· Mey, 2011

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Mey, 2011

Sina: Mpisolovava Momba Ny Zon’Olombelona Voatazona Am-ponja Nohadiadiana Momba Ny Fiainana Ara-Pananahana

  31 Mey 2011

Telo volana taorian’ny famonjàna, Li Tiantian, mpahay lalàna Sinoa dia nanoritsoritra tao amin’ny Twitter ny momba ireo mpanadihady azy nampiasa ny antsipirihan’ny tsiambaratelom-piainany mba hanaovana herisetra taminy. Volana vitsivitsy lasa izay, anjatony mahery ny mpahay lalàna momba ny zon’olombelona an-jatony, mafàna fo, mpanoratra ary mpanakanto no voasambotra na nenjehin’ny lalàna tao Sina vokatry ny fifandonana tamin’ny hetsi-panoherana Jasmine.

Toekarena Erantany: Ny Lanjan'ny Vehivavy Amin'ny Resaka Fahantràna, Asa ary Trosa

  30 Mey 2011

Ny fanehoan'ny International Museum of Women / Tranombakoka Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy teo anivon'ny aterineto mikasika ireo vehivavy sy ny toe-karena, manasongadina sary mifandimby, podcasts, lahatsary sy andrana momba ireo vehivavy any amin'ny firenena toa an'i Sodana, Danemarka, Filipina, Etazonia, Costa Rica, Meksika, Arzantina sy ny fahitan'izy ireny ny olana tahaka ny fahantràna, ny fandraharahana, ny fianakaviana, ny zo, ny ara-bola ary ny maro hafa.

Iran: “Eny rehetra eny izahay” fanentanana hanoherana ny tsy fankasitrahana pelaka

Arsham Parsi no mpanorina ny Fikambanan'ny Pelaka Iraniana manana ny foibeny any Toronto, Canada. Tamin'ny 2008,  niteny tao amin'ny Global Voices izy fa “fanomezana tsara ho azy ireo ny aterineto.” Tamin'ity taona ity, tamin'ny 17 may, Andro Iraisam-pirenena hitsipahana ny tsy fankasitrahana pelaka,Iraniana maro no nampiasa ity “fanomezana” ity hanandratana indray ny...

Fifaninanana Erantany Fitorahana Bilaogy Momba Ny Olan'ny Rano

  10 Mey 2011

Ny European Journalism Centre (Ivontoerana Eraopeana ho an'ny Fanaovan-gazety) dia mampanao fifaninana mitoraka bilaogy ato anatin'ny 3 volana miompana amin'ny olan'ny rano, nomena ny anarana hoe TH!NK5. Mpitoraka bilaogy avy amin'ny firenena 40 samihafa no nirotsaka hifaninana, samy te-hahazo ny loka amin'ny famaranana: fandehana any Lisbon, Portugal. Indreto ny sasany amin'ireo lahatsoratra be mpahalala indrindra sy avy any ifotony nosoratan'ny sasany tamin'ireo nivoaka ho mpandresy: