· Jolay, 2011

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Jolay, 2011

Arabia Saodita: Ny mariazin'i #Tabukgirl

Tsy sambany tsy akory no nahitantsika lehilahy mampanambady ny zanany vavy tsy mbola ampy taona amina lehilahy efa voky taona, indrindra fa any Arabia Saodita sy any Yemen. Ho entin'i Mona Kareem amintsika ny tantaran'i #Tabukgirl [zazavavin'i Tabuk] sy ny adihevitra naterak'ity zazavavy noterena hanambady lehilahy efa 60 ity tany amin'ny valantserasera Saodiana.

Kiobà: Ho Fiarovana ny “Las Damas”

  27 Jolay 2011

Manohy hatrany manavao ny lahatsorany ireo Kiobana mpitoraka bialogy mikasika ny fanafihana farany tao Las Damas de Blanco (The Ladies in White Ireo Vehivavy Mitafy Fotsy), ka nisy tamin'ireo mpikambana no voalaza fa nizaka "fanafihana ary daroka an-kerisetra nataon'ny olona mpikambana ao amin'ny Mpitandro Filaminam-Panjakan'i Castro, ka taitra hatramin'ny fiangonana

Korea Atsimo: Misedra Fanakianana Mahery Vaika ny Fiara Natokana Ho An'ny Vehivavy Any Anaty Metro

  23 Jolay 2011

Satria mitombo be ny herisetra ara-nofo any anaty metro, indrindra mandritra ny ora maha betsaka ny mpandeha sy rehefa alim-be, nanapa-kevira ny governemanta ao Seoul hametraka fiaran-dalamby natokana fotsiny ho an'ny andriambavilanitra mba hampiatoana ny fiakaran'io taha io. Na izany aza, niteraka fanehoan-kevitra nafampàna tokoa teo anivon'ny Koreana Tatsimo mpampiasa aterineto ilay fihetsika.

Iran: Fahavaratra Mafana Mitarika Amin'ny Famaizana Fitafy “Tsy Mendrika”

Amin'ny toerana maromaro, midika masoandro, ranomasina, ary fotoam-pialatsasatra ny fahavaratra. Ao Iran, midika zavatra iray ny fahavaratra farafahakeliny:  famaizana izay manao fitafy tsy mendrika na “tsy-Islamika”. Tamin'ity taona ity, nanampy amin'ny fampanajana ny fomba fitafy ny polisim-pifamoivozana ao Iran, ary tsy noferana amin'ny fanomezana fampitandremana sy sazy fotsiny ihany ny famaizana....

Filipina: Adihevitra Mikasika ny Volavolan-dalàna Momba Ny Fisarahana Am-Panambadiana

  04 Jolay 2011

Miaraka amin'ny fankatoavana ny fisarahana am-panambadiana any Malta, i Filipina izany sisa no firenena tokana mandràra azy io manerana izao tontolo izao. Misy adihevitra mafàna amin'izao fotoana momba ny hoe fotoana ve izao sa tsia handdaniana lalàna momba ny fisarahana am-panambadiana izay toherin'ireo ambaratongam-pitondrana samihafa manana ny tanjany ao amin'ny fiangonana Katolika Filipiana

Hijab: “Hosalorana ve sa Hoesorina?”

Somary midadasika ihany ny lohahevitra noresahina mikasika ny “tontolon'ny Hijab” [sarondoha fisalotry ny vehivavy Arabo], saingy vao haingana, dia nisy lahatsoratra bilaogy hafa mifandraika amin'izany izay miresaka lohahevitra manokana somary sarotsarotra: inona no mety hitranga raha manapa-kevitra hanala ny hijab-ny ny vehivavy iray. Voalohany, nampisy fikorontanana teo amin'ny tontolon'ny bilaogy...