· Desambra, 2011

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Desambra, 2011

Ejipta : Vehivavy # SCAF – Iza No Handresy ??

Androany izao tontolo izao dia nifoha niaraka tamin'ny fahitana fa nameno ny lohatenim-baovao indray i Ejipta miaraka aminà sarinà miaramila midaroka vehivavy misarom-boaly ary manao izay hanalàna ny akanjony. Nermeen Edrees dia namoaka ny fanehoan-kevitr'ireo mpiondana aterineto mikasika ny fomba nanaovan'ny Filan-kevitra Ambonin'ny Hery Mitam-piadiana ireo vehivavy ao Ejipta.

Global Voices Podcast: Teknolojia hanomezan-kery bebe kokoa ny vehivavy!

Ato isika no handre ny fomba fampiasan'ny vehivavy any Ejipta ny teknolojia hiadiana amin'ny fanorisorenana, sy izay ataon'ny tonia sy mpanoratra ao amin'ny Global Voices ao amin'ny Fetiben'ny Mozilla ao Londres. Homarihantsika ihany koa ny Andro manerantany iadiana amin'ny Sida amin'ny fanomezana fitenenana ireo mpikatroka momba ny resaka VIH/SIDA any Kenya sy Ejipta momba ny asa manokana ataon'izy ireo.