· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Jolay, 2010

Bangladesh: ankizy iray ananganana indray ny sekoly

  31 Jolay 2010

Ankizy iray dia ampy nitantarana ny fahasimban'ny trano fianarany nanoloana ny fakantsary : nandritra ny volana nanaraka izay, isaorana i Shawn Ahmed avy ao amin'ny Uncultered Project and Nerdfighters, izay nampiasa ny Youtube hanangonana vola ampy hananganana indray ity sekoly rava ity. Pidahouse ao amin'ny Signboard nalefan'i Shawn Ahmed nahazoana...

Palestina: Ny hirifirin'ny sesitany

Ny mpitsoa-ponenana Palestiniana no iray isan'ny betsaka indrindra amin'ireo vahoaka nafindra-monina maneran-tany, miaraka amin'ny Masoivohon'ny Firenena Mikambana misahana ny Asa sy Fanampiana ny mpitsoa-ponenana ao Palestina any Proche Orient (UNRWA) izay mitondra fanampiana ho ana mpitsoa-ponenana voasoratra anarana efa ho 4.7 tapitrisa any amin'ny faritra Palestiana bodoina, Jordan, Libanona ary Syria. Mbola an-tapitrisany koa ireo Palestiniana nafindra monina sy mpitsoa-ponenana miaina eran'izao tontolo izao. Na izany aza, lalim-paka ny fifikiran'izy ireo amin'ny tanindrazana nilaozan'izy ireo, na ny raiamandreniny na ny raibe sy renibeny any aoriana any. Mpitoraka blaogy roa avy ao Gaza no nanoratra momba ny hirifirin'izany hoe an-tsesitany.

Togo: Manararaotra ny fivoaran'ny teknolojia ireo vehivavy sy ireo tanora

  18 Jolay 2010

Tamin'ny faha-17 Jona, nisokatra tany Ouagadougou, Burkina-Faso[fr] nyfihaonam-be panafrikana fahatelo mikasika ny fomba fampiasa tsara indrindra ny ICT [TIC amin'ny teny Frantsay; Teknolojian'ny Fampitambaovao sy ny Fifandraisana] any amin'ny tany miteny frantsay ao Afrika . Raha miompana kokoa amin'ireo ftetika hifehezana ny heloka bevava anaty Aterineto ny fihaonam-be, ireo tontolon'ny blaogy Togolezy kosa dia manararaotra sy miresaka ny tanjaky ny teknolojian'ny fampitam-baovao ho amin'ny fampandrosoana, indrindra fa ny vehivavy sy ny tanora

Bahrain: Atsaharo amin'izay!

Miaraka amin'ny volana masin'ny Ramadan silamo (volana fifadian-kanina) izay mihamanakaiky haingana dia haingana, ilay mpitoraka blaogy Bahraini Tawfeeq Al Rayash dia manenjika bitro roa. Mifady hanina mandritra ny telo volana izy ary miala amin'ny fifohana sigara taorian'ny antso fampahatsiarovan-tena avy amin'ny zanany vavy. Manambara ilay mpitoraka blaogy: قررت أن أبدأ...