· Septambra, 2011

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Septambra, 2011

Arabia Saodita : Nahazo Alàlana Hiditra Ho Ao Amin'ny Filankevitry Ny Shura Ny Vehivavy

Ny Vehivavy Saodiana, izay tsy afaka ny hamily fiara any amin'ny firenena misy azy, dia hahazo aàlana ny hiditra ho mpikambana ao amin'ny filan-kevim-pirenen-dry zareo misy mpikambana 150 na ny Filan-kevitray ny Shura, rantsana mpanolotsaina izay misy fetrany ihany ny fahefany ao amin'ny governemanta sy ny fanaovan-dalàna. Noraisin'ny mponina an-kafaliana ilay fanapahan-kevitra.

Guinea : Ny Adin'i Nadine Bari Ho Fampihenana Ny Fahantrana ao Guinea

  13 Septambra 2011

Nadine Bari dia Frantsay iray nanangana fikambanana iray ho an'ny mpiara-belona isan'ny tranainy indrindra tao Guinea, Guinée-Solidarité na Firaisankinan'i Guinée. Tamin'ny alalan'ny fanampiana avy any Eropa dia nahavita namatsy fitaovana ireo sekoly, hopitaly, sy nanampy ireo tsy manan-kialofana, kamboty ary koa zaza manan-kilema mba hahazo fanabeazana.

Vehivavy Afrikana Miezaka ho Mpitondra Fanjakana

  08 Septambra 2011

Nisantatra ny lalana i Ellen Johnson-Sirleaf tamin'ny taona 2006, raha voafidy ho Filohan'i Liberia ary nanjary vehivavy Afrikanina voalohany tafakatra amin'ny toerana ambony indrindra. Nanomboka hatreo, dia maro ireo vehivavy Afrikanina nanapa-kevitra hirotsaka hofidiana filoham-pirenena, vao haingana indrindra tao Benin, Kamerona, Ganà, Ginea, Repoblika Demokratika Kongo ary Nizera. Samy nanana ny...

Nizeria: Misaritaka, Miandry Ny Fahatongavanà Vehivavy Iray?

  04 Septambra 2011

Ngozi Okonjo-Iweala (NOI), Minisitry ny Fitantanam-bola vaovao sy Minisitra Misahana ny Toe-karena. Vao haingana kely i NOI no tale jeneralin'i Banky Iraisam-pirenena. Raha vao nanomboka nikotaba ny haino aman-jery mikasika an'io fanendrena azy io, dia tsy nitsahatra niresaka momba an'io vehivavy manam-pahefana ambony indrindra tao amin'ny kabinetran'ny filoha Goodluck Jonathan io ny mponin'ny aterineto .