· Mey, 2011

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Mey, 2011

Ejipta: Herisetran'ny Mpitandro Filaminana Tamin'ny Androm-Panoherana tao Nakba, Cairo

Tamin-kerisetra mahery vaika no nandravan'ireo mpitandro filaminana ny androm-panoherana tao Nakba teo anoloan'ny Masoivohon'i Israely ao Cairo ny 15 May 2011, tifitra baomba mandatsa-dranomaso, bala vy mifono fingotra ary ny tatitra hafa aza dia nilaza fa bala tena izy no nitifirana ireo mpanao fihetsiketsehana.Niova mahatsiravina tampoka ny zava-niseho, nanjary nampahatsiahy ny zava-nisy tamin'ilay tolona ho amin'ny fiovàna nandritra ny 18 andro, ary tsy nitsahatra nibitsika nampita sy nandefa sarin'ireo fifandonana ny mpanao fihetsiketsehana sy ny mpanao gazety.

Lahatsary: Manam-pahaizana tanora vao misondrotra any Inde, Singapore ary Afrika Atsimo

  28 Mey 2011

Efa nivoaka ny filaharan'ireo mpifaninana hiatrika ny dingana antsasa-dalana amin'ny Tetikasan'ny Google Science Fair. Na dia nisokatra ho an'ireo tanora eo anelanelan'ny 13 sy 18 taona avy amin'izao tontolo izao aza izany, mahaliana ny manamarika fa i Etazonia, Singapore ary Inde no nahazo ny isa ambony indrindra tao anatin'ireo mpiatrika ny dingana antsasa-dalana 60 voafantina, izay ahitana ihany koa ireo tafiditra avy any Nouvelle-Zélande, Afrika Atsimo, Fanjakana Mitambatra ary Kanada.

Ekoatora: Telo Taona Taorian'ny Lozabe “Factory”

  24 Mey 2011

Ny 19 Aprily 2011 no nanamarika ny faha-3 taonan'ilay Tantara malazan'ny Factory: ny firehetana tao amin'ny Factory, toeram-pandihizana iray tao Quito tamin'ny 2008, tamin'izay no nisy fampisehoana Gothic-rock. 19 no maty vokatr'ilay firehetana ary 24 no naratra mafy. Tamin'ity tsingerintaona ity, nisy fanomezam-boninahitra sy hetsika iray natao mba hanentanana ny olona mikasika ity olana ity nataon'ny fianakaviana sy naman'ireo tra-doza.

Espaina: “Yes We Camp” na “Eny, Milasy izahay” Fanentanana An-dalambe Sy Anaty Aterineto

  21 Mey 2011

Hatramin'ny 15 May, nirotsaka an-dalambe ny vahoaka tao Espaina mba hitaky ny hisian'ny demaokrasia bebe kokoa amin'ny fifidianana ho avy eo, miaraka aminà olona an'aliny mitoby eny ivelany any amin'ireo tanàna maro samihafa manerana ny firenena. Mifandamina any anaty tambajotra ireo mpanao fihetsiketsehana sy mpanohana, sady mampiasa ny fitaovan'ny media sosialy hifampizaràna sy hanelezana ny vaovao, hilazàna ny tantarany, ary hiaraha-miasa anaty fifandrimbonana momba ny hevitra, ny fomba fijery syny fandraisana andraikitra.

Espaina: An'aliny ireo vahoaka nirotsaka an-dalambe

  20 Mey 2011

An'aliny ny olona nirotsaka an-dalambe tany Espana tamin'ity herinandro ity mba hanohitra ny kolikoly, ny tsy fahazoana antoka ny ampitso, ny tsy fisian'ny asa ary ny rafitra politika tsy misy afa-tsy antoko roa. "Tsy entam-barotra eny an-tànan'ny banky ny mpanao politika akory isika," no teny fanevan'ireo olona an'aliny nanao fihetsiketsehana nanerana ny firenena tamin'ny 15 May teo, andro vitsy monja mialoha ireo fifidianam-paritra. Hitohy ny hetsi-panoherana sy ny fitorevahana.

Tratry Ny Tazo Bieber i Brunei

  11 Mey 2011

Hanao fampisehoana goavana any amin'ny firenena maro ao atsimon'i Azia i Justin Bieber saingy toa adinony kosa i Brunei. Ary izany dia nanosika ireo mpankafy an'i Bieber ao Brunei hampiasa ny aterineto amin'ny alalan'ny twitter, bilaogy, sy youtube mba handresena lahatra ity mpihira ity hitsidika an'i Brunei.

Maraoka : “I love ‘Kech!”

Ny tanàna lehibe ho an'ny fizahantany be mpitsidika indrindra ao Maraoka, i Marrakech, izay niharan'ny famelezana tamin'ny fanapoahana baomba ny Alakamisy teo, tao amin'ny toeram-pisotroana sy fisakafoanana malaza iray, izay ao amin'ny iray amin'ireo toerana feno olona betsaka indrindra, Djemaa el Fna. Olona eninambinifolo no namoy ny ainy, ny hafa kosa...

Maraoka: Maneho Hevitra Momba ny Fanafihana tao Marrakech ireo Mpitoraka Bilaogy

Tratry ny fipoahana baomba i Marrakech, tanàna sangan'ny fizahantany ao Maraoka tamin'ny Talata teo, izay nandrava trano fisakafoana iray tao anatin'ny ora fisakafoanana indrindra, ny Argana, manamorona ny Kianja Jamaa Lefna. Araka ny fanambarana ofisialy dia nahafatesana olona 16 ilay fipoahana ka maro tamin'ireo no vahiny.Ireo mpitoraka bilaogy sy mpiondana aterineto no haingana indrindra tamin'ny fandefasana fijoroana vavolombelona teo noho eo ary fanambaràna fanohana ireo tra-doza. Indreto ny fantina.