· Avrily, 2013

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Avrily, 2013

Niakatra Ny Tahan'ny Famonoana Vehivavy Ao Meksika

  29 Avrily 2013

Violeta, tovovavy mpianatra 18 taona no hita faty [es] tao amin'ny làlan-tany ao amin'ny Faritra Chiapas, nahitana dian-dratra ny vatany. Nandritra izany ihany, tao amin'ny Faritra Guanajuato, fatim-behivavy iray antsoina hoe Olga no hita [es] nalevina ny tapan'ny vatany ary rakotra sokay. Toa nokendaina izy. Roa amin'ireo lasibatra manoloana ny fihanaky ny herisetra arahina...

Indonezia: Fandinihana Momba Ny Andron'ny Fanafahana Ny Vehivavy

  25 Avrily 2013

Mankalaza ny fitsingerenan'ny taona nahaterahan'i Raden Ajeng Kartini isaky ny 21 Aprily ny Indoneziana, fanta-daza amin'ny fiarovana ny zon'ny vehivavy i Raden. Teraka tanaty fianakaviana andriana manam-pahaizana i Kartini, lehiben'ny Fisoloan-toeran'ny mpanjaka ao Jepara ny rainy, izay asa natokana ho an'ny sarangan'olona ambony sy manam-pahaizana. Mpampianatra Islamika kosa ny raibeny...

Voaolana? Raiso Ny Vola, Dia Mangina! Hoy Ny Polisy Indiana

  22 Avrily 2013

Nanome vola mangingina 38 dolara ho an'ny rain'ilay zazavavy 5 taona lasibatry ny fanolanana sy fakàna an-keriny ny polisy ao andrenivohitra Delhi mba hanadinoina ity herisetra mahery vaika ity, niteraka fahatezerana manerana ny firenena izay miady amin'ny fitomboan'ny tranga fanolanana izany. Niharan'ny fanolanana narahina herisetra ity ankizivavy 5 taona ity nandritra ny...

Ny Anganom-pitiavana Sy Ny Vetaveta Avy Ao Angola

  21 Avrily 2013

Tanora Angole mpitoraka bilaogy sady "mpampita vaovao" monina any Loandà i Rosie Alves, 21 taona, avy ao Loanda, manoratra tantara fohy izay mazàna miresaka ny fitiavana sy ny finamànana akaiky ao amin'ny bilaoginy "Sweet Cliché". Zarainy amin'ny Global Voices ny aingam-panahiny sy ny hetahetany, ilazany amintsika misimisy kokoa mikasika ny andian-taranaka misy azy sy ny tontolon'ny bilaogy Angole tsy mitsaha-mitombo.

Zambia: Nanome Baiko Hisambotra Ireo Vehivavy Manao Fitafiana Tsy Mendrika Ny Mpitsara

  20 Avrily 2013

Nanome baiko ny polisy hisambotra ireo vehivavy manao fitafiana tsy mendrika (mitanjaka) ny mpitsara vehivavy ao amin'ny fitsarana ambony ao Zambia. Matetika voatebaka imasom-bahoaka  ireo vehivavy ao Zambia ary indraindray voaboridana raha hita fa tsy mendrika ny fitafian'izy ireo, lohahevitra izay efa nosoratan’ny mpanoratra ity lahatsoratra ity tamin'ny bilaoginy nihoatra ny...

Topimaso Mivantana Tsy Fahita Firy Amin'ny Indostrian-damaody Pakistane Vao Mivoatra

  17 Avrily 2013

Raha tsy dia mahaliana ny firenen-kafa izany, manana anjara toerana lehibe kosa ny lamaody amin'ny fiainana Pakistane. Halefa mivantana amin'ny aterineto ny Herinandron'ny Lamaody any Pakistàna ny 9-10 Aprily, avy any Karachi ka hitondra endrika vaovao amin'ny indostria vao misandratra sy efa matianina izay mampiseho fa tsy henjana na mpiaro ny nentin-drazana araka ny eritreretin'ny maro ireo fepetra ara-kolotsaina any Pakistana..

Miteny Hentitra Ny Vehivavy Tiorka: Vatako, Fanapahan-kevitro

sinjo sahady fa mbola be ny làlana hodiavin-dry zareo sy ny ady ho atrehany mandra-pahatongan'ny hoe azy ireo 100% ny fanapahan-kevitra ny amin'izy hanaovany ny vatany na ny fiainany. Ambaran'i Baran Mavzer amintsika ny antony mahatonga ny adin'ireo vehivavy Tiorka ho mbola henjana, mba hahazoany sy hitehirizany ny zony araka ny lalàna sy ny maha-olona, na dia tsara toerana kokoa aza ry zareo miohatra amin'ireo marobe any amin'ny tontolo Silamo.