· Jona, 2011

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Jona, 2011

Horonantsary: Fankalazana ny Fisarahan-taona

  29 Jona 2011

Arendrina, dihy, voninkazo ary afondasy no fitaovana sasantsasany ampiasaina amin'ny fankalazana manerana izao tontolo izao ny Fisarahan-taona Lohataona sy Ririnina.  Andeha hitety izao tontolo izao hijery ireo karazam-pankalazana niseho: Fisarahan-taona ao Stonehenge, Afondasin'ny Fetin'ny Masindahy Joany ao Espaina, Inti Raymi ao Pero, we tripantu ao Chile ary Andron'ny  Kupala ao...

Makedonia: Repoblika Twitter .mk

Mitohy ny Fihetsiketseham-panoherana ao Makedonia, raha mbola mandà na dia ny hiresaka izay tadiavin'ny olona amin'ny fangaraharana, andraikitra politika ary ny fanajanonana ny herisetra ataon'ny polisy fotsiny ihany aza. Tamin'ny alahady, dia nisy sarim-pamantarana vaovao nasehon'ny mpanao fihetsiketsehana sasany: Sainam-pirenena Masedoanina misy sary famantarana Twitter ao aminy, ho fahatsiarovana ny asan'ny fiarahamonina Twitter.

Moldavia: +1 Vote Fampielezan-kevitra Miroborobo Alohan'ny Fifidianana Ben'ny Tanàna

Hiatrika ny fampiharana demokrasia hafa indray ny renivohitr'i Moldavia, Chisinau amin'ny Alahady 19 jona, ka ho hita eo ny lany amin'ny fihodinana farany amin'ny fifidianana ben'ny tanàna ao an-toerana na ny liberaly na ny komonista . Naparitaky ny vondrona bilaogera ny fampielezan-kevitra an-tserasera 1 Vote mba hanentanana ireo tanora handeha hifidy, tsy misy ifandraisana amin'ny...

Siria: Manao Hetsi-Panoherana ho an'ny Hoavin'ny Ankizy

Miteny anatinà andian-dahatsary mahavaky fo ao amin'ny Youtube ireo tanora tra-doza tao Siria, milaza amin'ny antsipirihany ny zava-doza niainan'izy ireo sy ny fianakaviany andro aman'alina nandritra ireo fotoanan'ny revolisiona tao amin'ny fireneny nanoherana ny fitondran'i Bashar Al Assad. Ny hetsi-panoheran'ny androany Zoma dia natolotra ho an'ireo ankizy Siriana sy ny ho avin'izy ireny.

Mila Antenimieran'ny tanora ve i Malezia?

  03 Jona 2011

Nanao volavolan-kevitra ny hananganana ny Antenimieran'ny tanora ny praiminisitra maleziana mba hanairana sy hanentana ny tanora handray anjara amin'ny fitantanana ny firenena. Mizara ny heviny momba ity lohahevitra ity ny mpamaham-bolongana.