· Janoary, 2011

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Janoary, 2011

Ejipta: Fanoherana an-dahatsary ny 25 Janoary

Nidina an-dalamben'i Kairo sy ny tanàna Ejipsiana maro hafa ny mpanao fihetsiketsehana ny talata 25 janoary teo izay andro tsy niasana, “Andron'ny Polisy”, hanoherana ny 30 taona nitondran'olo-tokana nanjakan'ny Filoha Muhammad Hosni Mubarak. Maro amin'ny mpitazana no nahatsikaritra ny fahabangan'ny tatitra ataon'ny gazety be mpanaraka, saingy nanangona andian-dahatsary ao amin'ny Youtube kosa ny olo-tsotra.

Alzeria : midera ny herim-pon'ny vahoaka any Tonizia ny any Alzeria

  25 Janoary 2011

Noharabain'ny mponina any Alzeria ny hetsika fanoherana nataon'ny vahoaka tany Tonizia nandravana ny fanjakan'i Zine El Abidine Ben Ali [EN] izay nanjaka tokana nandritra ny 23 taona. Any amin'ny resadresaka rehetra, ny bilaogy sy ny facebook, dia tsy hitan'ny vahoaka any Alzeria intsony izay hilazana ny herim-pon'ny vahoaka Toniziana izay nanohitra...