· Jolay, 2009

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Jolay, 2009

Armenia: Resadresaka nifanaovana tamin'i Liana Aghajanian

  30 Jolay 2009

Teraka tany Iran, fa nitombo sy mipetrakat any Etazonia ankehitriny, I Liana Aghajanian dia mpanoratra ary vaovao eo amin’ny tontolon’ny blaogy Armenianina. Na dia mitoraka blaogy ao amin’ny vohikalany manokana aza izy, I Aghajanian dia efa nanana ny nampiavaka azy manokana tany aloha tany ho an’ireo feo hafa sy ny haino aman-jery miahy tena any Armenia ary koa ny Diaspora miaraka amin’ny e-zine Ianyan mampiasa ny Wordpress .

Azerbaijana:Tweet farany talohan'ny fisamborana

  18 Jolay 2009

Emin Milli, iray amin'ireo tanora roa sady mafana fo avy amin'ny firaisamonin'olon-tsotra voadaroka mafy sy notanana an-trano maizina roa volana noho ny hooliganism tany Baku tamin'ny herinandro lasa teo, no nandefa hafatra tamin'ny alalan'ny tweet tamin'ny 24 Jona. Tsy vitan'ny hoe ity no hafatra farany nalefany talohan'ny nisamborana azy, fa sady mbola manohina ny fo ihany koa.

Azerbaijana: Tanora mafana fo, mpitoraka blaogy, voadaroka sy voasambotra

  18 Jolay 2009

Tamin'ny 8 Jolay, Emin Milli, iray amin'ireo mpanangana ny fototry ny hetsika tanora the Alumni Network ary Adnan Hajizada, mpitoraka blaogy an-tsarimihetsika avy ao amin'ny OL! Youth Movement dia niharan'ny daroka mafy nataon'olon-tsy fantatra raha nisakafo niaraka tamina vondron'olona sivily hafa sy tanora mafana fo tao amina trano fisakafoanana iray tao an-tanànan'i Baku. Taorian'ny nametrahan'izy ireo fitoriana tany amin'ny manampahefana momba ny zava-nitranga dia ry zareo indray no notànana, mety hihoatra ny 48 ora.

Malezia: Novan'i Yuna endrika ny mozika Indie

  14 Jolay 2009

Taona vitsivitsy izao dia maro tokoa ireo mpiangaly mozika miahy tena no mahazo dera sy laza avy amin'ireo tranonkalam-pifandraisana ara-tsosialy toy ny YouTube sy ny MySpace. Fantaro i Meet Yuna avy any Malezia. Ambetin-dresaky ny tontolon'ny fitorahana blaogy any an-toerana izy amin'izao tsy noho ny famokarana mozika avo lenta ihany fa noho ny sariny mahafatifaty indrindra koa. Manaitra izy, amin’ny saina madio, teo amin’ny sehatry ny mozika indie noho ny fiakanjoany ny tundung, sy saly afatotra amina loha izay fanaon’ny tovovavy any Malezia.