· Novambra, 2009

Tantara mikasika ny Vehivavy sy Miralenta tamin'ny Novambra, 2009

Puerto Rico: Kiaka manohitra herisetra

  29 Novambra 2009

25 Novambra, ao anatin'ny fankalazana ny Andro maneran-tany natao hamongorana ny herisetra atao amin'ny vehivavy, izay manamarika ihany koa ny andro voalohany maeran-tany amin'ny hetsika 16 andro hanoherana ny herisetra [16 Days of Activism Against Gender Violence], dia vehivavy mpitoraka blaogy avy ao Puerto Rico no nanoratra lahatsoratra momba ny herisetra miantraika amin'ny fiainan'izy ireo, amin'ny fianakaviany ary amin'ny fiarahamonin-dry zareo. Nanoratra tonokalo ry zareo, fanadihadiana lalina, sy fampieritreretana ihany koa. 'Ndao mba hojerentsika ny endrik'izy ireo, hovakiantsika ny lahatsorany, ary hohenointsika ny feony.

Vehivavy Dalit any Nepal: Mitolona ho amin'ny Fahamendrehana

  26 Novambra 2009

Ny lalampanorenana any Nepal dia miantoka ny fitoviana eo amin'ny Dalit sy ny 'tsy fikitika'. saingy ny tena zava-misy eo amin'ny tontolo, ivelan'ireo fepetra lavabe sy misampantsampan'ny lalampanorenana sy ny lalàna, dia mbola entina toy ambany noho ny olona foana ny dalits

Japana: Rehefa tsy salama ramatoa vadinao

  06 Novambra 2009

Rehefa mifandona ny kolontsaina Japonein'ny “vahoakan'ny orinasa” (社蓄 shachiku) sy ny soatoavina ary ny lanjan'ny fanambadiana – maherin'ny 300 no olona namaly an'ity fanontaniana ity tao amin'ilay “forum”  goavana Hatsugen Komachi: Tokony hijanona tsy hiasa ve ny lehilahy rehefa marary ny vadiny? Tranga Nivady nandritra ny 8 taona i Rina...