· Marsa, 2012

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Marsa, 2012

Chile: Mifanakalo Hevitra Momba Ny Fampiatoana Vohoka Noho Ny Antony Ara-Pahasalamana Ny Twitter Raha Mbola Mihainohaino Kosa Ny Antenimieran-doholona

  29 Marsa 2012

Raha mitohy hatrany manemotra ny fifanakalozan-kevitra mikasika ny fanaovana ny fampiatoana vohoka noho ny antony ara-pahasalamana ny Antenimieran-doholona, mitohy tsy mitsahatra kosa ny fifanakalozana fomba fijery ao anatin'ny habaka cyber Siliana, indrindra fa taorian'ny fifanakalozan-kevitra tanaty fandaharana roa tao amin'ny fahitalavitra Siliana mikasika io olana io.

India: Tovovavy Mianatra Mikasika Ny Lahatsary Firotsahana An-Tsehatra

  28 Marsa 2012

Vondrom-behivavy iray avy ao Hyderabad, faritra mahantra any India, no mianatra ny fomba famokarana lahatsary mba hanovàna ny vondrom-piarahamonina misy azy ireo, ary ao anatin'ity lahatsary manaraka ity ilay vondron-tovovavy dia manazava izay nianaran-dry zareo sy ny fomba hanampian-dry zareo ny vondrom-piarahamoniny sy ny tenany amin'ny alàlan'ny zava-bitan-dry zareo.

Tontolo Arabo: Tratry ny Fetin'ny Vehivavy – Fahatsiarovana Ireo Reny Maritiora

Manamarika ny andron'ny fetin'ny reny ny tontolo Arabo androany, 21 Martsa. Ao amin'ny tranonkala tambajotra-tsosialy, nandefa fiarahabana ho an'ny reniny ireo mpiserasera androany tontolo andro. Nahatsiaro ireo reny an'arivony maty novonoin'ny manam-pahefana nandritra ny hetsi-panoherana ny didy jadona, izay antsoina hoe Lohataona Arabo ihany koa izy ireo. Avy any Bahrein, Sayed...

Kiobà: Lohataona Mainty, Sivy Taona Taty Aoriana

  22 Marsa 2012

Manamarika ny fahasivy taona nisiany ny Lohataona Mainty Kiobàna – nampiasaina ny voambolana hanazavazavana ny famoretana nataon'ny fitondrana tamin'ny mpisintaka nandritra ny 2003. Olona 75 no nogadraina taorian'ny hetsi-pamoretana, nampangaina ho miasa ho amin'ny tombotsoan'i Etazonia. Heverina fa efa noafahana avokoa ny gadra politika notazonina nandritra ny Lohataona Mainty, nanomboka tamin'ny 2010,...

Ejipta: Iadian-kevitra Ao Amin'ny Antenimiera Ny Zon'ny Vehivavy Afaka Misara-panambadiana

Miteraka adihevitra ao amin'ny tranokala tambazotra sosialy hatrany ny fandehan'ny asan'ny solombavambahoaka vaovao Ejipsiana. Toa mampiseho fa dingana mankany amin'ny demokrasia ny fisian'ireo parlemantera vaovao ireo. Na dia izany aza, manohy miadihevitra momba ny olana tsy mifandraika amin'ny filàna maika eo amin'ny firenena ireo parlemanta – toy ny fangatahana handrara ny...

Maraoka: Fitorevahana Nokarakaraina Hisarihana Ny Saina Mikasika Ny Zava-manjo Ireo Niharan'ny Fanolanana

Nanao fitorevahana ry zareo Maraokana omaly (17 Martsa) ho fanoherana ny lahatra nozakain'i Amina Filali, 16 taona, izay namono tena taorian'ny nanerena azy hanambady ilay lehilahy nanolana azy. Neken'ny mpitsara ny fanambadian'i Amina sy ilay mpanolana azy. Niteraka tafiotram-panehoan-kevitra ny famonoany tea, tenyanivon'ny media sosialy sy teny an-kianja

RD an'i Congo: Lahatsary Nanampy Handetehana An'i Thomas Lubanga Aminà Heloka An'ady

  18 Marsa 2012

Ny 14 Martsa 2012 ny Fitsaràna Iraisampirenena Momba ny Heloka Bevava dia nahatratra an'i Thomas Lubanga, mpitarika mpihoko fahiny tao atsinanan'i Congo, voaheloka ho nampiasa ankizy tamin'ny ady mitam-piadiana. Nolazain'ny mpitsara fa ny fanadihadiana natao tamin'ny alalan'ny lahatsary an'ireo ankizy miaramila fahiny dia tonga ampaham-porofo nanampy tamin'ny fandresena lahatra ny fitsaràna.

Etiopia/Libanona : Hatezerana Noho Ny Fahafatesanà Mpanampy An-trano iray Nivadika Ho Fientanana

Namono tena i Alem Dechasa, ilay vehivavy hita tanaty lahatsary nalaina tamin'ny finday niparitaka tety anaty aterineto, nodarohana sy notaritarihana amin-kery hiditra anaty fiara iray teo anatrehan'ireo mpitazam-potsiny teo ivelan'ny Kaonsily Etiopiana ao Beirut, Libanona.. Niteraka hatezerana mafy teo amin'ireo Etiopiana mpiondana aterineto ilay lahatsary. Taorian'ny nahafatesany, ireo mpiondana aterineto dia nikarakara antso iray tety anaty aterineto mba hisian'ny rariny sy hisarihana ny saina amin'ny zava-manjo ireo vahivavy Etiopiana mpanampy an-trano iharan'ny fanaovana tsinontsinona any Afovoany Atsinanana..

India: Aza Miasa Alina Amin'izay Tsy Voaolana Ianao

  17 Marsa 2012

Tao ao anatin'izay andro vitsy lasa izay, vehivavy mpiasa maro an'isa ao an-tanànan'i Gurgaon no nalaina an-keriny sy naolana , eo amin'ny 30 kilometatra miala ny renivohitra Indiana, ao New Delhi no misy izany tanàna izany. Ho famahana ny olana, dia nandray ny andraikiny ny mpitondra fanjakana amin'ny  fiarovana ny olom-pirenena, tamin'ny alalan'ny fangatahana...