· Avrily, 2012

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Avrily, 2012

Meksika: Fanitsakitsahana Ny Zon'olombelona Sy Ny Fifidianana Filoham-pirenena

  29 Avrily 2012

Mitantara ny toe-draharaha ao San Salvador Atenco sy Oaxaca, toerana roa ao Meksika izay nijaly noho ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ataon'ny antoko politikan'ny fitondrana ny lahatsary fanadihadiana  A Schizophrenic State notontosain'i Charlotte King, tafiditra amin'zany ny Governora izay manam-pikasana hirotsaka hofidiana filoham-pirenena. Mampiseho ny tsy fisian'ny fanajana ny zon'olombelona ataon'ny governemanta Meksikana...

Ekoatera: Vehivavy Sy Ankizivavy Mpitsoa-ponenana Mitodika Amin'ny Asa Fivarotan-tena

  27 Avrily 2012

Ny Hetsika fanadihadiana an-dahatsarin'ny VJ mitondra ny lohateny hoe Mpitsoa-ponenana mitodika amin'ny asa Fivarotan-tena ao Ekoatora dia mijery ny zavatra iainan'ireo vehivavy Kolombiana maro tsy maintsy niampita sisintany ka nifindra monina any Ekoatora noho ny herisetra. Aminà tranga maro, noho ny tsy fahafahany mahazo asa ara-dalàna, mba hahafahana mivelona dia mitodika amin'ny asa fivarotan-tena ireo vehivavy maro sy ny zanany vavy.

Bolivia: Tanana Ratsy Fihetsiky ny Ben'ny Tanànan'i Santa Cruz

  05 Avrily 2012

Tsy vao voalohany ny Ben'ny tanànan'i Santa Cruz, Percy Fernández no tratra tamin'ny lahatsary amin'ny fitondratena ratsy ataony. Tamin'ity indray mitoraka ity dia tamin'ny 29 Martsa 2012, nandritra ny hetsika ho an'ny daholobe, izay nahitana azy niaraka tamin'ilay mpikambana mpanolotsaina monisipaly Desirée Bravo. Raha nitsangana handray fitenenana ho an'ireo mpanatrika marobe i...

Lahatsary: Fandripaham-behivavy Sy Kilongavavy Any Shina Sy India

  05 Avrily 2012

Eo amin'i India sy i Shina, 200.000.000 ny isan'ny zazavavy “manjavona” noho ny fanalan-jazarano vavy na noho ny fandaozana sy famonoana kilongavavy. Maro ny lahatsarim-panadihadiana na vaovao mitatitra ity tranga ity, miezaka ny hanazava ny anton'ny fanavakavahana ara-pananahana ity ary mitady ny zavatra azo atao momba azy ity. Amin'ny “Voambolana telo...

Etiopia: Tratran'ny Findain'ny Kamera ny Fanararaotana Natao Tamin'ny Ankizy

  04 Avrily 2012

Naneho hevitra mikasika ilay finday nandrakitra lahatsary tao amin'ny Youtube ny mpiserasera Facebook Etiopiana,  lahatsary izay mampiseho zazavavy kely iray ampijalian'ny reniny tsy an-kiato. Fotoana fohy taorian'ny fandraketana ny sary, nikarakara fanentanana antserasera ho amin'ny rariny ny mpiserasera Facebook tamin'ny alalan'ny fananganana vondrona Facebook antsoina hoe “Etiopiana Manohitra ny Fanararaotana Ankizy”: Mikasika ny zava-nihatra tamin'ity...

Ejypta: Ny Karapanondronao, Ny Zonao Ry Vehivavy

Araka ny tarehimarika avy any amin'ny Ministeran'ny Atitany Ejypsianina, mahatratra 4 tapitrisa ireo vehivavy eto amin'ny firenena no tsy manana  kara-panondro. Ny vehivavy tsy manana kara-panondro dia tsy manan-jo hanan-tany, tsy afaka mividy na mivarotra tapakilan-drenivola ary tsy afaka mandova raha misy ny fahafatesana eo amin'ny fianakaviana. Mandrara ny vehivavy tsy hiditra amina karazana raharaham-panjakana ihany...