· Novambra, 2010

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Novambra, 2010

Ekoatera: Fanentanana “Diovy Quito” iadiana amin'ny siligaoma

  25 Novambra 2010

Efa mba noeritreretinareo ve hoe ohatrinona no lanin'ny fiadidian'ny tanàna hanesorana ny siligaoma mipetaka amin'ny lalana rarivato? An'arivony dôlara ny vola lany hanadiovana ny arabe hiadiana amin'ny fahazaran-dratsy manary siligaona amin'ny tany. Manao fanentanana amin'ny fanalana siligaoma mipetaka amin'ny tany sady mba mampadio kokoa ny renivohitra ny fiadidiana ny tanàna sy ny sakoly maro ao an-toerana.

Singapore: Mitombo ny herisetra ataon'ny jiolahy

  20 Novambra 2010

Nanjary sehatra nifaneraserana ny rohy twitter #slashing sy #369 tato ho ato. Malaza amin'izany ny zava-niseho fandratrana amin'ny sabatra nataon'ireo andian-jiolahy tanora mitondra ny anarana hoe 3-6-9. Matahotra sady tezitra ny mponina manoloana ny fitombon'ny herisetra ataon'ireo jiolahy tato anatin'ny herinandro maromaro izao. Tanora avy any Singapore anelanelan'ny 14-20 taona am-polony...

Asia Atsimo-Atsinanana: Tranonkalam-panabeazana ifanakalozana momba ny ara-pananahana

  07 Novambra 2010

Nanomboka nisokatra ny Jolay 2010 teo tany Singapore, ny vohikala sexxie.tv dia nilaza ho sehatra fampianarana ara-pananahana voalohany sy tokana erantany izay novolavolain'ireo mpitsabo malaza mikasika ny fampianarana ifanakalozana ara-pananahana. Tsy sahala amin'ireo fandaraham-pianarana nentindrazana mikasika ny fananahana, ny sexxie.tv fa mampiasa ny sehatry ny aterineto mba hahatratrarana izay liana amin'izany.

Zeorzia: Fandinihana momba ny Fampianarana sy Fianarana

  03 Novambra 2010

Mampianatra sy Mianatra miaraka amin'i Georgie Georgia (TLG) dia tetik'asa iray novolavolain'ny Minisiteran'ny Fampianarana sy ny Siansa any Zeorzia (MES) hikendrena manokana ireo olona tompon'ny teny miisa 1000 mahay miteny anglisy ka te hampianatra any amin'ny sekoly any an-toerana mandritra ny taom-pianarana 2010-2011. Ny andiany voalohany amin'ireo mpampianatra ireo no...