· Jolay, 2008

Tantara mikasika ny Tanora tamin'ny Jolay, 2008

Bahamas: kolontsaina fimailo

  23 Jolay 2008

“Mihanaka aoka izany ny aretina azo avy amin'ny firaisana tsy voaro sy ny tsimok'aretina VIH/SIDA any Bahamas , noho ny fitomboana fatratra ny isan'ireo tanora tratran'izany”: Adrian Gibson ao amin'ny WeblogBahamas moa dia manolo-kevitra hisian'ny fimailo any an-tsekoly.

Myanmar: Tanora be olana ao Londres

  20 Jolay 2008

Mahatsiaro voakasika amin'ny fianahan'ny ditra tafahoatra lasa heloka ataon'ny tanora ao Londres (Renivohitry Angiletera io) ny mpamaham-bolongana Birimana mipetraka amin'io tanàna io. Latsa-panontaniana lalina i Steve E.  “Nahoana moa no niakatra haingana dia haingana ny fifamonoana amin'ny alalan'ny antsy amin'izao fotoana izao?” ary mieritreritra fomba entina hampihenana izao fanaovana heloka bevava izao...

Bahrein:Fomba fijery ny asa an-tsitrapo

  20 Jolay 2008

Misy any amin’ny firenen-drehetra ny asa an-tsitrapo, saingy ny antony mandrisika ny mpirotsaka an-tsitrapo no miovaova be ihany. Mpitoraka blaogy iray avy ao Bahreïn, mandranto fianarana any Royaume-Uni amin’izao fotoana izao, no manao fampitahàna ny antony mandrisika ireo mpirotsaka an-tsitrapo any amin’ny fireneny sy ny any amin’ny firenena tandrefana. Atombok’i...

Madagasikara: Fanambadiana aloha loatra sy fahasimban'ny taova

  18 Jolay 2008

Mialy, mpamaham-bolongana avy eto Antananarivo, no mamelabelatra ny fahoriana mianjady amin'ny  zazavavy manambady [fr] any ambanivohitra noho ny olana ara-tsosialy sy ara-pahasalamana vokatry ny fanambadiana aloha loatra. Azavainy ary fa ny fistule (fahasimban'ny taova toy ny lalanjaza), vokatry ny fiterahana aloha loatra, ka miteraka tsy fahatazonana fivalanandrano (tsy matatanty poritra)...

Egypta: Mirodana ireo tranobe

  17 Jolay 2008

Zava-mahazatra eto Egypta ny lohateny vaventin’ireo gazety milaza fikorotsahana tranobe , ary koa ireo vatana mangatsiakan’ankizy sintonina avy any ambanin’ireny korontan-javatra ireny. Ibn Al Dunya, [anglisy], ao amin’ny blaogy Fustat, dia mitatitra ny zava-doza farany hatreto, izay namoizana ain’olona tsy manatsiny dimy. Hoy ny mpitoraka blaogy manazava [anglisy]: Tranobe iray...

Rosìa : Andron'ny Mpianakavy, ny Fifankatiavana ary ny Fanajana ny Fanambadiana

  10 Jolay 2008

Ny Andron'ny Fitiavam-bady sy ny fahasambaran'ny mpianakavy – nankalazaina tamin'ny faha-8 Jolay, Môskoa, Rosìa (sary nalain'i Veronica Khokhlova, mpanoratra ny lahatsoratra nadika) Nahazo andro tsy fiasana vaovao iray indray i Rosìa : ny Andron'ny Mpianakavy, ny fifankatiavana ary ny fanajana ny fanambadiana, izay ankalazaina isaky ny 8 Jolay. Amin'ny alalan'ny lahatsoratra nampitondraina ny...

India : Taham-pahaterahan'ny vavy mihoatra amin'ny lahy, iva indrindra hatrizay hatrizay

  09 Jolay 2008

Pascale avy any Abu Dhabi [Fanjakana Arabo mitambatra] no manapariaka ao amin'ny Natifnatal ny tatitra nataon'ny ActionAid, fikambanana tsy miankina amin'ny fanjakana [ONG, NGO] avy any Angletera, izay mampiharihary fa latsaka amin'izay iva indrindra hatrizay hatrizay ny taham-pahaterahan'ny vavy mihoatra amin'ny lahy any India ankehitriny : Dans ce pays où tout le monde...

Rosìa : “Detskiy Mir” tranombarotra kilalao any Môskoa

  01 Jolay 2008

yustas izay mpampiasa ny vohikala LJ [livejournal.com] no manapariaka sary ampahalalana ny tranombarotra Detskiy Mir (”Tontolon'ny kilonga”), fivarotana kilalao any Môskoa izay nakatona omaly noho ny fanavozana izay tombànana haharitra telo taona.