· Aogositra, 2010

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Aogositra, 2010

Pakistana: Ezaka fanampiana – Tatitra avy any an-toerana

  29 Aogositra 2010

Indraindray, mila traik'efa betsaka vao afaka mahatsapa ny tena mampalahelo amin'izao zava-mitranga izao. Ato amin'ity lahatsoratra ity izahay mizara tatitra sasany avy amin'ny mpanoratry ny Global Voices Salman Latif any Multan izay vao tsy ela no tany amin'ny faritr'i Muzaffargarh sy Mehmood Kot any Pakistan mba hizara fanampiana ho an'ireo tra-boina.

Pakistana: Manao hetsika ireo mponina amin'ny aterineto hanampiana ireo tra-boin'ny tondra-drano

  28 Aogositra 2010

Naka ain'olona 1600 mahery ny tondra-drano a farany teo tany Pakistan ary nahakasika vahoaka manodidina ny 20 tapitrisa izay tena anatin'ny filàna fanampiana mihitsy amin'izao. Mitety ireo faritra mamakivaky an'i Pakistana ireo tanora Pakistane mponina amin'ny aterineto mizara ireo fanampiana ary maneho ireo hetsika ataony ho hita mivantana amin'ireo bilaoginy, sy ny Twitter, ireo sary sy ireo horonantsary.

Maraoka: “Ny fotoam-pialan-tsasatro miaraka amin'ny boky”

Ao anatin'ny tontolo rakotry ny teknolojia mivoatra, sy toerana ahitana fa mihamora ny famakiana e-boky sy ireo pilina ary miha-mora hatrany isan'andro ny fidiran'ny vahoaka aminy, mety mbola hisy toerana tavela ve ao amin'izany ho an'ireo boky nosoratana fahiny? Ho an'ireo mpitoraka bilaogy Maraokana sasany, ny valinteny dia eny, ary eo ny teknolojia hanaporofo fa marina izany

Pakistana: Antsoy hoe Pornistan?

  08 Aogositra 2010

Tamin'iny volana lasa iny, Fox News dia namoaka tatitra nanambara fa i Pakistana no mitàna ny laharana voalohany amin'ny tranonkala vetaveta araka ny voarakitr'i Google. Manadihady ilay tatitra ireo mpitoraka blaogy Pakistane ary mampahatsiahy teboka manan-danja vitsivitsy mifandraika amin'ireo olana fanasivanana aterineto ao amin'ny firenena.