny zavatra nataony mba hahavelomany i Prableen Kaur, 23 taona, mpanao politika eo an-toerana ary tanora mpitarika avy any Oslo, raha nitifitra ireo tanora avy amin'ny fikambanan'ny tanoran'ny Antokon'ny mpiasa (Labour Party) Norveziana (Labour Party) any Utøya any Norvezy ny mpamono olona marary saina iray.