· Aogositra, 2011

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Aogositra, 2011

Lahatsary: Vehivavy Manova Ny Fiarahamonina

  29 Aogositra 2011

Ny Voices of Women Worldwide (Feon'ny Vehivavy Manerantany) dia managona ireo olona manerana izao tontolo izao ka liana amin'ny fanaovana izay hahenoana ny feon'ireo vehivavy tsy mba nisy mpihaino, ireo tovovavy sy ankizy mampiasa ny karazana media rehetra azony raisina: lahatsoratra am-bilaogy, feo, lahatsary ary fampitam-baovao amin'ny haino aman-jery.

Costa Rica: Diabe Fanehoan-kevitry Ny Vehivavy tsy Maoty, Foto-pinoana ary Zon'ny vehivavy

  29 Aogositra 2011

Ny Alahady lasa teo , 14 Aogositra 2011, no nisy ny Diabe Fanehoan-kevitry Ny Vehivavy tsy Maoty tao San Jose renivohitra nahatonga fanoherana mahery vaika avy amin'ny filazam-baovao sy ara-pinoana noho ireo hira sy seho an-tsehatra mahery setra lazaina ho manohitra ny fiangonana. Ilay adihevitra nafana dia samy nandrakotra ny filazam-baovaom-bahoaka sy ny haino aman-jery avokoa satria ny mponina dia naneho hevitra tao amin'ilay dikanteny Costa Ricain amin'ity hetsi-panoherana nalaza eran-tany ity.

Madagasikara : Izay tsy hataon'ny vehivavy bevohoka

  22 Aogositra 2011

Amin'ny lahatsoratra mahaliana iray mikasika ny « Fady » amin'ny fiainana nentim-paharazana malagasy no iresadresahan'ilay mpamaham-bolongana malagasy Ariniaina ny « fady » amin'ny vehivavy bevohoka, tahaka ny “Tsy mitondra trondro anaty harona na miloloha izany (ary tsy mihinana izany koa)fa raha tsy izany dia hisy kirany ny zaza”.