· Jolay, 2011

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Jolay, 2011

Arabia Saodita: Ny mariazin'i #Tabukgirl

Tsy sambany tsy akory no nahitantsika lehilahy mampanambady ny zanany vavy tsy mbola ampy taona amina lehilahy efa voky taona, indrindra fa any Arabia Saodita sy any Yemen. Ho entin'i Mona Kareem amintsika ny tantaran'i #Tabukgirl [zazavavin'i Tabuk] sy ny adihevitra naterak'ity zazavavy noterena hanambady lehilahy efa 60 ity tany amin'ny valantserasera Saodiana.

Goatemalà : DipuKids, Andia Tanora Vaovao Kandidà Kongresy

  29 Jolay 2011

Ny ady an-trano tao Goatemalà tamin'ny (1960-1996) izay namono sy nandefa an-tsesintany ireo tanora mpitarika sy ireo mpianatra ambaratonga ambony marobe manana ny ho avy tao amin'ny firenena, no nampisy fahabangana lehibe teo amin'ny tontolo politika. Hatramin'ny nanaovana ny sonian'ny Fifanekem-pandriampahalemana teo amin'ny Goatemalteka tamin'ny 1996 dia nijanona ho ambany dia ambany ny...

Shina: Ento Any Amin'ny Faritra Ambanivohitra Ireo Bokinao

  23 Jolay 2011

Yu Jianrong, Sinoa manampahaizana malaza amin'ny fampandrosoana ny any ambanivohitra sy ny fanoherana ara-tsosialy miainga avy any fototra, dia namoaka fanentanana tselatra mba hizaràna boky efa niasa ho an'ireo tanàna ambanivohitra tany ampiandohan'ny volana Mey.

Sodàna Atsimo: Hafatra momba ny #LoveFromSudan

  22 Jolay 2011

Ny ampitson'ny fahaleovantenan'i Sodàna Atsimo, nanangana vondrona hetsika ny tanora Sodaney izay miezaka hampisy fifanakalozana sy firahalahiana eo amin'ny Atsimo sy Avaratra ary hampifandray amin'ny alalan'ny aterineto ny tanora avy amin'ireo firenena roa ireo. Mo Elzubeir no nifofotra voalohany tamin'ny fampielezana horonantsary, hafatra fandefasam-peo sy Twiter #lovefromsudan,  ary navitrika aoka izany tamin'ny fampandrosoana...

Maraoka:Mitohy ny Fihetsiketsehana Manohitra ny Fanovana

Tamin'ny Zoma 8 jiona 2011, nandatsa-bato tamin'ny fitsapakevi-bahoaka ny vahoaka Maraokana tamin'ny volavolan-dalampanorenana naroson'ny Mpanjaka Mohammed VI. Mampiseho ny fanohanana goavana ny fanovana ny valim-pifidianana ofisialy, izay 98 isan-jato no nisafidy ny ‘Eny’ avokoa. Nitaky ny fametrahana ny fitondram-panjaka parlemantera  ahitana fisaraham-pahefana mangarahara tanteraka ny mpanao fihetsiketsehana ho amin'ny demokrasia. Amin'ny...