· Febroary, 2010

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Febroary, 2010

Frantsa: Mpianatra manerantanymitoraka blaogy an'i Parisy ao amin'ny Cité Babel

  26 Febroary 2010

Ny Tanàna iraisam-pirenenan'i Parisy dia mampiatrano vondrom-piaraha-monina mpianatra avy amin'izao tontolo izao monina sy mianatra any amin'ireo Anjerimanontolo Frantsay. Ny blaogy sy gazetin'izy ireo, "Cité Babel" dia mandinika ireo olana mifandraika amin'ny maha-izy azy ny tena, ny kolo-tsaina, ny tenim-pirenena ary ny fomba fijery an'i Frantsa sy izao tontolo izao.

Shina : Manetsika ny reny hitaky ny sivana

  23 Febroary 2010

Nametraka fikambanana antsoina hoe Neny Mpitsara (Mama Jury) ny Fikambanan'ny media an-tserasera any Beijing tamin'ny 19 Janoary 2010 hanivana ny vaovao mamoha fady sy vetaveta an-tserasera. Ny tatitra nataon'ny Southern Weekend moa no nametraka fa avy tany amin'ny firenena tandrefana no niaingan'ny hevitra hikambanan'ny reny “hiaro” ny ankizy tsy hahita...

Però: Sekoly Ambony vaovao ho an'ny mpianatra tena sangany

  22 Febroary 2010

Tany amin'ny fanombohan'ny taona 2009 tany ny filoha Peroviana Alan García no nanambara ny fananganana ny Sekoly Ambony Filohan'i Però [es] aorina any Huampaní, tokony ho 25 km atsinanan'i Lima (renivohitra). Tetikasam-panabeazana (mitady voninahitra) hampidirana ny mpianatra 500 mahay indrindra avy amin'ny sekoly 47 tsara indrindra manerana ny firenena izy...

Haiti: Fisaonana sy fitiavana

  19 Febroary 2010

Na dia eo aza ny fahasarotana iainan'ny vahoaka Haitiana hiverina amin'ny fiainana andavanandro taorian'ny horohorontany tamin'ny 12 janoary lasa teo dia nahazo vahana tao amin'ny tontolon'ny bilaogy ny fankalazana ny andron'ny mpifankatia. Alterpresse manazava ny fizotry ny fankalazana tamin'ity taona ity [Fr]: Des milliers de personnes ont encore pris part à...

Hoy ny mpamahambolongana Amerikana momba ny fangalaran-jaza kamboty Haisiana

  18 Febroary 2010

Raha eo andalam-panarenana sy fanorenana i Haiti, dia misy indray ny fanahiana ny mikasika ny kilonga indrindra moa fa ny kamboty. Efa maro ny tatitra momba fitadiavan'ireo mpanondran-jaza mitady kilonga marefo fiarovana, ary anisan'izany ity vaovao navoakan'ny CNN ity. Misy fifandraisana betsaka amin'i Etazonia ny momba ny kamboty satria Amerikana...

Brezila: Rakitsary Campus Party 2010

  13 Febroary 2010

Lasa Ambohipihaonan'ny mpankafy, manampahaizana ary mavitrika amin'ny resaka aterineto i São Paulo tamin'ny volana lasa teo, nandritra ny Fihaonan'ny Anjerimanontolo (na Campus) Breziliana. Nisy fihaoana momba ny LAN, ny teknolojia, ary ny kolontsaina nomerika tao nanombokany 25 ka hatramin'ny 31 janoary 2010. CampusPartyMT [pt] moa dia iray amin'ireo bolongana nitatitra...

Haiti: Fomba fahitan'ireo tanora momba ilay horohorontany

  02 Febroary 2010

Na dia betsaka aza ny tatitra natao taorian'ilay horohorontany mirefy 7,3 nanimba ampahany betsaka tamin'ny renivohitr'i Haiti, nisy vondrona mpitoraka blaogy haitiana iray adinodino - ireo tanora. Ity misy topimaso kely amin'izay lazain'ireo tanora momba ity loza ity, izay nanokatra vanim-potoana iray vaovao teo amin'ny fiainan'izy ireo.

Herisetra ataon'ny polisy any Timor nalaina an-tsary mihetsika

  01 Febroary 2010

Tsy zava-baovao ny herisetra ataon'ny polisy any  Timor-Atsinanana , kanefa vaovao ny nangalana izany an-tsary mihetsika. Zavatra niseho tamin'ny raharaha “Rodney King” tany Timor-Atsinanana sy ny polisiny izy ity. Polisy any Timor (PNTL) nalaina an-tsary eo am-panaovana herisetra. (Avy amin'ny fahatsaram-pon'i A.Tilman) Polisy any Timor (PNTL) nalaina an-tsary eo am-panaovana herisetra. (Nahazoana alalana tamin'i...