· Aogositra, 2009

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Aogositra, 2009

USA: “Ho roahina hody aho amin'ny Alarobia”

  18 Aogositra 2009

Herta Llusho dia mpianatra vao 19 taona mety ho voaroaka hiala an'i Etazonia hody any Albania amin'ny Alarobia 19 Aogositra. Mpitoraka blaogy maro ao amin'ny DreamActivist.org sy blaogy maro hafa ho an'ny zon'ny mpifindra monina no miantso ny Amerikana mba hanampy azy.

Ejipta: Fihemorana tsy misy fetra ny aterineto asiana fetra

  17 Aogositra 2009

Nifampitantana ny mpampiasa aterineto tany Ezypta naneho ny fahatezerany tamin'ny lalàna vaovao nametra ny fampiasany aterineto. Nadaboka ankehitriny ilay lalàna ka izay vao misoratra anarana ihany sisa iharany, ao anatin'ny roa volana, rehefa hita ny herin'ny hetsika.

Japana: Lany tany Ishikawa ny fandrarana ny kilonga tsy hitondra finday

  15 Aogositra 2009

Sambany, lany tamin'ny 29 jona tao amin'ny prefekitioran'i Ishikawa (500 km/315 maily avaratr'i Tokyo) ny lalàna mametra ny fampiasana finday ho an'ny zaza sy ny kilonga hiditra amin'ny fahatanorana , naresaka tao amin'ny tontolom-bolongana ny adihevitra amin'izay sahaza sy tsy sahaza ny kilonga sy ny resaka fiantsoana finday. Hita ao...

Caucasus: Resadresaka niaraka tamin'i Micael Bogar

  14 Aogositra 2009

Taorian’ireo disadisa telo tsy nahitam-bahaolana sy olana ara-poko maro dia toa tsy dia hita taratra loatra ny fandriampahalemana sy fitoniana any atsimon’I Caucasus Taorian’ny nipetrahany sy niasany tany an-toerana nandritra ny taona maro, talen'ny Tetikasa Center for Social Media ao amin’ny anjerimanontolon’I Amerika izao i Micael Bogar ary miresaka amin’i Global Voices Online momba ny tanjaky ny fitaovana haino aman-jery vaovao hisorohana disadisa sy hamerenana ny fifandraisana eo amin’ireo firenena mifanditra.

Pakistan: ny “Mouvement Go Green” na ny hetsika alefa ry maitso

  07 Aogositra 2009

Manana namana pakistanais ao amin'ny facebook na ao amin'ny twitter ve ianao? Raha eny, mazava ho azy fa misy ny sariny eo amin'ny fidirana ary ny sarin'ny sainam-pirenena pakistanais no rindrina ao aoriany. Izany dia vokatry ny “Mouvement Go Green” notarihan”i Farhan Masood sy ireo namany mpilatsaka an-tsitrapo manerana an'i...

Firenena Mikambana: fifaninanana horonantsary ho an'ny olona 9-25 taona momba ny fifindra-monina

  04 Aogositra 2009

Mikarakara ny fifaninanana horonantsary Plural+ momba ny fananganana fiaraha-monina mandray andraikitra sy mahay mifandefitra kokoa ny 'Vovonana momba ny sivilizasiona ao amin'ny Firenena Mikambana [United Nations Alliance of Civilizations]'. Misokatra ho an'ireo mpandray anjara rehetra eo anelanelan'ny 9 hatramin'ny 25 taona hatramin'ny 30 Septambra io fifaninanana io

Shina: Ho vita hatreo ve ny politikan'ny zaza tokana?

  02 Aogositra 2009

Araka ny voalazan'ny Time magazine, dia mety hiova ny politikan'ny zaza tokana, anankiray amin'ny maha shina an'i Shina ankehitriny. Taorian'ny fandrisihan'ny tompon'andraikitra momba ny fandrindrana ny fiainam-pianakaviana avy any Shanghai tao amin'ny gazetim-panjakana ny mpivady hiteraka roa vokatry ny fahanteran'ny mponina sy ny tahotra tsy hisian'ny ho avy mamiratra izany....