· Oktobra, 2011

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Oktobra, 2011

Yemen: Vehivavy Yemenita Mandoro Ny Voaliny

Nandoro ny voaliny sy ny folarany androany ny vehivavy Yemenita ho marika fanamelohana ny herisetra sy ny sotasotan'ny fitondrana, izay namono olona 25 nandritra ny alina tany Sanaa sy Taiz ary nikendry vehivavy tamin'ny farany teo. Hetsi-panoherana tsy misy ifandraisany amina zon'ny vehivavy na fanoherana ny voaly islamika io satria mety ho tsy azon'ny olona ilay fihetsika fa hazolava na antso vonjeo, mamely ny fitondrana

Etiopia:Nanao Fitakiana Tao Anaty Aterineto Ny Mponina Ho An'i Shweyga Mullah

  25 Oktobra 2011

Fanaovana fitakiana tao aminà filazam-baovao ara-tsosialy iray no namoahan'ireo mponina fahatezerana be tanaty aterineto tao Etiopia taorian'ny fanambaran'ilay mpanao gazetin'ny CNN, Dan Rivers, ilay fanararaotana nahatsiravina nihatra tamin'i Shweye Mullah izay tena naratra tokoa noho ny fitorahan'ilay vadin'ny zanak'i Gaddafi, Hannibal, rano mangotraka ny vatany iray manontolo tamin'ny tsy nahavitàny nampangina zaza fotsiny. Shweye mantsy dia niasa tao amin'io fianakaviana io toy ny mpitaiza zaza

Kiobà: Fahatsiarovana an'i Laura Pollan

  21 Oktobra 2011

Efatra andro taorian'ny nahafatesany, dia nisy hatrany ny fahatsiarovana an’ aterineto an'i Laura Pollan, mpitarika nalaza sy nohajaina tamin'ny mpanohitra any Kiobà, Las Damas de Blanco. Tranokala maro no mifantoka amin'ny fanapahan-kevitry ny vondrona hanohy ny tolona ho fanajana ny zon'olombelona any an-toerana na dia teo aza ny fahafatesan'i Pollan, ao anatin'ny fanjakana voasazy...

Andron'i Ada Lovelace : Mihetsika Ireo Vehivavy Fitaratra

  16 Oktobra 2011

Ny Andron'i Ada Lovelace (7 Oktobra) dia mikatsaka ny hampakàrana ny tahan'ireo vehivavy manao siansa, teknolojia, fianarana ho injeniera ary matematika amin'ny alalan'ny famporisihana ny olona manerana izao tontolo izao hiresaka momba ny vehivavy izay ankasitrahan'izy ireo ny asa ataony. Vakio ato ny fahatsiarovan'ny Global Voices.

Shina: “Nisy Zavatra Tsaroanao ny Talohan'ny Nangalarana Anao?”

  13 Oktobra 2011

Raha hitsidika ny tanàna any Shina ianao indray andro any dia hahita ankizy mangataka na mitendry zavamaneno akaikin'ny gara na toerana be mpandalo mba hahazoana vola. Ny zavatra hitanao dia izay topaza-maso amin'ny olana goavana sy faran'izay manahirana eto Shina – ny fangalarana sy ny fivarotan-jaza. Tamin'ny fiandohan'ny taona 2009...

Yemen: Mankalaza ny Herimpon'ireo Vehivavy Revolisionera

Tanatin'ny valo volana nanaovan-dry zareo fanoherana am-pilaminana, fakàn-tahaka ho an'ny rehetra ny Yemenita, tsy ho an'ny Arabo fotsiny fa ho an'izao tontolo izao mihitsy. Na dia firenena Arabo mahantra indrindra aza, nasehon'ireo lehilahy sy vehivavy Yemenita ny maha-manankarena azy ireo amin'ny resaka fahasahiana, faharetana ary fijoroana tsy azo hozongozonina, saingy ny tena nampihaiky volana izao tontolo izao dia ny fahatonian-dry zareo.. Noon Arabia dia manolotra haja manokana ho an'ireo vehivavy Yemenita ato anatin'ity lahatsoratra ity.