Tantara misongadina momba ny Tanora
Azerbaijana: Tanora mafana fo, mpitoraka blaogy, voadaroka sy voasambotra
Tamin'ny 8 Jolay, Emin Milli, iray amin'ireo mpanangana ny fototry ny hetsika tanora the Alumni Network ary Adnan Hajizada, mpitoraka blaogy an-tsarimihetsika avy ao amin'ny OL! Youth Movement dia niharan'ny daroka mafy nataon'olon-tsy fantatra raha nisakafo niaraka tamina vondron'olona sivily hafa sy tanora mafana fo tao amina trano fisakafoanana iray tao an-tanànan'i Baku. Taorian'ny nametrahan'izy ireo fitoriana tany amin'ny manampahefana momba ny zava-nitranga dia ry zareo indray no notànana, mety hihoatra ny 48 ora.
2009-10-20
Malawi: Fanatanjahan-tena sy Kamkwanba, ilay tovolahy namokatra angovo avy amin'ny rivotra
Na dia mangina aza ny tontolon'ny bilaogy amin'ny ankapobeny dia nisy zava-niseho maro tany Malawi tato anatin'ny herinandro vitsivitsy izay.
Vao tamin'ny faran'ny herinandro teo dia nanao ady sahala tamin'ny Elefantan'i Côte d'Ivoire i Malawi ary anisan'ny mpilalao tamin'izany i Didier Drogba, mpilalao avy any Chelsea. Tao amin'ny kianjan'ny Kamuzu no ...
2009-10-13
Nanintona ny mpankafy TIC avy any amin'ny faritra ny Barcamp tao Phnom Penh

2009-10-10
Abidjan Blog Camps: Ny atrikasa voalohany
Nikarakara ny fandaharam-pampiofanana ny fampitam-baovaon'olo-tsotra voalohany tamin'ity volana ity (septambra) ny Abidjan Blog Camps izay tetikasa vatsian'ny Rising Voices.
Roger Kassé no manome fanampim-baovao momba ny atrikasa notontosaina ny 3 Septambra 2009:
Noho ny fandraisana andraikitry ny sendikàn'ny mpanao gazety ao Côte d'Ivoire (UNJCI), sy ny niarahany niasa tamin'ny Fikambanana ...
2009-09-30
Singapaoro: Mampiady hevitra ny faripahaizan'ilay Oliravina
Voahosotra ho Oliravina manerantany Singapaoro 2009 ao Singapaoro ny mpianatra 19 taona Ris Low, mpianatra, 19 taona tamin'ny zoma 31 jolay 2009.
Fotoana fohy tato aoriana, nalaina sary sy feo izy ary rehefa nivoaka tamin'ny aterineto izany rakitsary sy feo izany dia azo nitarafana ny fifehezany teny anglisy. Niteraka adihevitra, na ...
2009-09-28
Porto Rico: Adihevitra momba ny sivana
Ny Ministeran'ny Fampianaran'ny governemantan'i Porto Rico dia nanala boky dimy amin'ny fandaharam-pianaran'ny taona faha-11 ao amin'ny rafi-pampianaran'ny sekolim-panjakana. Maro ireo mpanoratra sy mpanakanto any Porto Rico no naneho ankarihary ny olany ary nandray ny fihetsiky ny governemanta ho sivana. Mihetsika noho izany fifanoheran-kevitra izany ny tontolon'ny blaogy ao Porto Rico.
2009-09-22
Shina: Mpianatra ao Beijing manohitra ny hanao famerenana mitabe
Satria moa efa mihamanakaiky ny 1 Oktobra hankalazana ny faha-60 taonan'ny Repoblika entim-bahoakan'i Shina, dia netsehina hanao mitabe ho amin'izany fotoan-dehibe izany ny mpianatra avy amin'ny lisea sy ny Anjerimanontolo mihoatra ny iray hetsy ao Beijing. Misy ny mpianatra tsy faly loatra satria tsy maintsy manao mitabe avokoa ny ...
2009-09-09
Maraoka: Fampianarana ny teny “Berbery” any an-tsekoly
Niteraka resa-be tao amin'ny tontolon'ny blaogy Maraokana ny lahatsoratry ny BBC News iray momba ny fampianarana ny “teny Berbery” any Maraoka. Ilay lahatsoratra, izay manasongadina ireo safidim-mpampianarana hianarana sy handalinana ilay fiteny, sy manome fanazavana momba ny fivoaran'ny alfabeta Tifinagh, dia niteraka karazan-dahatsoratra maro. Mitantara i Jillian C. York.
2009-09-08
2009-08-17
Ejipta: Fihemorana tsy misy fetra ny aterineto asiana fetra
Nifampitantana ny mpampiasa aterineto tany Ezypta naneho ny fahatezerany tamin'ny lalàna vaovao nametra ny fampiasany aterineto. Nadaboka ankehitriny ilay lalàna ka izay vao misoratra anarana ihany sisa iharany, ao anatin'ny roa volana, rehefa hita ny herin'ny hetsika.






