· Septambra, 2012

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Septambra, 2012

Zambia: Nodimandry Ny Vadin'ny Filoham-pirenena Teo Aloha

  28 Septambra 2012

Alahelo lehibe no tazana manerana ny tambajotra sosialy tamin’ny Alarobia 19 Septambra 2012, taorian’ny vaovao momba ny fahafatesan’ ilay ramatoa vadin’ny filoham-pirenena Zambiana teo aloha, Betty Kaunda. Vadin’ny filoha voalohany tao Zambia, Dr Kenneth Kaunda izy, izay nitondra ny firenena nanomboka ny taona 1964 hatramin’ny taona 1991, tafala teo amin’ny fitondrana...

Bahrain: “Vehivavy Mafy Toy Ny Vy Ny Vehivavintsika”

Nihataka kely tamin'ny politika indray aloha ny Bahraini mpampiasa Twitter ary nandany andro ny maraina teo (3 septambra) tao amin'ny tambajotran'ny fitoraham-bilaogy sosialy kiritika. Namaky lahatsora-baovao ilay mpanakanto Anas Al Shaikh izay milaza fa namono tena ity vehivavy Irakiana iray ho fanoherana ny fijerem-badiny andian-tantara mitohy Tiorka amin'ny fahitalavitra. Mamaly ny vehivavy Bahraini fa tsy hanao zavatra sahala amin'izany mihitsy izy ireo satria ... izy ireo dia vehivavy mafy toy ny vy.

Mujeres Mundi, Tafatafa Amin'ny Vehivavy Tsy Fahita Mahazatra

  07 Septambra 2012

Ny bilaogera Peroviana Xaviera Medina de Albrand no atidoha sy nandany ron-doha tmin'ny bilaogy Mujeres Mundi, tahaka iray amoahany ny tafatafa ifanaovana amin'ny vehivavy avy amin'izao tontolo izao. Miresaka momba ny fiainany sy ny bilaoginy i Xaviera amin'ny fizarana voalohany amin'ity tafatafa ity.

Vehivavy Iraniana – Miteny ‘Tsia’ Amin'ny Fanerena Hirako-boaly Hijabs Hatramin'ny 1979

Maherin'ny 26.000 ireo olona nanatevin-daharana ny fanentanana iray tao amin'ny Facebook nataon'ny mpianatra Iraniana nangataka ny hampitsaharana ny fanerena ny firakofana voaly (hijabs) any Iran. Telopolo taona no efa nanoheran'ireo vehvavy Iraniana izany, saingy mbola mizaka hatrany ny antsojay ataon'ny mpitandro filaminana eny imasom-bahoaka hatrany izy ireo.

Mujeres Mundi, “Ahoana Ny Anjara Toeran'ny Vehivavy Eo Amin'ny Fiarahamonina Misy Anao?”

  07 Septambra 2012

Tamin'ny fizarana voalohany no niresahan'i Xaviera Medina de Albrand ny bilaoginy, Mujeres Mundi [Tontolon'ny Vehivavy], izay amoahany ny tafatafa nifanaovany tamin'ny vehivavy manerana izao tontolo izao. Amin'ny fizarana faharoa no iresahan'i Xaviera ny lanjan'ny fampielezana ny tafatafa nifanaovany tamin'ireo olona zatra fiteny hafa. Resahiny eo ihany koa ny tetikasa manokana nampitondrainy ny lohateny hoe "Ahoana ny anjara toeran'ny vehivavy eo amin'ny fiarahamonina misy anao?"